Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Hosea 7:3 - DIEM PROTESTANTA

Manafim-paharatsiana sy fiokoana izy no mamalifaly ny mpanjaka sy ny mpifehy.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Amin’ny asa ratsy ataony no ampifaliany ny mpanjaka ary amin’ny laingany no ampifaliany ny mpanapaka.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Manafim-paharatsiana sy fiokoana izy no mamalifaly ny mpanjaka sy ny mpifehy.

Jereo ny toko

Baiboly Katolika

Ny mpanjaka, falifaliany amin’ny haratsiany; ary ny mpifehy amin’ny laingany.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Amin’ny faharatsiany no ampifaliany ny mpanjaka, Ary amin’ny laingany ny mpanapaka.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Amin'ny faharatsiany no ampifaliany ny mpanjaka, ary amin'ny laingany ny mpanapaka.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Amin’ny asa ratsy ataony no ampifaliany ny mpanjaka ary amin’ny laingany no ampifaliany ny mpanapaka.

Jereo ny toko



Hosea 7:3
16 Rohy Ifampitohizana  

Ilay iraka izay nandeha naka an’i Mikaià kosa dia niteny taminy hoe: –Indro efa iray teny avokoa izao ireo mpaminany, ka milaza soa ho an’ny mpanjaka; enga anie ny teninao mba ho tahaka ny azy, ka hilaza soa ihany koa.


Ary novorin’ny mpanjakan’i Israely ny mpaminaniny tokony ho efajato ka nanontaniany hoe: –Handeha hanafika an’i Ramôta-Gilehada ve aho, sa tsia? Dia novalian’ireo hoe: –Mandehana fa hatolotry ny Tompo eo an-tananao ny tanàna.


Ary nankaiza ireo mpaminany izay naminany teo aminareo fa tsy ho tonga hanafika anareo na ity tanàna ity ny mpanjakan’i Babilôna?


maminany lainga ny mpaminany, mitady ny tombontsoany ny mpisorona, ary ny vahoakako mankasitraka izany. Koa rehefa tonga ny farany, inona kosa no hataonareo?


«Toy ny tsipîka mihenjana ny lelany, hoy ny teny hentitry ny TOMPO. Lainga fa tsy toetra mahatoky no anjakany eo amin’ny tany. Mandroso miharatsy hatrany izy, ary Izaho kosa tsy fantany.


Faharatsiana kosa no nambolenareo ka nijinja heloka ianareo ary nihinana ny vokatry ny lainga. «Ry Israely ô, ny herinao no nitokianao ary koa ny habetsahan’ny miaramilanao.


Fa mitombo ny fanozonana olona sy ny famitahana azy ary ny famonoana azy ho faty, mbamin’ny halatra sy ny fanitsakitsaham-bady; mifandimby ny ra latsaka.


Ampahorîna i Efraîma, voahitsakitsaka ny zony satria ninia nanenjika zava-manodoka izy.


Amin’ny andro fankalazana ny fetin’ny mpanjakany dia ny herin’ny divay no mamparary ireo mpifehy; ka olona mpaniratsira no raisin’ny mpanjaka tanana,


Fa tandremanareo fatratra ny ohatra ratsy nasehon’i Hômrỳ mpanjaka sy ny fihetsiky ry i Ahaba mianakavy, ka narahinareo ny fomba amam-panaony. Noho izany, dia hatolotro horavana ity renivohitrareo ity ary ho fihomehezana ianareo mponina ao aminy; ka ianareo no hitondra ny latsa mianjady amin’ny vahoakako.»


Vonona hanao ratsy ny tanany; ny mpitondra sy ny mpitsara mitaky tsolotra; ary ny lehibe milaza izay zavatra iriny, ka miara-miteti-dratsy hahatanteraka azy,


Mendrika ho faty ny olona manao ny asa toy ireny: didim-pitsarana navoakan’Andriamanitra izany, ary fantatr’izy ireo tsara. Nefa izy ireo dia mbola manao ihany, ary izay manao koa ankasitrahiny.


Ireny mpaminany sandoka ireny dia anisan’izao tontolo izao, ka izany no itenenany zavatra avy amin’izao tontolo izao sy ihainoan’izao tontolo izao azy.