Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Jeremia 7:12 - DIEM PROTESTANTA

12 Mankanesa any amin’ny toerako masina any Silao izay namponenako ny voninahitro fahiny, ka jereo izay nanaovako azy noho ny haratsian’ilay Israely vahoakako.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

12 Fa mandehana ianareo any amin’ny fitoerako izay tao Silo, dia ilay nasiako ny anarako tany am-boalohany, ka jereo izay nataoko taminy noho ny haratsian’ny Israely oloko.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

12 Mankanesa any amin’ny toerako masina any Silao izay namponenako ny voninahitro fahiny, ka jereo izay nanaovako azy noho ny haratsian’ilay Israely vahoakako.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

12 Mandehana mankany amin’ilay nitoerako any Silô, izay namponenako ny Anarako fahiny, ka zahao ny nanaovako azy, noho ny haratsian’i Israely vahoakako.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

12 Fa mandehana hianareo any amin’ny fitoerako izay tao Silo, Dia ilay nasiako ny anarako tany am-boalohany, Ka jereo izay nataoko taminy Noho ny haratsian’ny Isiraely oloko.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

12 Fa mandehana ianareo any amin'ny fitoerako izay ao Silo, dia ilay nasiako ny anarako any am-boalohany, ka jereo izay nataoko taminy noho ny haratsian'ny Isiraely oloko.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

12 Fa mandehana ianareo any amin’ny fitoerako izay tao Silo, dia ilay nasiako ny anarako tany am-boalohany, ka jereo izay nataoko taminy noho ny haratsian’ny Israely oloko.

Jereo ny toko dika mitovy




Jeremia 7:12
13 Rohy Ifampitohizana  

dia hongotako ianareo, ry Israelita, tsy ho amin’ny tany izay nomeko anareo; ary hariako lavitra Ahy ity tempoly izay natokako hanajana Ahy ity. Amin’izay ianareo Israelita dia ho tonga fandatsa sy fanaraby any amin’ny firenen-kafa rehetra.


Fa raha tsy mihaino ianareo, dia horavako tahaka ny nandravako ilay tao Silao ity trano ity; ary ny tanànan’i Jerosalema dia hataoko oha-panozonana any amin’ny firenena rehetra eran-tany.»›


Noho izany ity trano izay natokana ho Ahy ity, ity trano izay ianteheranareo ity, ity toerana izay nomeko anareo sy ny razanareo ity dia hataoko tahaka ny nanaovako an’i Silao.


Amin’izay, ilay toerana hofidin’ny TOMPO Andriamanitrareo hipetrahan’ny voninahiny no hitondranareo ny zavatra rehetra nandidiako anareo: dia ny sorona dorana manontolo sy ny sorom-pihavanana ataonareo, ny fahafolon-karenareo, ny fitia tsy mba hetra foinareo, ny zavatra rehetra voafantinareo mba hanalana ny voadinareo tamin’ny TOMPO.


satria ilay toerana hofidiny eo amin’ny fokonareo rehetra mba honenany sy hipetrahan’ny voninahiny no hitadiavanareo Azy, ao ihany no halehanareo.


Taorian’ny nandresen’ny Israelita ilay tany, dia nivory tao Silao ny fiangonana israelita tsivakivolo ka tao no nananganany ny Tranolay fihaonana amin’Andriamanitra.


Ary nanao ny antsapaka teo anatrehan’ny TOMPO tao Silao i Josoa ka nizara ny tany ho an’ny Israelita araka ny anjara tandrifin’ny fokony avy.


Nokajin’ireo ilay sampin’i Mikà tamin’ny fotoana rehetra nisian’ny tranon’Andriamanitra tao Silao.


Isan-taona i Elkanà dia nandao an’i Ramà tanànany mba hivavaka sy hanao sorona amin’ny TOMPOn’izao rehetra izao tany Silao; mpisoron’ny TOMPO tao koa i Hôfnỳ sy i Pinehasa zanakalahin’i Helỳ.


Nambarany araka izany fa nesorina tamin’i Israely tokoa ny voninahitra satria efa lasan-ko babo ilay Vatamasin’Andriamanitra.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra