Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Hosea 6:7 - DIEM PROTESTANTA

7 Tao Adama kosa ianareo no nandika ny fanekempihavanana tao ianareo no namadika Ahy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

7 Nivadika ny fanekena toy ny tany Adama ireny. Tao no nivadihany Tamiko.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

7 Tao Adama kosa ianareo no nandika ny fanekempihavanana tao ianareo no namadika Ahy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

7 Nivadika ny fanekena, tahaka an’i Adama, anefa izy ireo; fa nivadika tamiko teo.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

7 Fa ireny dia nivadika ny fanekena tahaka an’i Adama, Tao no nivadihany nahafoizany Ahy.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

7 Fa ireny dia nivadika ny fanekena tahaka an'i Adama, tao no nivadihany nahafoizany Ahy.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

7 Nivadika ny fanekena toy ny tany Adama ireny. Tao no nivadihany Tamiko.

Jereo ny toko dika mitovy




Hosea 6:7
18 Rohy Ifampitohizana  

Fa hoy ny TOMPO hoe: –Iza no nampahafantatra anao fa mitanjaka ianao? Moa nihinananao va ny voan’ny hazo izay norarako tsy hohaninao?


Ary hitan-dravehivavy fa maha te hihinana ny voan’ilay hazo sady mahasarika ny maso no mampitsiriritra hahazoana fahiratan-tsaina. Dia nitoazany ny voany ka nohaniny; ary nomeny koa ny vadiny izay niaraka taminy ka nihinana.


Nolaviny ny lalànan’Andriamanitra sy ny fanekempihavanana izay nataony tamin’ny razany ary ny fampitandremana nananarany azy. Nanenjika zava-poana izy ka dia tonga zava-poana koa; ary nanaraka ny hafa firenena manodidina azy sady efa nandraran’ny TOMPO azy tsy hotahafina.


Moa nanafina ny fahadisoako tahaka ny sarambaben’olona ve aho na nikobona ny heloko tato anatiko?


Hatrany am-paran’ny tany no andrenesanay hira hoe: «Voninahitra anie ho an’Ilay Marina!» Fa hoy kosa aho anakampoko hoe: «Vita ny amiko, vita ny amiko.» Lozan’ireo mpamadika! Mamadika tokoa ny mpamadika; eny, mamadika hatrany izy.


Ny tany dia voaloton’ny mponina ao aminy fa nandika ny lalànan’ny Tompo ireny, tsy nanaraka ny fitsipika fa nivadika tamin’ny fanekempihavanana izay maharitra mandrakizay.


Ianareo koa moa tsy nihaino sady tsy te hahalala no tsy nanokatra sofina hatry ny ela; Fantatro fa mpamadika hatrany ianareo sady nantsoina hoe mpikomy hatrany am-bohòka.


Dia hoy Aho anakampo hoe: Rehefa afaka izany dia hiverina amiko izy. Kanjo tsy niverina izy; ary nahita izany i Joda mpivadika rahavaviny.


Kanefa tsy hitovy amin’ilay fanekempihavanana nataoko tamin’ireo razany fony Aho nandray an-tanana hamoaka azy avy tany Ejipta izany. Fa nivadihan’ireo iny, kanefa Izaho no tompony; teny hentitra avy amiko TOMPO izany.


«Ireo manampahefana eto Joda sy i Jerosalema, ireo mpiasam-panjakana ambony, ireo mpisorona ary ireo olona afaka rehetra teo amin’ny tany, dia nivadika ny fifanekena tamiko ka tsy nahatana ny tenin’ny fanekena nataony teo anatrehako fony nosasahana ny ombilahikely ka nandeha namaky teo anivony izy.


Fa efa nivadika tamiko mihitsy na ny fanjakan’i Joda na ny fanjakan’i Israely, hoy ny teny hentitry ny TOMPO.


Koa hoy ny TOMPOn’izao rehetra izao: «Hodioviko amin’ny afo izy ary hozahako toetra. Satria ahoana ny fomba hafa hataoko amin’ny faharatsian’ny vahoakako?


Namadika ny TOMPO izy fa niteraka zazasary. Ankehitriny, iray volana latsaka dia ho levona izy mbamin’ny fananany.


Tsofy ny anjomara, fa ho toy ny voromahery ny fiantefan’ny loza amin’ny tanin’ny TOMPO. «Satria nandika ny fanekempihavanako ireo olon’i Israely ireo, hoy Izaho TOMPO, ary nanohitra ny fampianarako.


Na izany aza anefa, hatramin’i Adama ka hatramin’i Mosesy dia efa nanjaka ny fahafatesana, na dia tamin’ireo tsy nanota toraka ny nataon’i Adama izay nandika ny didin’Andriamanitra aza. Ary i Adama dia tandindon’Ilay ho avy.


Any amin’ny tany izay nampanantenaiko ny razambeny manko, dia ilay tany tondra-dronono sy tantely, no hitondrako ity vahoaka ity; ary hanan-kohanina izy ka ho voky sy hihamatavy, dia hivily hanaraka andriamani-kafa sy hanompo azy, ary hotsiratsirainy Aho ka hivadihany ny fanekempihavanana.


Nefa tsy mba Fanekempihavanana mitovy amin’izay nataoko tamin’ny razany, tamin’ny andro nitantanako azy hivoaka ny tany Ejipta; tsy nahatritra tamin’izany Fanekempihavanana nataoko izany ireo, koa dia tsy niraharaha azy Aho, hoy ny Tompo.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra