Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Mika 7:3 - DIEM PROTESTANTA

3 Vonona hanao ratsy ny tanany; ny mpitondra sy ny mpitsara mitaky tsolotra; ary ny lehibe milaza izay zavatra iriny, ka miara-miteti-dratsy hahatanteraka azy,

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

3 Vonona hanao ratsy ny tanany; be fitakiana ny mpitondra, miaina amin’ny kolikoly ny mpitsara ary maneho ny fitsiriritany ny lehibeny, koa izy rehetra dia miray tsikombakomba.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

3 Vonona hanao ratsy ny tanany; ny mpitondra sy ny mpitsara mitaky tsolotra; ary ny lehibe milaza izay zavatra iriny, ka miara-miteti-dratsy hahatanteraka azy,

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

3 Ny ratsy dia efa eo ny tanana hahatontosa azy; ny mpanapaka, mamoritra; ny mpitsara, mametra izay kolikoly ho azy, ary ny lehibe mampiharihary ny fitsiriritany; dia indray mifoko hanao ny ratsy izy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

3 Vonona hanao ratsy ny tànany; Mila ny mpanapaka, Azon-kolikoly ny mpitsara, Ary ny lehibe milaza ny fitsiriritan’ny fanahiny, Koa izany no entiny mandrarirary azy.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

3 Vonona hanao ratsy ny tànany; Mila ny mpanapaka, Azon-kolikoly ny mpitsara, Ary ny lehibe milaza ny fitsiriritan'ny fanahiny, Koa izany no entiny mandrarirary azy.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

3 Vonona hanao ratsy ny tanany; be fitakiana ny mpitondra, miaina amin’ny kolikoly ny mpitsara ary maneho ny fitsiriritany ny lehibeny, koa izy rehetra dia miray tsikombakomba.

Jereo ny toko dika mitovy




Mika 7:3
26 Rohy Ifampitohizana  

Izay mikimpy maso sy manaikitraiki-molotra dia miteti-dratsy sy mikasa anao izany.


Mandray kolikoly mangingina ny olon-dratsy hamadihany ny fizotran’ny ara-drariny.


Mpikomy ireo mpanapaka anao, sady mpiray tsikombakomba amin’ny mpangalatra. Samy tia tsolotra izy rehetra, ary mpandray kolikoly avokoa. Ny kamboty tsy entiny ara-drariny ary ny adin’ny mpitondratena tsy tsarainy.


Fa indro ny TOMPO mivoaka ny fonenany mba hanadina ny mponina amin’ny tany momba ny heloka vitany. Hasehon’ny tany ireo ra notrohiny ary tsy hafeniny intsony ireo novonoina ho faty teo aminy.


Dia hifanjevo izy samy mpiray firenena; hifampisompatra ny olona ka hifamely, ny tanora hirehareha amin’ny antitra, ary ny olon-tsotra hanohitra ny olo-manan-kaja.


Ny fangoloka kosa manana fitaovana ratsy, mamorona teti-dratsy hamelezana ny malahelo amin’ny filazana zavatra hosoka rehefa mitaky ny hitsiny ny mahantra.


Manamarina ny olon-dratsy amin’ny fandraisana tsolotra izy ireny ary manala ny rariny amin’ny olo-marina.


mbola ho tezitra amiko ihany ve ianao ka hitahiry alahelo amiko hatrany?» Izany no teninao tamiko, nefa tsy nitsahatra nanao ratsy ianao, sady tena havanana tamin’izany.


«Adala tokoa ny vahoakako fa tsy mahalala Ahy», hoy ny Tompo. Ankizy tsy misaina ireo, tsy mahatakatra na inona na inona, tsy kinga afa-tsy amin’ny fanaovan-dratsy fa raha izay hanao ny tsara tsy hainy.


Ary noho izany, hoy ny Tompo, dia homeko ny hafa ny vadiny ary ny sahany ho an’izay maka azy. Satria izy rehetra na ny kely na ny lehibe dia samy mitady tombontsoa avokoa. Na ny mpaminany na ny mpisorona dia samy mpamitaka avokoa.


Ao aminao misy manaiky hotambazam-bola mba hamono olona, misy mampindram-bola hakana zanany tafahoatra sy mangoron-karena tamin’ny fandrobana ny namany, ka manadino Ahy mihitsy. Teny hentitra avy amiko Tompo ANDRIANANAHARY izany.


Lian-dra tahaka ny amboadia mamiravira haza ireo mpitondra ny vahoaka, ka mamono olona ho faty mba hangoronan-karena tsy an-drariny.


«Ao aminao dia samy manampatra fahefana ny mpitondra ary mamono olona.


Natositosikareo matanjaka tamin’ny sorokareo sy ny tehezanareo ireo ondry osaosa rehetra, ary nototoin’ny tandrokareo ambara-pandroakanareo azy ho any ivelan’ny tanim-bilona.


Ary namaly ahy Izy hoe: –Tsy hita lany mihitsy ny heloka nataon’ny fanjakàn’i Israely sy i Joda: feno vonoan’olona ny tany sady feno fitsarana miangatra ny tanàna. Ary ny olona dia nifampiteny hoe: «Efa nandao ny tanintsika ny TOMPO ka tsy mahita antsika.»


hanapitra ny fibobohany hampahery mijangajanga azy; fa tia fahafaham-baràka ireo filohany.


Manafim-paharatsiana sy fiokoana izy no mamalifaly ny mpanjaka sy ny mpifehy.


Hoy koa ny Tompo hoe: «Fantatro fa marobe ireo helokareo ary mahatsiravina ireo fahotanareo; ianareo no mpandray tsolotra sy mpanenjika ny olo-marina, ka manodinkodina ny zon’ny mahantra eo amin’ny fitsarana,»


fa hoy kosa ny TOMPO aminareo: «Nitsangan-ko fahavalon’ny vahoakako ianareo; ka ny lehilahy miverina avy any an’ady sy mandalo tsy manana ahiahy no endahanareo ny akanjobeny.


Ny mpitondra azy mitsara mba hahazoana tsolotra; ny mpisorony mampianatra ny lalàna mba hahazoana karama; ary ny mpaminaniny manambara ny ho avy mba hahazoana vola. Kanefa dia mbola miankina amin’ny TOMPO ihany ireo ka miteny hoe: «Tsy eto anivontsika ve ny TOMPO? Tsia, tsy hisy loza hanjo antsika.»


Kanefa dia ny tsara no halanareo ary ny ratsy no tianareo, ka endahanareo mbamin’ny hoditry ny olona sy ny nofony mandrakotra ny taolany.


ka nanao taminy hoe: –Homenareo hoatrinona aho hanolorako anareo an’i Jesoa? Dia nanisa sekela volafotsy telopolo homena an’i Jodasy ry zareo.


Noho izany, aza mitsara olona alohan’ny fotoana, dia mandra-piavin’ny Tompo: Izy no hampiharihary ireo zavatra afenina anatin’ny maizina sy hampiseho ireo hevitry ny fon’ny olombelona. Ka amin’izay dia samy homen’Andriamanitra ny dera tandrify azy avy ny tsirairay.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra