Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Genesisy 21:14 - DIEM PROTESTANTA

14 Dia nifoha vao maraina be i Abrahama ka naka mofo sy siny hoditra feno rano; dia nomeny an’i Hagara izany sady napetrany teo an-tsorony, ary natolony azy koa ny zaza. Dia nalefan’i Abrahama izy mianaka ka nandeha nirenireny tao an-taniefitr’i Beera-Seba.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

14 Dia nifoha vao maraina i Abrahama ka naka mofo sy siny hoditra iray feno rano; nomeny an’i Hagara ireo ka napetrany teo an-tsorony, dia natolony azy koa ny zaza ary nampandehaniny izy mianaka. Lasa nandeha izy ireo ka nirenireny tany an-tany efitr’i Bery-Sheba.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

14 Dia nifoha vao maraina be i Abrahama ka naka mofo sy siny hoditra feno rano; dia nomeny an’i Hagara izany sady napetrany teo an-tsorony, ary natolony azy koa ny zaza. Dia nalefan’i Abrahama izy mianaka ka nandeha nirenireny tao an-taniefitr’i Beera-Seba.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

14 Dia nifoha maraina koa i Abrahama, ka naka mofo sy rano eran’ny siny hoditra anankiray; nomeny an’i Agara sy nataony teo an-tsorony ireo ary ny zaza koa, dia nalefany izy. Nandeha ravehivavy ka nirenireny tany an’efitr’i Bersabea tany.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

14 Dia nifoha maraina koa Abrahama ka naka mofo sy siny hoditra iray feno rano, ary nomeny an’i Hagara ka napetrany teo an-tsorony, ary natolony azy koa ny zaza, dia nampandehaniny izy mianaka; ary lasa nandeha izy ka nirenireny tany an-efitr’i Beri-sheba.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

14 Dia nifoha maraina koa Abrahama ka naka mofo sy siny hoditra iray feno rano, ary nomeny an'i Hagara ka napetrany teo an-tsorony ary natolony azy koa ny zaza, dia nampandehaniny izy mianaka; ary lasa nandeha izy ka nirenireny tany an-efitr'i Beri-sheba.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

14 Dia nifoha vao maraina i Abrahama ka naka mofo sy siny hoditra iray feno rano; nomeny an’i Hagara ireo ka napetrany teo an-tsorony, dia natolony azy koa ny zaza ary nampandehaniny izy mianaka. Lasa nandeha izy ireo ka nirenireny tany an-tany efitr’i Bery-Sheba.

Jereo ny toko dika mitovy




Genesisy 21:14
28 Rohy Ifampitohizana  

Hitan’ny anjelin’ny TOMPO teo akaikin’ny loharano iray tao an-taniefitra izy, dia teo amin’ny lalana mankany Sora,


Ary nifoha maraina i Abrahama nony ampitso, ka nankany amin’ny toerana nifanatrehany tamin’ny TOMPO.


Kanefa ilay zanakalahin’ny mpanompovavinao koa dia hataoko tonga firenena, satria taranakao izy.


Rehefa tapitra ny rano tao amin’ny siny hoditra, dia navelan’i Hagara teo am-pototry ny hazo iray ny zaza;


Izany no niantsoana io toerana io hoe Beera-Seba, satria teo izy roa lahy no nanao fianianana.


Ary i Abrahama namboly hazo voamadilo tao Beera-Seba, ka teo no nivavahany tamin’ilay Andriamanitra mandrakizay sy niantsoany Azy hoe TOMPO.


Dia niverina nankeny amin’ny zatovony i Abrahama. Niainga izy rehetra ka niaraka nankany Beera-Seba; dia teo no niorim-ponenana i Abrahama.


Dia nifoha vao maraina be i Abrahama nony ampitso. Namaky kitay hanaovana sorona izy, dia nanisy lasely ny borikiny ary niainga ho any amin’ny toerana izay voatondron’Andriamanitra. Nentiny niaraka taminy koa ny zatovony roa lahy sy i Itsehàka zanany lahy.


Izay vao nihinana sy nisotro ilay mpanompon’i Abrahama sy ireo olona niaraka taminy; avy teo dia lasa natory. Ny ampitso maraina, rehefa nifoha izy ireo, dia hoy ilay mpanompon’i Abrahama hoe: –Alefaso àry aho hiverina any amin’ny tompoko.


Dieny mbola velona kosa i Abrahama no samy notolorany fanomezana ireo zanaky ny vadikeliny ary nampanalaviriny an’i Itsehàka zanany hankany amin’ny tany atsinanana.


Nifoha maraina avy izy ireo ny ampitso ary samy nifanao velirano. Avy eo nalefan’i Itsehàka izy telo mianaka, ka lasa nody ombàm-piadanana.


Nantsoin’i Itsehàka hoe Sibehà (na hoe Fianianana) ilay fantsakana. Izany no nanaovana ny anaran’ny tanàna hoe Beera-Seba na hoe Fantsakana fianianana mandraka androany.


Dia nifoha vao maraina i Jakôba, ary nalainy ilay vato nataony ondana ka naoriny ho tsangambato ary nohosorany menaka teo an-tampony.


dia nisy lehilahy iray nahita azy nirenireny eran’ny tanety ka nanontany azy hoe: –Fa inona no tadiavinao?


Niainga i Jakôba sy izay rehetra azy ka tonga tao Beera-Seba; dia nanao sorona teo izy ho an’ilay Andriamanitr’i Itsehàka rainy.


Dia natahotra i Elià, ka nitsoaka nandositra namonjy ny ainy. Tonga tany Beera-Seba izay any Joda izy, ary navelany tao ny mpanompony.


Ny ampitso dia nifoha maraina koa i Hezekià mpanjaka, ka namory ny manampahefan’ny tanàna, dia niakatra ho ao an-tranon’ny TOMPO.


Tao ireo nirenireny tany an-taniefitra aman-tany foana, tsy nahita tanàna honenana akory,


Dodona aho fa tsy mitaredretra amin’ny fitandremana ny didinao.


Izay manaitra namana vao maraina be satria niarahaba azy tamim-peo mahery dia tahaka ny manozona azy.


Toy ny vorona miriorio lavitry ny akaniny ny olona mirenireny lavitry ny fonenany.


Ampiasao ny herinao hanatanterahanao izay rehetra azonao atao, fa any amin’ny toeran’ny maty izay halehanao tsy mba misy asa na famoronan-javatra na fahalalana na fahendrena.


Simba ny zaridaina ao Hesbôna sy ny voly voaloboka ao Sibmà, kanefa ny divainy no nahamamo ny andrian’ireo firenena. Nitatra hatrany Jahizera izany voly voaloboka izany, ka nisandrahaka hatrany an-taniefitra; ary ny sampany nandadilady hatrany ampitan’ny Ranomasina Maty.


Tsy hijanona ao an-trano lalandava ny mpanompo, fa ny zanaka no mijanona ao lalandava.


Ny ampitso dia nifoha vao maraina i Josoa mbamin’ireo Israelita rehetra ka nandao ny tobin’i Sitima ary nankany amoron’i Jôrdàna, dia nijanona teo alohan’ny hiampitany.


Ny ampitso vao maraina, dia lasa nitady an’i Saoly i Samoela. Nisy nampandre an’i Samoela fa tonga tao Karmela i Saoly, dia nanangana tsangambato ho an’ny tenany ary lasa indray nidina hatrany Gilgala.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra