Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




1Jaona 4:5 - DIEM PROTESTANTA

5 Ireny mpaminany sandoka ireny dia anisan’izao tontolo izao, ka izany no itenenany zavatra avy amin’izao tontolo izao sy ihainoan’izao tontolo izao azy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

5 Isan’izao tontolo izao ireny ka miteny araka ny an’izao tontolo izao izy ary mihaino azy izao tontolo izao.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

5 Ireny mpaminany sandoka ireny dia anisan’izao tontolo izao, ka izany no itenenany zavatra avy amin’izao tontolo izao sy ihainoan’izao tontolo izao azy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

5 Avy amin’izao tontolo izao izy ireny, ka izany no anaovany fitenin’izao tontolo izao, sy ihainoan’izao tontolo izao azy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

5 Isan’izao tontolo izao ireny, ka dia miteny araka ny an’izao tontolo izao izy, ary mihaino azy izao tontolo izao.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

5 Isan'izao tontolo izao ireny, ka dia miteny araka ny an'izao tontolo izao izy, ary mihaino azy izao tontolo izao.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

5 Isan’izao tontolo izao ireny ka miteny araka ny an’izao tontolo izao izy ary mihaino azy izao tontolo izao.

Jereo ny toko dika mitovy




1Jaona 4:5
15 Rohy Ifampitohizana  

toy ny ataon’ny olona aho fa ny baiko voalazanao no hany notandremako. Ny sori-dalan’ny didinao


«Izao koa no lazain’ny TOMPOn’izao rehetra izao sady ilay Andriamanitr’i Israely: ‹Aza manaiky hofitahin’ireo mpaminany izay eo anivonareo na ireo mpisikidy. Aza mihaino ireo mpilaza nofy izay manazava ny nofinareo.


maminany lainga ny mpaminany, mitady ny tombontsoany ny mpisorona, ary ny vahoakako mankasitraka izany. Koa rehefa tonga ny farany, inona kosa no hataonareo?


Raha misy olona iray mpanao kobaka am-bava sy mpamoron-dainga ka miteny hoe: «Lazaiko aminareo fa divay sy toaka no hatobaka ho anareo», dia izy no mpaminany mirediredy mendrika an’ity vahoaka ity!


Noderain’ny tompony ilay mpitandrim-pananana tsy marina, satria niseho ho kinga; fa amin’ny raharaha ifanaovany avy, dia kinga kokoa ny olona miaina araka izao tontolo izao noho ny olona miaina araka ny fahazavan’Andriamanitra.


Efa nomeko ny teninao ireo, ka ankahalain’izao tontolo izao: satria tsy naman’izao tontolo izao ireo, tahaka ny tsy maha naman’izao tontolo izao Ahy.


Tsy naman’izao tontolo izao ireo, tahaka ny tsy maha naman’izao tontolo izao Ahy.


–Ilay avy any ambony dia ambonin’ny olona rehetra; fa izay avy amin’ny tany dia avy amin’ny tany, ka ny zavatra momba ny etỳ an-tany no lazainy. Ilay avy any an-danitra no ambonin’ny olona rehetra;


Fa novalian’i Jesoa hoe: –Ianareo dia avy etỳ an-tany; Izaho kosa avy any an-danitra. Ianareo dia avy amin’izao tontolo izao; Izaho kosa tsy mba avy amin’izao tontolo izao.


Eny, ho avy ny andro tsy hahazakan’ny olona intsony ny fampianarana tsy misy tomika; fa mpampianatra araka ny maha diavolana ny fony no havoriny ho azy sy hahalian-tsofina azy.


Ary nazera ilay dràgona, dia ilay bibilava fahizay, ilay atao hoe devoly na hoe Satàna, izay mamitaka izao tontolo rehetra izao; nazera tamin’ny tany izy ary nazera niaraka taminy koa ireo anjeliny.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra