Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera

- dokam-barotra -




Genesisy 47:24 - DIEM PROTESTANTA

24 Fa rehefa miakatra ny vokatra, dia haterinareo ho an’ny Farao ny ampahadiminy; ny efatra ampahadiminy kosa dia hotazoninareo mba ho masom-boly ary koa ho sakafonareo sy ny zanakareo mbamin’izay rehetra mipetraka ao an-tranonareo.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

24 Ary rehefa misy vokatra dia haterinareo ho an’i Farao ny ampahadiminy; ho anareo kosa ny ampahany efatra sisa ho voa hafafy any an-tsaha sy hohaninareo mbamin’izay ao an-tranonareo ary ho sakafon’ny zanakareo.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

24 Fa rehefa miakatra ny vokatra, dia haterinareo ho an’ny Farao ny ampahadiminy; ny efatra ampahadiminy kosa dia hotazoninareo mba ho masom-boly ary koa ho sakafonareo sy ny zanakareo mbamin’izay rehetra mipetraka ao an-tranonareo.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

24 Rehefa tonga ny vokatra, ny ampahadiminy moa haterinareo ho an’i Faraôna; ny efa-toko kosa misy hafafinareo amin’ny tany ary misy hivelomanareo sy ny ankohonanareo, sy hiveloman’ny zanakareo.»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

24 Ary rehefa misy vokatra, dia haterinareo ho an’i Farao ny ampahadiminy; ary ho anareo kosa ny efa-toko, ho voa hafafy any an-tsaha sy hohaninareo mbamin’izay ao an-tranonareo ary hohanin’ny zanakareo.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

24 Ary rehefa misy vokatra, dia haterinareo ho an'i Farao ny ampahadiminy; ary ho anareo kosa ny efa-toko, ho voa hafafy any an-tsaha sy hohaninareo mbamin'izay ao an-tranonareo ary hohanin'ny zanakareo.

Jereo ny toko dika mitovy




Genesisy 47:24
14 Rohy Ifampitohizana  

Hoderaina anie Andriamanitra avo indrindra Izay nanolotra ny fahavalonao ho eo an-tananao! Dia nomen’i Abrama an’i Melkitsedèka ny ampahafolon’ny zavatra rehetra.


Ary ny mpanjakan’i Sôdôma dia niteny tamin’i Abrama hoe: –Omeo ahy ny olona fa ento ho anao kosa ny harena.


Ary ity vato izay efa naoriko ho tsangambato ity dia hanjary tranon’Andriamanitra, ka ny ampahafolon’izay rehetra homeny ahy dia hatolotro Azy.


Dia manendre koa solotena hanangona ny ampahadimin’ny vokatra eto amin’ny tany mandritra ny fito taona zina.


Dia hoy i Jôsefa tamin’ny vahoaka: –Ankehitriny efa voavidiko ho an’ny Farao ny tenanareo sy ny taninareo, koa homeko masom-boly ianareo hafafinareo any amin’ny taninareo.


Ka hoy ny navalin’ireo hoe: –Namonjy ny ainay ianao, tompokolahy. Nahita sitraka teo imasonao izahay, koa ekenay ny ho mpanompon’ny Farao.


tsara ny miantra sy ny mampisambotra ary ny mitantana asa fihariana amim-pahitsiana.


Tao amin’ny tahirin-kiran’ny filohan’antoko-mpihira. Salamo nataon’i Davida.


«Ny ampahafolon’ny vokatry ny tany, na avy amin’ny tanim-bary na avy amin’ny saha, dia an’ny TOMPO; voatokana ho AZY izany.


Ny ampahafolon’ny biby fiompy, na omby na ondry na osy, izany hoe ny biby voamariky ny tehin’ny mpiandry azy, dia voatokana ho an’ny TOMPO.


Ary hoy koa ny TOMPO hoe: –Ny levita kosa dia omeko ny fahafolon-karena rehetra voaangona amin’ny Israelita noho ny asam-panompoany ao amin’ny Tranolay fihaonana.


Havahanareo ny ampahafolon’ny vokatra rehetra avy amin’ny voa nafafinareo, izany hoe ny vokatry ny sahanareo isan-taona.


Isaky ny telo taona no fanangonana ny fahafolon-karena. Ka rehefa tapitra voaavakareo ny fahafolon-karena rehetra avy amin’ny vokatrareo, dia omeo ny Levita sy ny vahiny ary ny kamboty sy ny mpitondratena izany mba hananany hanin-kahavoky azy ao an-tanànanareo;


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra