Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Josoa 8:10 - DIEM PROTESTANTA

10 Nony ampitso dia nifoha vao maraina be i Josoa ka nisafo ny tafika; avy eo dia nitarika azy hiakatra hamely an’i Hay izy sy ny loholon’i Israely.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

10 Ary nifoha vao maraina i Josoa ka nandamina ny vahoaka dia niakatra teo alohan’ny vahoaka hankany Ay izy sy ny loholon’ny Israely.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

10 Nony ampitso dia nifoha vao maraina be i Josoa ka nisafo ny tafika; avy eo dia nitarika azy hiakatra hamely an’i Hay izy sy ny loholon’i Israely.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

10 Dia nifoha maraina koa i Jôsoe, ka nony efa nijery ny toetry ny vahoaka, dia nandroso izy mbamin’ny loholon’i Israely, nitarika ny vahoaka hamely an’i Haia.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

10 Dia nifoha maraina koa Josoa ka nandamina ny vahoaka, ary niakatra teo alohan’ny vahoaka hankany Ay izy sy ny loholon’ny Isiraely.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

10 Dia nifoha maraina koa Josoa ka nandamina ny vahoaka, ary niakatra teo alohan'ny vahoaka hankany Ay izy sy ny loholon'ny Isiraely.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

10 Ary nifoha vao maraina i Josoa ka nandamina ny vahoaka dia niakatra teo alohan’ny vahoaka hankany Ay izy sy ny loholon’ny Israely.

Jereo ny toko dika mitovy




Josoa 8:10
7 Rohy Ifampitohizana  

Dia nifoha vao maraina be i Abrahama nony ampitso. Namaky kitay hanaovana sorona izy, dia nanisy lasely ny borikiny ary niainga ho any amin’ny toerana izay voatondron’Andriamanitra. Nentiny niaraka taminy koa ny zatovony roa lahy sy i Itsehàka zanany lahy.


Dodona aho fa tsy mitaredretra amin’ny fitandremana ny didinao.


Ny ampitso dia nifoha vao maraina i Josoa mbamin’ireo Israelita rehetra ka nandao ny tobin’i Sitima ary nankany amoron’i Jôrdàna, dia nijanona teo alohan’ny hiampitany.


Nifoha vao maraina be i Josoa ny ampitso ary nolanjain’ny mpisorona indray ny Vatamasin’ny TOMPO.


Dia nifoha vao maraina i Josoa ny ampitso ary nampanatona ny Israelita isam-pokony, ka ny fokon’i Joda no voatondro.


Ny miaramila rehetra izay niaraka tamin’i Josoa dia niakatra ka tonga teo amin’ny tandrifin’ny tanàna; ary nitoby teo avaratr’i Hay ireo ka lohasaha no nanelanelana azy amin’ny tanàna.


Dia nalefan’i Josoa ireo lehilahy mahery fo ireo ho any amin’ny faritra hamitsahany ka lasa naka toerana teo andrefan’i Hay, teo anelanelan’i Betela sy i Hay; fa i Josoa nijanona teo anivon’ny tafika sisa ihany tamin’io alina io.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra