Hipetraka ao amin’ny faritr’i Gôsena ianao mbamin’ny zanakao sy ny zafikelinao ary koa ny ondry aman’osinao sy ny ombinao ary ny fanananao rehetra; dia ho etỳ akaikiko ianao amin’izay.
Genesisy 47:12 - DIEM PROTESTANTA Novatsîn’i Jôsefa hanina ny rainy sy ny rahalahiny ary ny ankohonan-drainy rehetra, araka ny isan’ny vava mihinana. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ary i Josefa no niantoka izay rehetra nilain’ny rainy sy ny rahalahiny mbamin’ny ankohonan’ny rainy rehetra, araka ny isan’ny zanany avy. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Novatsîn’i Jôsefa hanina ny rainy sy ny rahalahiny ary ny ankohonan-drainy rehetra, araka ny isan’ny vava mihinana. Baiboly Katolika Ary i Josefa no nanome hanina an-drainy sy ny rahalahiny mbamin’ny ankohonan-drainy rehetra, araka ny isan-janany avy. Baiboly Protestanta Malagasy Dia novelomin’i Josefa tamin’ny hanina ny rainy sy ny rahalahiny mbamin’ny ankohonan’ny rainy rehetra, araka ny isan’ny zanany avy. Malagasy Bible Dia novelomin'i Josefa tamin'ny hanina ny rainy sy ny rahalahiny mbamin'ny ankohonan'ny rainy rehetra, araka ny isan'ny zanany avy. La Bible en Malgache Ary i Josefa no niantoka izay rehetra nilain’ny rainy sy ny rahalahiny mbamin’ny ankohonan’ny rainy rehetra, araka ny isan’ny zanany avy. |
Hipetraka ao amin’ny faritr’i Gôsena ianao mbamin’ny zanakao sy ny zafikelinao ary koa ny ondry aman’osinao sy ny ombinao ary ny fanananao rehetra; dia ho etỳ akaikiko ianao amin’izay.
Izaho no hamatsy sakafo anao atỳ, fa mbola haharitra dimy taona ny mosary fandrao ringana ianao sy ny ankohonanao ary ireo biby fiompinao.»
Andriamanitra no nandefa ahy nialoha anareo tamin’ity tany ity mba tsy hahalany taranaka anareo ary mba hamelomana ny ainareo; ka famonjena lehibe izany.
Dia lasa i Jôsefa nampandre ny Farao hoe: –Ny raiko sy ny rahalahiko ary ireo ondry aman’osiny sy ny ombiny mbamin’izay rehetra ananany dia tonga avy any amin’ny tany Kanahàna, ka indreo ao amin’ny faritr’i Gôsena izy.
ary ny vahoaka kosa noteren’i Jôsefa hanao fanompoana nanomboka amin’ny sisin-tany an-kilany ka hatrany amin’ny sisin-tany an-daniny.
Fa rehefa miakatra ny vokatra, dia haterinareo ho an’ny Farao ny ampahadiminy; ny efatra ampahadiminy kosa dia hotazoninareo mba ho masom-boly ary koa ho sakafonareo sy ny zanakareo mbamin’izay rehetra mipetraka ao an-tranonareo.
Koa aza matahotra ianareo, fa izaho no hiahy ny sakafo ho anareo sy ny ankohonanareo. Ary nampahery azy i Jôsefa sady nanao teny nanohina ny fony.
«Hajao ny rainao sy ny reninao mba ho maro andro iainana ianao eo amin’ny tany izay omen’ny TOMPO Andriamanitrao ho anao.
Kanefa hihantona hitambesatra eo amin’i Eliakima avokoa ny sampan’ny fianakavian-drainy na ny lehibe na ny kely, ka tahaka ny fanaka madinika isan-karazany, hatramin’ny lovia ka hatramin’ny siny, mihantona amina tsatòka anankiray.
na dia azonay natao aza ny nanampatra fahefana araka ny maha apôstôlin’i Kristy anay; fa teo anivonareo, dia nalemy fanahy izahay, mova tsy reny mikolokolo ny zanany naterany.
Ny fampiasan-tena ara-batana dia mba mahasoa ihany, nefa tsy dia manao ahoana loatra; fa ny toe-panahy araka an’Andriamanitra kosa dia mahasoa amin’ny zavatra rehetra, satria mampanantena fiainana na ankehitriny na amin’ny ho avy.
Raha manana zanaka aman-jafy ilay vehivavy mpitondratena, dia aoka ireo aloha hianatra haneho ny toe-panahy araka an’Andriamanitra amin’ny fianakaviany ka hamaly babena ny ray aman-dreniny na ny raibe aman-drenibeny, fa izany no ankasitrahin’Andriamanitra.
Fa raha misy tsy mahakarakara ny havany, indrindra fa ny ankohonany, dia efa nandà ny finoana izy ka ratsy kokoa noho ny tsy mpino.
Io zafinao io dia hampitombina ny fanahinao sy ho mpanolokolo anao amin’ny fahanteranao, satria ilay vinantovavy fatra-pitia anao sady tsara lavitra ho anao noho ny zanakalahy fito no efa niteraka azy.