Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera

- dokam-barotra -




Mika 6:16 - DIEM PROTESTANTA

16 Fa tandremanareo fatratra ny ohatra ratsy nasehon’i Hômrỳ mpanjaka sy ny fihetsiky ry i Ahaba mianakavy, ka narahinareo ny fomba amam-panaony. Noho izany, dia hatolotro horavana ity renivohitrareo ity ary ho fihomehezana ianareo mponina ao aminy; ka ianareo no hitondra ny latsa mianjady amin’ny vahoakako.»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

16 Fa fatra-pitandrina ny lalànan’i Omry sy ny asan’ny taranak’i Ahaba rehetra ianareo, sady manaraka ny toroheviny; noho izany no hanolorako anao ho amin’ny faharavana ary ny mponina ao aminao dia ho zavatra mampisitrisitra ka hitondra ny latsan’ny oloko ianareo.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

16 Fa tandremanareo fatratra ny ohatra ratsy nasehon’i Hômrỳ mpanjaka sy ny fihetsiky ry i Ahaba mianakavy, ka narahinareo ny fomba amam-panaony. Noho izany, dia hatolotro horavana ity renivohitrareo ity ary ho fihomehezana ianareo mponina ao aminy; ka ianareo no hitondra ny latsa mianjady amin’ny vahoakako.»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

16 Mitandrina ny fitsipik’i Amrì ny olona, mbamin’ny fanaon’ny taranak’i Akaba rehetra, ary mandeha araka ny toroheviny ianareo, mba hanolorako anareo amin’ny fandringanana, ary ny mponina amin’ny tany, ho amin’ny fisitrisìrana, ka hivesaranareo ny latsan’ny vahoakako.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

16 Fa fatra-pitandrina ny lalàn’i Omry Sy ny asan’ny taranak’i Ahaba rehetra hianareo Sady manaraka ny fisainany,– Mba hanolorako anao ho figagana, Ary ny mponina any ho zavatra mampisitrisitra, Ka dia hitondra ny latsan’ny oloko hianareo.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

16 Fa fatra-pitandrina ny lalàn'i Omry Sy ny asan'ny taranak'i Ahaba rehetra ianareo Sady manaraka ny fisainany, Mba hanolorako anao ho figagana, Ary ny mponina any ho zavatra mampisitrisitra, Ka dia hitondra ny latsan'ny oloko ianareo.

Jereo ny toko dika mitovy




Mika 6:16
31 Rohy Ifampitohizana  

fa tamin’ny nandringanan’i Jezebela ny mpaminanin’ny TOMPO, dia mpaminany zato no voavonjin’i Hôbadià rehefa nafeniny nitsinjara dimampolo avy tany anaty zohy ka novatsìny mofo sy rano.


Na dia avobe aza ity tempoly ity fahiny, dia hivarahontsana izay rehetra mandalo eo akaikiny ka hanontany hoe: «Nahoana no dia nataon’ny TOMPO toy izao ity tany ity sy ity tempoly ity?»


fa ny toetran’ireo mpanjakan’i Israely no narahiny. Ka nanao sorona ilay zanany lahy aza izy, araka ny fomba maharikoriko fanaon’ny hafa firenena izay noroahin’ny TOMPO teo anoloan’ny Israelita.


Naorin’i Manase indray manko ny toeram-panasinana izay efa noravan’i Hezekià rainy; ka nanangana alitara ho an’i Bahala izy sady nanao tsatokazo fanajana an’i Aserà tahaka izay nataon’i Ahaba mpanjakan’i Israely; dia niankohofany sy nanaovany fanompoam-pivavahana koa ireo planeta aman-kintana eny ana habakabaka.


Ka dia nanao izay ratsy eo imason’ny TOMPO toy ny taranak’i Ahaba izy, satria ireo no mpanolotsaina azy taorian’ny nahafatesan’i Jôrama rainy ka nampidi-doza azy.


Efa nandao Ahy manko ny mponin’i Jerosalema sady nampanetona sorona ho an’ny andriamani-kafa, ary nampahatezitra Ahy tamin’ny sampy rehetra nataon’ny tanany. Izany no hitosahan’ny fahatezerako amin’ity tanàna ity ka tsy mbola hitoniany.


Sambatra ny olona tsy manaraka ny hevitry ny ratsy fanahy, na mijanona eo amin’ny lalan’ny mpanota, na miray toerana amin’ny mpaniratsira!


Ny vahoakanao ataonao varo-boba ka tsy ahazoanao tombony velively.


Izahay ataonao fandatsan’ny vahoaka hafa izay mpifanila aminay, zary fanakora sy faneso ho an’ireo firenena manodidina anay;


Hofoanany tsy hisy mandrakizay ny fahafatesana. Hofafan’ny Tompo ANDRIANANAHARY ny ranomaso amin’ny tava rehetra, ary hoesoriny ny fahafaham-baràka nahazo ny vahoakany manerana ny tany. Izany no nampanantenain’ny TOMPO.


Noho izany, dia tsy hiantran’ny Tompo ireo tanorany ary tsy hamindrany fo ireo kamboty sy mpitondratenany. Fa olona tsy mahatoky sady mpanao ratsy izy rehetra ary ny vavany samy miteny hadalana avokoa. Saingy, na teo aza izany rehetra izany, dia tsy mbola afaka ny fahatezeran’ny Tompo fa mihinji-tanana mandrahona ihany Izy.


Hataoko lao sady ho fandatsa ity tanàna ity; ka ny olona rehetra mandalo azy dia ho gaga sy hanao fandatsana eo am-pahitana ny faharavana rehetra nanjo azy.


I Jerosalema sy ireo tanànan’i Joda mbamin’ireo mpanjaka sy mpanapaka teo aminy no nanombohako izany mba hahatonga ireo toerana ireo ho rava ka hampahonena sy hampivarahontsana ary ho tonga oha-panozonana, araka izao toe-javatra ankehitriny izao.


dia hampaniraka haka ireo fokom-pirenena rehetra any avaratra Aho, ary hiantso an’i Nebokadnetsara mpanjakan’i Babilôna sady mpanompoko. Hasaiko tonga izy hamely ity tany ity sy ny mponina eo ary koa hamely ireto firenena rehetra manodidina anareo ireto; samy haringako tokoa ireo ka hampahonena sy hampivarahontsana ary ho tonga oha-pandatsana mandrakizay. Teny hentitra avy amiko TOMPO izany.


Hoenjehiko amin’ny ady sy ny mosary ary ny areti-mandringana izy, ka ho raiki-tahotra ny fanjakana rehetra ambonin’ny tany raha mahita azy. Any amin’ny firenen-kafa rehetra izay hampielezako azy, dia horaisina ho ohatra izy hoenti-manozona sy hoenti-milaza zava-mahatahotra sy mampihoron-koditra na mahamenatra;


Afa-baràka izahay nandre fandatsana! Rakotry ny henatra ny endrikay fony nidiran’ireo hafa firenena ny Toeramasina tao an-tranon’ny TOMPO.


Kanjo tsy nihaino sady tsy niraharaha Ahy izy fa nanaraka ny heviny araka ny ditran’ny fony. Tsy nitodika tamiko izy fa niamboho Ahy.


TOMPO ô, tsarovy izay nanjo anay, diniho sy jereo ny fandatsana anay.


Amin’izay dia hohadinoiny ny fahafaham-baràka nanjo azy noho ny hadisoana rehetra nataony tamiko. Hiaina indray am-pilaminana eo amin’ny taniny izy ka tsy hisy hanaitaitra azy.


Tompo ô, araka ny asa soa rehetra vitanao dia aoka re mba hisinda ny fahatezeranao sy ny fahaviniranao amin’i Jerosalema tanànanao sady tendrombohitrao masina. Noho ny fahotanay sy ny heloky ny razanay, dia miteny ratsy an’i Jerosalema sy ny vahoakanao ireo firenena manodidina rehetra.


Fa mpaminany kosa no nentin’ny TOMPO nampiakatra an’i Israely niala tany Ejipta, ary mpaminany no nataony mpiandry azy.


Ampahorîna i Efraîma, voahitsakitsaka ny zony satria ninia nanenjika zava-manodoka izy.


Hoy ny rediredin’ny sasany amiko: «Aza be rediredy aminay intsony ianao! Aoka izay ny rediredy toy ny hoe: tsy hay sakanana ny fahafaham-baràka.


Izaho kosa nanomboka nikapoka anareo, mba handringanana anareo noho ny fahotanareo.


Saingy izao no anomezako tsiny anao: leferinao ilay vehivavy Jezebela izay milaza ny tenany ho mpaminany, ka dia mampianatra sy manoloky ny mpanompoko hijangajanga sy hihinan-kena natao fanatitra tamin’ny sampy.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra