Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Genesisy 21:15 - DIEM PROTESTANTA

15 Rehefa tapitra ny rano tao amin’ny siny hoditra, dia navelan’i Hagara teo am-pototry ny hazo iray ny zaza;

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

15 Rehefa lany ny rano tao amin’ny siny hoditra dia nariany teo am-pototry ny hazo iray ny zaza.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

15 Rehefa tapitra ny rano tao amin’ny siny hoditra, dia navelan’i Hagara teo am-pototry ny hazo iray ny zaza;

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

15 Nony lany ny rano tamin’ilay siny hoditra, dia nariany teo am-poto- kazo kely anankiray ny zaza;

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

15 Ary rehefa lany ny rano tao amin’ny siny hoditra, dia nariany teo ampototry ny hazo kely anankiray ny zaza.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

15 Ary rehefa lany ny rano tao amin'ny siny hoditra, dia nariany teo ampototry ny hazo kely anankiray ny zaza.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

15 Rehefa lany ny rano tao amin’ny siny hoditra dia nariany teo am-pototry ny hazo iray ny zaza.

Jereo ny toko dika mitovy




Genesisy 21:15
9 Rohy Ifampitohizana  

Dia nifoha vao maraina be i Abrahama ka naka mofo sy siny hoditra feno rano; dia nomeny an’i Hagara izany sady napetrany teo an-tsorony, ary natolony azy koa ny zaza. Dia nalefan’i Abrahama izy mianaka ka nandeha nirenireny tao an-taniefitr’i Beera-Seba.


dia lasa izy nipetraka tandrifiny tery lavidavitra tokony ho tratry ny zana-tsipîka, fa hoy izy anakampo hoe: «Aza hitako anie izay hahafatesan’ny zaza.» Fony nipetraka tandrifin’ny zaza izy, dia nanandra-peo nitomany.


Fa hoy ravehivavy namaly: –Velona ny TOMPO Andriamanitrao, koa mianiana aho fa tsy manana mofo mihitsy; ny sisa ananako dia lafarinina eran’ny tanan’ila ao anaty tsatokaty sy menaka kely amin’ny tavoara. Koa rehefa avy maka kitay aho, dia hody hikarakara an’ireo mba ho ahy sy ho an’ny zanako lahy; dia hohaninay izany, ary hiandry ny hahafatesanay izahay.


Dia niainga ny mpanjakan’i Israely sy ny mpanjakan’i Joda ary ny mpanjakan’i Edôma. Rehefa nandeha lalana fito andro ireo, dia tsy nahita rano intsony ho an’ny miaramila sy ny biby niaraka taminy.


Salamo nataon’i Davida, fony izy tany an-taniefitr’i Joda .


Ny mpanefy manapaka takela-by, dia mandefa azy ao anaty afo sy mamolavola azy amin’ny tantanana ka miasa amin’ny sandriny mahery; avy eo dia noana sy ketraka izy, tsy misotro rano ka reraka.


Irahin’ny lehibe mba haka rano ireo mpiasa madinika; tonga eo amin’ny lavaka fantsakana izy nefa tsy mahita rano intsony ka miverina mitondra siny foana, dia menatra sy mangaihay ary diso fanantenana.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra