Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera

- dokam-barotra -




Rota 4:15 - DIEM PROTESTANTA

15 Io zafinao io dia hampitombina ny fanahinao sy ho mpanolokolo anao amin’ny fahanteranao, satria ilay vinantovavy fatra-pitia anao sady tsara lavitra ho anao noho ny zanakalahy fito no efa niteraka azy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

15 Dia hamelombelona ny ainao sy hikarakara anao amin’ny fahanteranao izy; fa niteraka azy ny vinantovavinao tia anao, dia ilay tsara lavitra aminao mihoatra noho ny zanaka fito lahy.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

15 Io zafinao io dia hampitombina ny fanahinao sy ho mpanolokolo anao amin’ny fahanteranao, satria ilay vinantovavy fatra-pitia anao sady tsara lavitra ho anao noho ny zanakalahy fito no efa niteraka azy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

15 Io no hamelona ny ainao sy ho tohan’ny fahanteranao, fa naterak’ilay vinantonao izay tia anao ka mihoatra noho ny zanaka lahy fito ho anao.»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

15 Dia hamelona ny ainao sy hitaiza anao izy, rehefa antitra hianao; fa niteraka azy ny vinantonao-vavy, izay tia anao, ilay tsara lavitra aminao mihoatra noho ny zanaka fito lahy.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

15 Dia hamelona ny ainao sy hitaiza anao izy, rehefa antitra ianao; fa niteraka azy ny vinantonaovavy, izay tia anao, ilay tsara lavitra aminao mihoatra noho ny zanaka fito lahy.

Jereo ny toko dika mitovy




Rota 4:15
10 Rohy Ifampitohizana  

Izaho no hamatsy sakafo anao atỳ, fa mbola haharitra dimy taona ny mosary fandrao ringana ianao sy ny ankohonanao ary ireo biby fiompinao.»


Novatsîn’i Jôsefa hanina ny rainy sy ny rahalahiny ary ny ankohonan-drainy rehetra, araka ny isan’ny vava mihinana.


Malemy noho ny hero-dronono ny firesany, kanjo ady no mameno ny fony; malefaka noho ny diloilo ny teniny, kanjo toy ny sabatra vonon-kamely.


Izay maro namana tsy maintsy ho sahirana, nefa misy sakaiza izay mifikitra noho ny mpiray tampo aza.


Tsy hiova Aho, na dia mandra-pahantitrareo aza; hanohana anareo Aho mandra-pahafotsin’ny volonareo. Izaho no nanao anareo sy nitrotro anareo hatrany; eny, Izaho no hanohana anareo sy hamonjy anareo.


Dia nandray ny zaza i Nahômỳ ka namihina azy teo an-tratrany, ary lasa mpitaiza azy.


Dia hoy i Elkanà vadiny taminy: «Hanà ô, nahoana ange ianao no mitomany sy tsy mety mihinan-kanina? Nahoana koa ianao no malahelo toa izao, moa tsy mihoatra noho ny zanaka folo ve ny tenako aminao?»


Mikarama hahazoana mofo ireo voky taloha, fa ny noana kosa efa manan-kohanina. Impito niteraka ny vehivavy momba, fa ireo mpiteraka kosa nitsaha-jaza.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra