Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Mika 7:4 - DIEM PROTESTANTA

4 Ny tsara indrindra aminy dia toy ny roy, ary ny mahitsy indrindra aminy dia ratsy noho ny fefy tsilo. Ho avy ny andro famaizana anareo araka ny nambaran’ireo mpaminany mpitilinareo; ary, ankehitriny aza, dia efa manahy mafy ianareo.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

4 Na dia ny tsara indrindra ao aminy aza dia toy ny voaroy madinidinika misy tsilotsilony ary na dia ny mahitsy indrindra ao aminy aza dia ratsy noho ny fefy tsilo. Avy ny andro nambaran’ny mpitilinao fa hamaliana anao. Amin’izany dia ho very hevitra izy ireo.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

4 Ny tsara indrindra aminy dia toy ny roy, ary ny mahitsy indrindra aminy dia ratsy noho ny fefy tsilo. Ho avy ny andro famaizana anareo araka ny nambaran’ireo mpaminany mpitilinareo; ary, ankehitriny aza, dia efa manahy mafy ianareo.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

4 Ny tsara indrindra aminy, no toy ny tsilo; ny mahitsy indrindra, ratsy noho ny fefy roy. - Tonga ny andro voalazan’ny tilinao, tonga ny andro famaizana anao; amin’izao dia efa safo-kenatra izy ireo! -

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

4 Na dia ny tsara indrindra ao aminy aza dia toy ny roy, Ary na dia ny mahitsy indrindra ao aminy aza dia ratsy noho ny fefy tsilo; Avy ny andron’ny tilinao, izay hamaliana anao; Amin’izany dia vao ho very hevitra hianao.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

4 Na dia ny tsara indrindra ao aminy aza dia toy ny roy, Ary na dia ny mahitsy indrindra ao aminy aza dia ratsy noho ny fefy tsilo; Avy ny andron'ny tilinao, izay hamaliana anao; Amin'izany dia vao ho very hevitra ianao.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

4 Na dia ny tsara indrindra ao aminy aza dia toy ny voaroy madinidinika misy tsilotsilony ary na dia ny mahitsy indrindra ao aminy aza dia ratsy noho ny fefy tsilo. Avy ny andro nambaran’ny mpitilinao fa hamaliana anao. Amin’izany dia ho very hevitra izy ireo.

Jereo ny toko dika mitovy




Mika 7:4
16 Rohy Ifampitohizana  

Amin’ny andro famalian’ny TOMPO, raha ho tonga avy any lavitra ny rambondanitra handrava, inona no azonareo atao, aiza no handosiranareo hitadiavam-bonjy ary aiza no hametrahanareo ny harenareo?


Satria amin’ity andro anio ity ny Tompo ANDRIAMANITR’izao rehetra izao no mandefa fisavoritahana sy faharesena ary fahaverezan-kevitra ho antsika.» Rava ny manda eo amin’ny lohasahan’ny fahitana ary manako hatrany an-tendrombohitra ny antso vonjy!


Ny hazo kipreso no haniry ho solon’ny tsilo, ary ny rotra no haniry ho solon’ny amiana. Ho voninahitra ho an’ny TOMPO izany, ka ho famantarana tsy hokosehina na oviana na oviana ny amin’izay nataony ho anareo.»


Zava-poana sy asa mahatsikaiky ireny; fa amin’ny andro hamaizana azy, dia ho levona izy.


Tsy hisy sisa velona amin’ny mponin’i Hanatôta amin’ny taona hirotsahako an-tsehatra hamely azy ka handefasako loza aminy.


Voakarakara toa ombilahy kely mifahy ireo miaramila mpikarama an’ady tao Ejipta. Nefa, na ireo koa aza, nihemotra ka samy lasa nandositra avokoa. Tsy nisy nahajoro nony tonga ny andro mahory izay hirotsahako an-tsehatra hamely azy.


Tokony hahamenatra azy ny zava-maharikoriko nataony; nefa tsy menatra akory izy sady tsy mahatsapa ny hadisoany. Noho izany, hoy ny TOMPO, dia ho isan’ireo ho lavo izy; ka amin’ny andro hamaliako azy, dia hitrosina amin’ny tany izy.


«Ary ianao, ry ilay taranak’olombelona, aza matahotra ny tenany na ny teniny. Hanohitra anao ireo, ka ho toy ny eo anivon’ny tsilo sy ny maingoka ianao; kanefa aza matahotra noho ny tenin’io vahoaka maditra io na mivadi-po noho ny fihetsiny.


«Ireo firenena manodidina an’i Israely dia tsy hisy hanao tsinontsinona azy intsony. Tsy hamelively azy intsony ireo ka mova tsy roy manindrona na tsilo mandrangotra. Amin’izay dia hoekena fa Izaho no TOMPO.


Dia nanontany ahy Izy hoe: –Inona no hitanao, ry Hamôsa? Ka novaliako hoe: –Voankazo masaka iray harona! Dia hoy ny TOMPO tamiko: –Tonga ny farany ho an’ny Israely vahoakako, tsy holeferiko intsony ny fahadisoany.


Tahaka ny tsilo misafotofoto ry zareo izay miboboka mandra-pahamamony ka ho levon’ny afo toy ny ahi-maina.


–Hisy famantarana koa eny amin’ny masoandro sy ny volana ary ny kintana; ary etỳ an-tany dia ho ory sy ho very hevitra ny firenena noho ny ranomasina hikotrokotroka sy hanonja izaitsizy.


Fa izay tany maniry tsilo sy songosongo kosa dia tsy misy antony sady efa hiharan’ny ozon’Andriamanitra; ary hodorana no hiafarany.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra