Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Josoa 8:9 - DIEM PROTESTANTA

9 Dia nalefan’i Josoa ireo lehilahy mahery fo ireo ho any amin’ny faritra hamitsahany ka lasa naka toerana teo andrefan’i Hay, teo anelanelan’i Betela sy i Hay; fa i Josoa nijanona teo anivon’ny tafika sisa ihany tamin’io alina io.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

9 Dia nampandehanin’i Josoa izy ireo ka roso hanao vela-pandrika ary nitoetra teo andrefan’i Ay, teo anelanelan’i Betela sy i Ay. Fa i Josoa kosa dia nitoetra teo amin’ny vahoaka ihany tamin’izany alina izany.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

9 Dia nalefan’i Josoa ireo lehilahy mahery fo ireo ho any amin’ny faritra hamitsahany ka lasa naka toerana teo andrefan’i Hay, teo anelanelan’i Betela sy i Hay; fa i Josoa nijanona teo anivon’ny tafika sisa ihany tamin’io alina io.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

9 Dia nalefan’i Jôsoe izy ireo ka lasa naka toerana hiotrika tao anelanelan’i Betela sy i Haia, tao andrefan’i Haia. Ary i Jôsoe kosa nitoetra teo amin’ny vahoaka ihany tamin’iny alina iny.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

9 Dia nampandehanin’i Josoa izy ireo, ary nandeha hanotrika ka nitoetra teo andrefan’i Ay, teo anelanelan’i Betela sy Ay; fa Josoa kosa nitoetra teo amin’ny vahoaka ihany tamin’izany alina izany.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

9 Dia nampandehanin'i Josoa izy ireo, ary nandeha hanotrika ka nitoetra teo andrefan'i Ay, teo anelanelan'i Betela sy Ay; fa Josoa kosa nitoetra teo amin'ny vahoaka ihany tamin'izany alina izany.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

9 Dia nampandehanin’i Josoa izy ireo ka roso hanao vela-pandrika ary nitoetra teo andrefan’i Ay, teo anelanelan’i Betela sy i Ay. Fa i Josoa kosa dia nitoetra teo amin’ny vahoaka ihany tamin’izany alina izany.

Jereo ny toko dika mitovy




Josoa 8:9
9 Rohy Ifampitohizana  

Avy eo izy dia niainga ho any amin’ny faritra be havoana any atsinanan’i Betela, ary nanorina ny lainy teo anelanelan’i Betela tao andrefana sy i Hay tao atsinanana. Nanorina alitara iray ho an’ny TOMPO teo koa izy ka nivavaka sady niantso an’Andriamanitra hoe TOMPO.


sady hampianareo hoe: «Indro i Jakôba mpanomponao manaraka ao aorianay ao.» I Jakôba manko dia niteny anakampo hoe: «Hampitoneko amin’ireo fanomezana alefako mialoha ahy ireo izy, ka aorian’izay vao hiseho eo anatrehany aho; antenaiko fa ho tsara fandray ahy izy.»


ny terak’i Betela sy i Hay dia nisy lehilahy 223;


ny terak’i Betela sy i Hay dia nisy lehilahy 123;


I Josoa kosa naniraka vatan-dehilahy avy tao Jerikao ho any Hay, izay tanàna ao atsinanan’i Betela eo akaikin’i Bety-Avena, ka nanome baiko azy mba hiakatra hisafo iny faritra iny. Dia niakatra nisafo an’i Hay ireo lehilahy ireo


Nony ampitso dia nifoha vao maraina be i Josoa ka nisafo ny tafika; avy eo dia nitarika azy hiakatra hamely an’i Hay izy sy ny loholon’i Israely.


Efa nifantina tokony ho dimy arivo lahy moa i Josoa ka nametraka azy hamitsaka teo andrefan’ny tanàna, teo anelanelan’i Betela sy i Hay.


Ary raha vao azonareo ny tanàna, dia dory amin’ny afo araka ny tenin’ny TOMPO. Izany no baiko omeko anareo.


Nandefasany koa ireo loholon’i Betela sy i Ramôta-Negeba ary i Jatira,


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra