Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Josoa 3:1 - DIEM PROTESTANTA

Ny ampitso dia nifoha vao maraina i Josoa mbamin’ireo Israelita rehetra ka nandao ny tobin’i Sitima ary nankany amoron’i Jôrdàna, dia nijanona teo alohan’ny hiampitany.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Dia nifoha vao maraina i Josoa ary izy sy ny Zanak’Israely rehetra dia niala tany Sitima ka nankany Jordana ary nitoetra teo izy aloha vao nita.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Ny ampitso dia nifoha vao maraina i Josoa mbamin’ireo Israelita rehetra ka nandao ny tobin’i Sitima ary nankany amoron’i Jôrdàna, dia nijanona teo alohan’ny hiampitany.

Jereo ny toko

Baiboly Katolika

Dia nifoha maraina koa i Jôsoe, ka niala tany Setima izy mbamin’ny zanak’i Israely rehetra; nony tonga tao Jordany izy ireo dia nijanona teo, alohan’ny hitana azy.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

DIA nifoha maraina koa Josoa; ary ny olona dia niala tany Sitima ka nankany Jordana, dia Josoa sy ny Zanak’Isiraely rehetra, ary nitoetra teo izy aloha vao nita.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Dia nifoha maraina koa Josoa; ary ny olona dia niala tany Sitima ka nankany Jordana, dia Josoa sy ny Zanak'Isiraely rehetra, ary nitoetra teo izy aloha vao nita.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Dia nifoha vao maraina i Josoa ary izy sy ny Zanak’Israely rehetra dia niala tany Sitima ka nankany Jordana ary nitoetra teo izy aloha vao nita.

Jereo ny toko



Josoa 3:1
16 Rohy Ifampitohizana  

Dia nifoha vao maraina be i Abrahama ka naka mofo sy siny hoditra feno rano; dia nomeny an’i Hagara izany sady napetrany teo an-tsorony, ary natolony azy koa ny zaza. Dia nalefan’i Abrahama izy mianaka ka nandeha nirenireny tao an-taniefitr’i Beera-Seba.


Dia nifoha vao maraina be i Abrahama nony ampitso. Namaky kitay hanaovana sorona izy, dia nanisy lasely ny borikiny ary niainga ho any amin’ny toerana izay voatondron’Andriamanitra. Nentiny niaraka taminy koa ny zatovony roa lahy sy i Itsehàka zanany lahy.


Dodona aho fa tsy mitaredretra amin’ny fitandremana ny didinao.


«Manomboka amin’ny taona faha-13 nanjakan’i Jôsià, zanakalahin’i Amôna sady mpanjakan’i Joda, ka mandraka androany, izany hoe efa 23 taona izao, no nanambarako sy namerimberenako taminareo ny hafatra nampitondrain’ny TOMPO ahy, nefa tsy nihaino ianareo.


ary mihainoa ny tenin’ireo mpaminany mpanompoko. Tsy nitsahatra naniraka azy tatỳ aminareo Aho, nefa tsy nihaino azy ianareo.


Ankehitriny dia manao ireny zava-dratsy rehetra fanaony ireny koa ianareo, hoy ny teny hentitry ny TOMPO. Efa nambarako sy naverimberiko taminareo izany nefa tsy nohenoinareo; efa nantsoiko ianareo nefa tsy namaly.


Ry vahoakako, mba tsarovy izay nokasain’i Balàka mpanjakan’i Môaba hatao sy ny navalin’i Bilehama zanakalahin’i Behôra azy, ary izay niseho hatreo Sitima ka hatrany Gilgala, mba hahafantaranareo asa nanasoavako anareo.»


Nitoby tao Sitima ny Israelita ka nanomboka nijangajanga tamin’ny vehivavy môabita,


Ny ampitso maraina mbola maizina, dia nifoha i Jesoa ka niala tao an-tanàna ary lasa nivavaka tany amin’ny toerana mangina.


Ary i Josoa, zanakalahin’i Nona, dia nandefa mpitsikilo roa lahy mangingina avy tao an-tobin’i Sitima ka niteny taminy hoe: –Ndeha misafo ny tany ianareo, indrindra fa ny tanànan’i Jerikao. Nony tonga tao an-tanàna izy roa lahy, dia niditra tao an-tranon’ny vehivavy mpivaro-tena iray atao hoe Rahaba ka nandry tao.


Nifoha vao maraina be i Josoa ny ampitso ary nolanjain’ny mpisorona indray ny Vatamasin’ny TOMPO.


Fa tamin’ny andro fahafito dia nifoha mbola maizimaizina ny Israelita ka nanodidina ny tanàna toy ny fanaony, saingy impito misesy; tamin’izany andro izany ihany anefa ry zareo no nanodidina ny tanàna impito misesy.


Dia nifoha vao maraina i Josoa ny ampitso ary nampanatona ny Israelita isam-pokony, ka ny fokon’i Joda no voatondro.


Nony ampitso dia nifoha vao maraina be i Josoa ka nisafo ny tafika; avy eo dia nitarika azy hiakatra hamely an’i Hay izy sy ny loholon’i Israely.


Niainga vao maraina ny vatan-dehilahy israelita ka nitoby tao akaikin’i Gibehà.


Ny ampitso vao maraina dia napetrak’i Davida tamin’ny mpiandry hafa ny ondriny. Noraisiny ny entany, dia lasa izy araka ny tenin’i Jisay, ary tonga tany an-toby. Tamin’izay indrindra ny miaramila no milahatra hivoaka hiady sady velona hiakan’ady.