Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Hosea 6:9 - DIEM PROTESTANTA

9 Tahaka ny jiolahy manotrika no ataon’ny andia-mpisorona ka amonoany olona ho faty eny an-dalana mankany Sekema; zava-mahatsiravina afitsony!

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

9 Toy ny jiolahy manao vela-pandrika ny fikambanan’ny mpisorona; mamono olona eny an-dalambe mankany Sekema izy; eny, fahafaham-baraka izany.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

9 Tahaka ny jiolahy manotrika no ataon’ny andia-mpisorona ka amonoany olona ho faty eny an-dalana mankany Sekema; zava-mahatsiravina afitsony!

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

9 Mova tsy ny andian-jiolahy manao otrika, ny andia-mpisorona mamono olona, eo amin’ny lalana mankany Sikema; fa mahavita heloka be vava izy ireo.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

9 Ary toy ny fanotriky ny jiolahy no fikamban’ny mpisorona: Mamono eny an-dàlambe mankany Sekema izy, Eny, efa nanao fahavetavetana koa izy.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

9 Ary toy ny fanotriky ny jiolahy no fikamban'ny mpisorona: Mamono eny an-dalambe mankany Sekema izy, eny, efa nanao fahavetavetana koa izy.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

9 Toy ny jiolahy manao vela-pandrika ny fikambanan’ny mpisorona; mamono olona eny an-dalambe mankany Sekema izy; eny, fahafaham-baraka izany.

Jereo ny toko dika mitovy




Hosea 6:9
23 Rohy Ifampitohizana  

Ary i Abrama namakivaky ny tany hatrany amin’ny hazo ôakan’i Môre, any Sekema. Ny Kanahanita no nipetraka tamin’iny faritra iny tamin’izany.


Ary nampamboarin’i Jerôbohama ho tanànamimanda i Sekema any amin’ny faritra be tendrombohitr’i Efraîma ka nonenany. Rehefa niala tao Sekema izy, dia nampamboatra an’i Penoela ho tanànamimanda koa.


Tamin’ny andro faha-13, volana voalohany, no nialanay teo amin’ny lakan-dranon’i Ahavà mba hankany Jerosalema; ary nombàn’ny fiarovan’Andriamanitra izahay teny an-dalana ka novonjeny tamin’ny famelezan’ny fahavalo sy mpanotrika.


Ary hoy koa ny TOMPO tamiko: –Misy tetika fikomiana hita ao amin’ny olon’i Joda sy ny mponin’i Jerosalema.


Tahaka ny liona mierona mamiravira haza ireo mpitondra azy ka mandripaka olona sy maka ny vola amam-pananan’ny hafa ka mahatonga vehivavy maro ho mpitondratena.


Lian-dra tahaka ny amboadia mamiravira haza ireo mpitondra ny vahoaka, ka mamono olona ho faty mba hangoronan-karena tsy an-drariny.


Ao aminao dia misy mpanaratsy mba handrisika amin’ny famonoana olona; ary ny mponinao dia misy mihinana sakafom-panompoan-tsampy eny an-tendrombohitra. Ao aminao dia fanaovam-pijangajangana:


Hatsahatro ny filibànao amam-pijangajangana izay natombokao tany Ejipta. Tsy hangata-maso olona intsony ianao ary tsy hahatsiaro ny Ejiptianina intsony.›


Saingy tsy fantany fa Izaho no nanome azy vary sy divay ary menaka vao sady nampanankarena azy volafotsy sy volamena izay nampiasainy ho an’i Bahala.


Fa mitombo ny fanozonana olona sy ny famitahana azy ary ny famonoana azy ho faty, mbamin’ny halatra sy ny fanitsakitsaham-bady; mifandimby ny ra latsaka.


Henoy izao, ry mpisorona sy ianareo mpitondra israelita, ary atongilano ny sofinareo, ry fianakavian’ny mpanjaka: Hihatra aminareo izao ny fitsarana, fa tonga fandrika tao Mitsepà ianareo sy harato voavelatra tao Tabôra,


ary lavaka lalina tao Setima. «Fa Izaho kosa, hoy ny TOMPO, hanome famaizana ho anareo rehetra.


ka te hanasitrana an’i Israely, dia miseho amiko ny heloky ny Efraîmita sy ny haratsian’ny olon’i Samaria. Fa manao fisolokiana ireo; miditra an-trano ny mpangalatra, manendaka an-dalambe ny jiolahy.


Ry mpitondra ny taranak’i Jakôba, eny, ry mpitsara ny vahoakan’i Israely, henoinareo re izao: Halanareo fatratra ny rariny, ary avadikareo ny hitsiny rehetra.


Fa foana teo amin’ny tany ny olona tena mpivavaka; ary tsy misy olo-marina intsony eo amin’ny olombelona. Samy manotrika handatsa-dra avokoa izy rehetra; ary samy mihaza mpiray tampo amin’ny fandrika harato ny tsirairay.


Toy ny liona mierona ireo lehibeny; toy ny amboadia mihaza hariva ny mpitsarany, ka tsy mitahiry remby ho tra-maraina.


Indroa andro sisa tsy hahatongavan’ny fankalazana ny Paska sy ny azima, dia nitady izay hisamborana an’i Jesoa am-pitaka ny lohandoha-mpisorona sy ny mpahay lalàna hamonoany Azy.


Dia namory ny Fitsarana ambony ireo lohandoha-mpisorona sy ireo Farisianina ka nanao hoe: –Inona ity ataontsika, fa manao famantarana maro iny Lehilahy iny?


Nony nandre izany ireo mpino, dia indray nientana nanandratra tonom-bavaka tamin’Andriamanitra hoe: –Tompo ô, Ianao no nanao ny lanitra sy ny tany ary ny ranomasina mbamin’izay rehetra eo aminy;


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra