Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Jeremia 26:5 - DIEM PROTESTANTA

5 ary mihainoa ny tenin’ireo mpaminany mpanompoko. Tsy nitsahatra naniraka azy tatỳ aminareo Aho, nefa tsy nihaino azy ianareo.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

5 ary tsy mihaino ny tenin’ny mpaminany mpanompoko izay irahiko aminareo, eny, nifoha vao maraina Aho ka naniraka, nefa tsy mba nihaino ianareo,

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

5 ary mihainoa ny tenin’ireo mpaminany mpanompoko. Tsy nitsahatra naniraka azy tatỳ aminareo Aho, nefa tsy nihaino azy ianareo.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

5 tsy mihaino ny tenin’ny mpaminany mpanompoko, irahiko ho any aminareo, sady nirahiko hatramin’ny vao maraina, kanefa tsy nohenoinareo,

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

5 ary tsy mihaino ny tenin’ny mpaminany mpanompoko, izay irahiko aminareo,–eny, nifoha maraina koa Aho ka naniraka, nefa tsy mba nihaino hianareo–

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

5 ary tsy mihaino ny tenin'ny mpaminany mpanompoko, izay irahiko aminareo, eny, nifoha maraina koa Aho ka naniraka, nefa tsy mba nihaino ianareo

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

5 ary tsy mihaino ny tenin’ny mpaminany mpanompoko izay irahiko aminareo, eny, nifoha vao maraina Aho ka naniraka, nefa tsy mba nihaino ianareo,

Jereo ny toko dika mitovy




Jeremia 26:5
20 Rohy Ifampitohizana  

Nampitandrina ny vahoakan’i Israely sy i Joda tamin’ny alalan’ny mpaminany sy mpahita rehetra ny TOMPO nanao hoe: –Ialao ny toe-dratsinareo ka tandremo ny didy sy baiko nataoko araka ny lalàna manontolo izay nandidiako ny razanareo sy nampitondraiko ireo mpaminany mpanompoko ho anareo.


Farany dia nesorin’ny TOMPO ho lavitra ny fanatrehany mihitsy ireo, araka ny nambarany tamin’ny alalan’ny mpaminany rehetra mpanompony; ka voababo lavitry ny taniny tokoa izy ho any Asiria izay mbola misy azy mandraka ankehitriny.


Tamin’izay i Jôiakima dia nandefasan’ny TOMPO andian-dahalo babilônianina sy andian-dahalo sirianina ary andian-dahalo môabita sy hamônita hamely ny tanin’i Joda ka nandrava azy araka izay nolazain’ny TOMPO tamin’ny alalan’ireo mpaminany.


Ianao no handringana ny taranak’i Ahaba tomponao fahiny, mba hamaliako ny ran’ireo mpanompoko rehetra izay nalatsak’i Jezebela, na mpaminany izy na olon-kafa.


dia ireo didy nampilazainao ny mpaminany mpanomponao. Nampitandrina Ianao hoe: ‹Ny tany, izay efa hidiranareo ho fanananareo, dia maloto satria manenika azy hatraiza hatraiza ny fahalotoana sy zava-maharikoriko fanaon’ireo firenena tompon-tany.


Fa nananatra mafy ny razanareo aho hatramin’ny andro izay nampiakarako azy hiala tany Ejipta ary manao izany mandraka androany; eny, nananatra tsy an-kiato aho milaza hoe: henoinareo izay lazaiko.


satria tsy nohenoiny akory izay nolazaiko taminy, hoy ny teny hentitra avy amiko TOMPO. Tsy nitsahatra nandefa ireo mpaminany mpanompoko tany aminy Aho, fa tsy nihaino ireny izy, hoy ny teny hentitra avy amiko TOMPO.›


Toy izay hanatrika Ahy izy, dia vao mainka niamboho Ahy. Tsy nisy nanaiky sy nihaino ny fampianarako ireo, na dia tsy nitsahatra nampianatra azy aza Aho.


Tsy nitsahatra nandefa ny mpaminany mpanompoko rehetra nifandimby nankany aminareo Aho hilaza aminareo hoe: ‹Samia miala amin’ny lalan-dratsiny ka manaova ny tsara, atsaharo ny mifikitra amin’andriamani-kafa sy manao fanompoam-pivavahana ho azy, dia hahazo honina eto amin’ny tany efa nomeko anareo sy ny razanareo ianareo.› Kanefa tsy nanongilan-tsofina tamiko sady tsy nihaino Ahy ianareo.


Dia hoy koa i Jeremià hoe: «Noho izany, dia izao no lazain’ny TOMPO Andriamanitr’izao rehetra izao sady Andriamanitr’i Israely: Indro hahatonga ny loza izay voalazako taminareo Aho, ry vahoakan’i Joda sy ry mponin’i Jerosalema. Satria efa niteny taminareo Aho fa tsy nihaino ianareo, efa niantso anareo Aho fa tsy namaly ianareo.»


Tsy nitsaha-naniraka ireo mpaminany mpanompoko tany aminareo Aho hiangavy anareo mba tsy hanao intsony ireny zavatra maharikoriko nankahalaiko ireny.


Ankehitriny dia manao ireny zava-dratsy rehetra fanaony ireny koa ianareo, hoy ny teny hentitry ny TOMPO. Efa nambarako sy naverimberiko taminareo izany nefa tsy nohenoinareo; efa nantsoiko ianareo nefa tsy namaly.


Hatry ny nialan’ny razanareo tany Ejipta ka mandraka androany, dia tsy nitsahatra Aho naniraka ny mpaminany mpanompoko rehetra tany aminareo isan’andro tsy tapaka.


«Izao no lazain’ny Tompo ANDRIANANAHARY: Ianao no ilay nambarako hatry ny fahiny elabe, fony Aho nandidy ireo mpanompoko, dia ny mpaminanin’i Israely, hilaza ny hafatro nandritra ny taona maro; ianao no nasaiko tonga hamely ny fireneny.


Satria tsy manao zavatra ny Tompo ANDRIANANAHARY, raha tsy efa mampahafantatra ny fikasany amin’ireo mpaminany mpanompony.


Nefa ny teny sy ny didy izay nomeko ny mpaminany mpanompoko dia mba nandresy lahatra ny razanareo ihany; ka niala tamin’ny ratsy izy ary niaiky fa Izaho TOMPOn’izao rehetra izao no efa nitondra azy araka izay notapahiko, dia araka izay sahaza ny toetrany sy ny asany.»


Fa amin’ny andro hitsòfan’ilay anjely fahafito ny trompetrany, dia ho tanteraka ny zava-miafina nalahatr’Andriamanitra, araka ny teny soa nambarany tamin’ireo mpaminany mpanompony.


Tezitra ireo firenena, kanefa tonga ny fahatezeranao sy ny fotoana hitsaranao ny maty; tonga ny fotoana hanomezanao valisoa ny mpaminany mpanomponao sy ny vahoakanao mbamin’ireo manaja Anao, na kely na lehibe; tonga ny fotoana hanimbanao izay olona manimba ny tany.»


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra