Nomery 25:1 - DIEM PROTESTANTA1 Nitoby tao Sitima ny Israelita ka nanomboka nijangajanga tamin’ny vehivavy môabita, Jereo ny tokoBaiboly Protestanta Malagasy 20111 Ary nitoetra tao Sitima ny Israely ka nanomboka nijangajanga tamin’ny zanakavavin’ny Moabita. Jereo ny tokoDikateny Iombonana Eto Madagasikara1 Nitoby tao Sitima ny Israelita ka nanomboka nijangajanga tamin’ny vehivavy môabita, Jereo ny tokoBaiboly Katolika1 Nandritra ny fipetrahan’i Israely tao Setima, dia rafitra nijangajanga tamin’ny zanaka vavin’i Moaba ny vahoaka, Jereo ny tokoBaiboly Protestanta Malagasy1 ARY nitoetra tao Sitima ny Isiraely, dia niantomboka nijangajanga tamin’ny zanakavavin’ny Moabita izy. Jereo ny tokoMalagasy Bible1 Ary nitoetra tao Sitima ny Isiraely, dia niantomboka nijangajanga tamin'ny zanakavavin'ny Moabita izy. Jereo ny toko |
Tahaka izany koa ireo Jodeanina nitoetra tany amin’ny Môabita sy ny Hamônita sy ny Edômita ary tany amin’ny faritra rehetra hafa, dia samy nahare fa misy ampahany amin’ny vahoaka navelan’ny mpanjakan’i Babilôna ao amin’ny fanjakan’i Joda ary nankininy tamin’i Gedalià zanakalahin’i Ahikama sy zafikelin’i Safàna.
Kanjo nikomy tamiko koa ireo zanany. Tsy narahiny ny lalànako ary tsy notandroviny hotanterahina ny fitsipiko izay mahavelona ny olona manatanteraka ireny, sady nozimbazimbainy ny andro sabatako. Koa nihevitra Aho ny hampihatra sy hampitosaka ny fahavinirako amam-pahatezerako aminy any an-taniefitra.
Ary i Josoa, zanakalahin’i Nona, dia nandefa mpitsikilo roa lahy mangingina avy tao an-tobin’i Sitima ka niteny taminy hoe: –Ndeha misafo ny tany ianareo, indrindra fa ny tanànan’i Jerikao. Nony tonga tao an-tanàna izy roa lahy, dia niditra tao an-tranon’ny vehivavy mpivaro-tena iray atao hoe Rahaba ka nandry tao.