Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Hosea 7:4 - DIEM PROTESTANTA

4 Samy mpanitsakitsa-bady avokoa izy, ka toy ny lafaoro voafana loatra izay tsy soronan’ny mpanendy mofo intsony hatramin’ny namolavolany ny koba ka mandra-pibontsiny.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

4 Samy mpaka vadin’olona avokoa izy rehetra ka toy ny fatana voafanan’ny mpanao mofo izay mitsahatra tsy misorona afo hatramin’ny ametafetany ny koba ka ambara-pitombony.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

4 Samy mpanitsakitsa-bady avokoa izy, ka toy ny lafaoro voafana loatra izay tsy soronan’ny mpanendy mofo intsony hatramin’ny namolavolany ny koba ka mandra-pibontsiny.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

4 Izy rehetra mpaka vadin’olona avokoa, hoatra ny fatana nampirehetin’ny mpanao mofo afo, izay mitsahatra tsy misorona afo, hatramin’ny nametafetany ny koba ka mandra-pivontony.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

4 Samy mpaka vadin’olona avokoa izy rehetra Ka toy ny fatana voafanan’ny mpanendy mofo, Izay mitsahatra tsy misorona afo Hatramin’ny ametafetany ny koba ka ambara-pitombony.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

4 Samy mpaka vadin'olona avokoa izy rehetra ka toy ny fatana voafanan'ny mpanendy mofo, izay mitsahatra tsy misorona afo hatramin'ny ametafetany ny koba ka ambara-pitombony.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

4 Samy mpaka vadin’olona avokoa izy rehetra ka toy ny fatana voafanan’ny mpanao mofo izay mitsahatra tsy misorona afo hatramin’ny ametafetany ny koba ka ambara-pitombony.

Jereo ny toko dika mitovy




Hosea 7:4
10 Rohy Ifampitohizana  

«Feno olona mijangajanga ny tany. Mirohotra amin’ny faharatsiana izy ary feno fahasahiana hanao tsy rariny. Noho izany, misaona ny tany ary tonga maina ny kijàna.


Raha izao aho no manan-toerana any an-taniefitra tahaka ny fialofan’ireo mpivezivezy, dia hilaozako ny fireneko ka handeha lavitra azy aho. Satria samy mpijangajanga avokoa sy mpamadika mpiray tetika izy rehetra.


«Toy ny tsipîka mihenjana ny lelany, hoy ny teny hentitry ny TOMPO. Lainga fa tsy toetra mahatoky no anjakany eo amin’ny tany. Mandroso miharatsy hatrany izy, ary Izaho kosa tsy fantany.


Hihinana ihany izy fa tsy ho voky, hivaro-tena ihany izy fa tsy hanan-janaka, satria Izaho TOMPO efa tsy nahoany intsony.


Mila saina amin’ny tapa-kazony ny oloko; ary ny tehiny no manoro hevitra azy. Fa rivotry ny fivarotan-tena no mitsoka eo aminy ka mampania azy. Koa dia lasa nivaro-tena niala tamin’Andriamaniny izy.


Fa mitombo ny fanozonana olona sy ny famitahana azy ary ny famonoana azy ho faty, mbamin’ny halatra sy ny fanitsakitsaham-bady; mifandimby ny ra latsaka.


Tsy mety ve ny fireharehànareo! Tsy fantatrareo ve ilay ohabolana hoe: «Leviora kely foana dia mampibohaka ny koba manontolo»?


Olona mivadika amin’Andriamanitra ianareo! Tsy fantatrareo ve fa izay misakaiza amin’izao tontolo izao dia fahavalon’Andriamanitra? Koa na iza na iza te ho sakaizan’izao tontolo izao, dia mampahatonga ny tenany ho fahavalon’Andriamanitra.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra