Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Hosea 6:8 - DIEM PROTESTANTA

8 I Gilehada dia tanànan’ny mpanao ratsy, izay mamela dian-dra amin’ny falehany.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

8 I Gileada dia tanànan’ny mpanao ratsy lian-dra.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

8 I Gilehada dia tanànan’ny mpanao ratsy, izay mamela dian-dra amin’ny falehany.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

8 I Galaada dia tanànan’ny mpanao ratsy, sady isehoan’ny mariky ny ra nalatsaka.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

8 Gileada dia tanànan’ny mpanao ratsy Sady voaloton’ny ra.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

8 Gileada dia tanànan'ny mpanao ratsy sady voaloton'ny rà.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

8 I Gileada dia tanànan’ny mpanao ratsy lian-dra.

Jereo ny toko dika mitovy




Hosea 6:8
17 Rohy Ifampitohizana  

Rehefa tonga teo amin’ilay vato lehibe tao Gibehôna kosa ireo, dia avy nitsena azy i Hamasà. Tamin’izay ny nanaovan’i Jôaba dia ny akanjo miaramila nisy ilay fehikibo nihanton’ny sabatra mbamin’ny tranony; ka nony nandroso izy, dia latsaka ilay sabatra.


Rehefa tafaverina tao Hebrôna i Abinera, dia notaomin’i Jôaba hankeny am-bavahady toy ny hiresaka mangina aminy izy, kanjo notrobarany teo amin’ny kibony izy ka maty ho valin’ny nahafatesan’i Asahela rahalahiny.


Ankoatra izany, ianao koa mahalala ny ratsy rehetra nataon’i Jôaba zanakalahin’i Tseroià tamiko sy tamin’ny filohan’ny tafik’i Israely roa lahy, dia i Abinera zanakalahin’i Nera sy i Hamasà zanakalahin’i Jetera izay samy novonoiny ho faty sady nalatsany ra toy ny amin’ny ady nefa tsy nisy ady akory; ka dia tompon’andraikitra feno izy ny amin’ny nafitsony.


Mamitsaka hanotrika eny akaikin-tanàna izy ary mamono an-katakonana ny tsy manan-tsiny; ny masony mitily ireo fadiranovana.


Aza avela hirona amin’ny zava-dratsy ny foko. Aoka aho tsy hiaraka amin’ny mpanao heloka na hivarilavo amin’ny fanao tsy mety na hihinana ny hanim-pin’ireo koa!


Andriamanitra ô, afaho amin’ny fahavaloko aho, arovy tsy ho voan’ireo mpamely ahy.


Fa toy ny zanakondry bonaika nentina hovonoina aho ka tsy nahalala ny tetika nataony hamelezana ahy. Hoy ireo hoe: «Andeha hosimbantsika ny hazo ao anatin’ny fitsiriany; aoka hofongorantsika hiala amin’ny tanin’ny velona izy, ka tsy hotsarovana intsony ny anarany.»


Niteny tamin’ireo mpaminany Aho fahizay ka nampitombo ny fahitana; ary tamin’ny alalan’ny mpaminany koa no nanaovako fanoharana.


Raha olona mpanao ratsy tokoa ny mponin’i Gilehada ka lasa tsinontsinona, tao Gilgala kosa omby mifanesy no natolotra hatao sorona, ka ny alitarany dia tonga korontam-bato eny am-bavasahan’ny tanimboly.


Fa mitombo ny fanozonana olona sy ny famitahana azy ary ny famonoana azy ho faty, mbamin’ny halatra sy ny fanitsakitsaham-bady; mifandimby ny ra latsaka.


Henoy izao, ry mpisorona sy ianareo mpitondra israelita, ary atongilano ny sofinareo, ry fianakavian’ny mpanjaka: Hihatra aminareo izao ny fitsarana, fa tonga fandrika tao Mitsepà ianareo sy harato voavelatra tao Tabôra,


Fa foana teo amin’ny tany ny olona tena mpivavaka; ary tsy misy olo-marina intsony eo amin’ny olombelona. Samy manotrika handatsa-dra avokoa izy rehetra; ary samy mihaza mpiray tampo amin’ny fandrika harato ny tsirairay.


mba hampaka an’i Paoly ho atỳ Jerosalema; efa niray teti-dratsy manko izy rehetra mba hamono azy eny an-dalana.


Avy tamin’ny fokon’i Gada dia i Ramôta any Gilehada, izay tanàna fialofana, i Mahanaîma,


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra