Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Hosea 4:2 - DIEM PROTESTANTA

2 Fa mitombo ny fanozonana olona sy ny famitahana azy ary ny famonoana azy ho faty, mbamin’ny halatra sy ny fanitsakitsaham-bady; mifandimby ny ra latsaka.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

2 fa fanozonana sy lainga, famonoana sy halatra ary fijangajangana kosa; eny, manao an-keriny izy ary tsy mitsahatra ny mandatsa-dra.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

2 Fa mitombo ny fanozonana olona sy ny famitahana azy ary ny famonoana azy ho faty, mbamin’ny halatra sy ny fanitsakitsaham-bady; mifandimby ny ra latsaka.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

2 Fa ny olona dia mivadika fianianana, mandainga, mamono, mangalatra, maka vadin’olona; ary manao an-keriny, ka ny ra nalatsaka mifanolotra ny ra nalatsaka.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

2 Fa fianianana sy lainga sy vonoana Sy halatra sy fijangajangana kosa, Eny, manao an-keriny izy ka mifanontona ny fandatsahan-dra.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

2 Fa fianianana sy lainga sy vonoana sy halatra sy fijangajangana kosa, eny, manao an-keriny izy ka mifanontona ny fandatsahan-drà.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

2 fa fanozonana sy lainga, famonoana sy halatra ary fijangajangana kosa; eny, manao an-keriny izy ary tsy mitsahatra ny mandatsa-dra.

Jereo ny toko dika mitovy




Hosea 4:2
42 Rohy Ifampitohizana  

Dia hoy i Kaina tamin’i Abela rahalahiny: –Andeha isika ho any an-tsaha. Nony mby tany an-tsaha izy ireo, dia niantoraka teny amin’i Abela rahalahiny i Kaina ka namono nahafaty azy.


Ny tany dia voaloton’ny mponina ao aminy fa nandika ny lalànan’ny Tompo ireny, tsy nanaraka ny fitsipika fa nivadika tamin’ny fanekempihavanana izay maharitra mandrakizay.


Henoy izao, ry firenen’i Jakôba, dia ianareo izay mitonon-tena ho Israely sy taranaka nipoitra avy tamin’i Joda, ianareo izay mianiana amin’ny anaran’ny TOMPO ka miantso ny anaran’Andriamanitr’i Israely nefa tsy araka ny fahamarinana sy ny fahitsiana.


Satria manenika an’i Babilônia ny fahotany tamin’ilay Masin’i Israely. –Ilay Andriamanitra TOMPOn’izao rehetra izao kosa tsy mba namela an’i Israely sy i Joda ho mpitondratena.–


Mampiboiboika ny faharatsiany toy ny fantsakana mamoaka rano izy. Herisetra sy famoretana no mba re ao. Ratra sy fijaliana no hitako ao mandrakariva.


Fahotan’ny mpaminaniny sy heloky ny mpisorony izay nahafaty ny mpivavaka marina tao an-tanàna no nahatonga izany fahavoazana izany.


Manamboara rojo fandrohizana fa feno vonoan’olona ny tany ary feno herisetra ny tanàna.


Faharatsiana kosa no nambolenareo ka nijinja heloka ianareo ary nihinana ny vokatry ny lainga. «Ry Israely ô, ny herinao no nitokianao ary koa ny habetsahan’ny miaramilanao.


Miteniteny foana izy no mianian-tsy tò sady manao fifanekena, ka ny rariny dia nitrebona toy ny zava-maniry misy poizina eny an-tsaha voaasa eny.


Fa mpaminany kosa no nentin’ny TOMPO nampiakatra an’i Israely niala tany Ejipta, ary mpaminany no nataony mpiandry azy.


ary lavaka lalina tao Setima. «Fa Izaho kosa, hoy ny TOMPO, hanome famaizana ho anareo rehetra.


I Gilehada dia tanànan’ny mpanao ratsy, izay mamela dian-dra amin’ny falehany.


Tahaka ny jiolahy manotrika no ataon’ny andia-mpisorona ka amonoany olona ho faty eny an-dalana mankany Sekema; zava-mahatsiravina afitsony!


ka te hanasitrana an’i Israely, dia miseho amiko ny heloky ny Efraîmita sy ny haratsian’ny olon’i Samaria. Fa manao fisolokiana ireo; miditra an-trano ny mpangalatra, manendaka an-dalambe ny jiolahy.


Manafim-paharatsiana sy fiokoana izy no mamalifaly ny mpanjaka sy ny mpifehy.


Samy mpanitsakitsa-bady avokoa izy, ka toy ny lafaoro voafana loatra izay tsy soronan’ny mpanendy mofo intsony hatramin’ny namolavolany ny koba ka mandra-pibontsiny.


Kanefa dia ny tsara no halanareo ary ny ratsy no tianareo, ka endahanareo mbamin’ny hoditry ny olona sy ny nofony mandrakotra ny taolany.


Ry mpitondra ny taranak’i Jakôba, eny, ry mpitsara ny vahoakan’i Israely, henoinareo re izao: Halanareo fatratra ny rariny, ary avadikareo ny hitsiny rehetra.


Moa hohadinoiko ve ny harena maloto nangonin’ny ratsy fanahy ao an-tranony sy ny famarana tsy ampy? Zavatra mahatsiravina izany!


Fa foana teo amin’ny tany ny olona tena mpivavaka; ary tsy misy olo-marina intsony eo amin’ny olombelona. Samy manotrika handatsa-dra avokoa izy rehetra; ary samy mihaza mpiray tampo amin’ny fandrika harato ny tsirairay.


Lozan’i Jerosalema ilay tanàna mpikomy, feno fahalovana sy fampahoriana!


Ka hoy izy tamiko: –Izany no ozona miainga hipaka amin’ny tany manontolo. Fa araka ny voasoratra eo amin’ny lafiny iray, ny mpangalatra rehetra dia horoahina hiala amin’ity tany ity; ary amin’ny lafiny hafa kosa, izay rehetra mianiana lainga dia hatao araka izany koa.


Koa hitambesatra aminareo ny ratsy natao tamin’ny olo-marina rehetra nalatsa-dra teto amin’ity tany ity, nanomboka tamin’i Abela olo-marina ka niafara tamin’i Zakarià zanakalahin’i Barakià, ilay novonoinareo teo anelanelan’ny Toeramasina sy ny alitara fisoronana.


Iza moa no mpaminany tsy nenjehin’ny razanareo? Novonoiny hatramin’ireo mpanambara ny hahatongavan’ilay Marina aza: ary ankehitriny dia ianareo mihitsy no nanjary mpamadika sy mpamono ilay Marina.


«Aza manonom-poana ny anarako ianao, fa Izaho TOMPO Andriamanitrao dia tsy hamela ho afa-potsiny izay manonom-poana ny anarako.


«Aza manitsakitsa-bady na maka vadin’olona.


Namono nahafaty an’i Jesoa Tompo sy ny mpaminany ry zareo Jiosy sady nanenjika anay; ka tsy mahazo sitraka amin’Andriamanitra ireo sady fahavalon’ny olona rehetra.


Hitako ravehivavy fa boboky ny ran’ireo vahoakan’Andriamanitra, boboky ny ran’ireo vavolombelona nanambara an’i Jesoa ka novonoina ho faty noho izany. Gaga dia gaga tokoa aho nahita an-dravehivavy;


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra