Rehefa tonga teo amin’ilay vato lehibe tao Gibehôna kosa ireo, dia avy nitsena azy i Hamasà. Tamin’izay ny nanaovan’i Jôaba dia ny akanjo miaramila nisy ilay fehikibo nihanton’ny sabatra mbamin’ny tranony; ka nony nandroso izy, dia latsaka ilay sabatra.
Rehefa tafaverina tao Hebrôna i Abinera, dia notaomin’i Jôaba hankeny am-bavahady toy ny hiresaka mangina aminy izy, kanjo notrobarany teo amin’ny kibony izy ka maty ho valin’ny nahafatesan’i Asahela rahalahiny.
Ankoatra izany, ianao koa mahalala ny ratsy rehetra nataon’i Jôaba zanakalahin’i Tseroià tamiko sy tamin’ny filohan’ny tafik’i Israely roa lahy, dia i Abinera zanakalahin’i Nera sy i Hamasà zanakalahin’i Jetera izay samy novonoiny ho faty sady nalatsany ra toy ny amin’ny ady nefa tsy nisy ady akory; ka dia tompon’andraikitra feno izy ny amin’ny nafitsony.
Fa toy ny zanakondry bonaika nentina hovonoina aho ka tsy nahalala ny tetika nataony hamelezana ahy. Hoy ireo hoe: «Andeha hosimbantsika ny hazo ao anatin’ny fitsiriany; aoka hofongorantsika hiala amin’ny tanin’ny velona izy, ka tsy hotsarovana intsony ny anarany.»
Raha olona mpanao ratsy tokoa ny mponin’i Gilehada ka lasa tsinontsinona, tao Gilgala kosa omby mifanesy no natolotra hatao sorona, ka ny alitarany dia tonga korontam-bato eny am-bavasahan’ny tanimboly.
Fa mitombo ny fanozonana olona sy ny famitahana azy ary ny famonoana azy ho faty, mbamin’ny halatra sy ny fanitsakitsaham-bady; mifandimby ny ra latsaka.
Henoy izao, ry mpisorona sy ianareo mpitondra israelita, ary atongilano ny sofinareo, ry fianakavian’ny mpanjaka: Hihatra aminareo izao ny fitsarana, fa tonga fandrika tao Mitsepà ianareo sy harato voavelatra tao Tabôra,