Jeremia 7:13 - DIEM PROTESTANTA13 Ankehitriny dia manao ireny zava-dratsy rehetra fanaony ireny koa ianareo, hoy ny teny hentitry ny TOMPO. Efa nambarako sy naverimberiko taminareo izany nefa tsy nohenoinareo; efa nantsoiko ianareo nefa tsy namaly. Jereo ny tokoBaiboly Protestanta Malagasy 201113 Koa ankehitriny, hoy NY TOMPO, satria nanao izany zavatra rehetra izany ianareo, ary niteny taminareo Aho, eny, nifoha maraina koa Aho ka niteny taminareo nefa tsy nohenoinareo, ary niantso anareo Aho nefa tsy novalinareo, Jereo ny tokoDikateny Iombonana Eto Madagasikara13 Ankehitriny dia manao ireny zava-dratsy rehetra fanaony ireny koa ianareo, hoy ny teny hentitry ny TOMPO. Efa nambarako sy naverimberiko taminareo izany nefa tsy nohenoinareo; efa nantsoiko ianareo nefa tsy namaly. Jereo ny tokoBaiboly Katolika13 Ary ankehitriny rehefa nanatanteraka izany rehetra izany ianareo, - teny marin’i Iaveh, - ary rehefa niteny taminareo Aho, fa niteny taminareo hatry ny vao maraina Aho, nefa tsy nohenoinareo, ary niantso anareo Aho, nefa tsy novalianareo, Jereo ny tokoBaiboly Protestanta Malagasy13 Koa ankehitriny, hoy Jehovah, satria nanao izany zavatra rehetra izany hianareo, Ary niteny taminareo Aho, eny, nifoha maraina koa ka niteny taminareo, nefa tsy nohenoinareo, Ary niantso anareo Aho, nefa tsy novalianareo,– Jereo ny tokoMalagasy Bible13 Koa ankehitriny, hoy Jehovah, satria nanao izany zavatra rehetra izany ianareo, ary niteny taminareo Aho, eny, nifoha maraina koa ka niteny taminareo, nefa tsy nohenoinareo, ary niantso anareo Aho, nefa tsy novalianareo, Jereo ny tokoLa Bible en Malgache13 Koa ankehitriny, hoy NY TOMPO, satria nanao izany zavatra rehetra izany ianareo, ary niteny taminareo Aho, eny, nifoha maraina koa Aho ka niteny taminareo nefa tsy nohenoinareo, ary niantso anareo Aho nefa tsy novalinareo, Jereo ny toko |
Nahoana, fony tonga Aho, no tsy nahita olona; nahoana, fony niantso Aho, no tsy nisy namaly? Ny tanako ve no fohy loatra ka tsy mahavonjy? Sa Izaho no tsy manan-kery hoenti-manafaka? Indro mandrahona fotsiny Aho, dia maina ny ranomasina na manjary taniefitra ny ony. Amin’izay, noho ny tsy fisian’ny rano, dia matin-ketaheta ny trondro ka maimbo.
Tsy nitsahatra nandefa ny mpaminany mpanompoko rehetra nifandimby nankany aminareo Aho hilaza aminareo hoe: ‹Samia miala amin’ny lalan-dratsiny ka manaova ny tsara, atsaharo ny mifikitra amin’andriamani-kafa sy manao fanompoam-pivavahana ho azy, dia hahazo honina eto amin’ny tany efa nomeko anareo sy ny razanareo ianareo.› Kanefa tsy nanongilan-tsofina tamiko sady tsy nihaino Ahy ianareo.
Dia hoy koa i Jeremià hoe: «Noho izany, dia izao no lazain’ny TOMPO Andriamanitr’izao rehetra izao sady Andriamanitr’i Israely: Indro hahatonga ny loza izay voalazako taminareo Aho, ry vahoakan’i Joda sy ry mponin’i Jerosalema. Satria efa niteny taminareo Aho fa tsy nihaino ianareo, efa niantso anareo Aho fa tsy namaly ianareo.»