Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




1Timoty 4:8 - DIEM PROTESTANTA

8 Ny fampiasan-tena ara-batana dia mba mahasoa ihany, nefa tsy dia manao ahoana loatra; fa ny toe-panahy araka an’Andriamanitra kosa dia mahasoa amin’ny zavatra rehetra, satria mampanantena fiainana na ankehitriny na amin’ny ho avy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

8 Eny, mahasoa kely ihany ny fampiasana ny tena; fa ny toe-panahy araka an’Andriamanitra no mahasoa indrindra amin’ny zavatra rehetra ka manana ny teny fikasana ny amin’ny fiainana ankehitriny sy ny ho avy koa.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

8 Ny fampiasan-tena ara-batana dia mba mahasoa ihany, nefa tsy dia manao ahoana loatra; fa ny toe-panahy araka an’Andriamanitra kosa dia mahasoa amin’ny zavatra rehetra, satria mampanantena fiainana na ankehitriny na amin’ny ho avy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

8 Satria ny asa ara-batana dia mahasoa kely foana, fa ny fivavahana no mahasoa amin’ny zavatra rehetra, izy no manana ny teny fampanantenana, na amin’ny fiainana ankehitriny, na amin’ny fiainana ho avy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

8 Fa mahasoa kely ihany ny fampiasana ny tena; fa ny toe-panahy araka an’Andriamanitra no mahasoa amin’ny zavatra rehetra ka manana ny teny fikasana ny amin’ny fiainana ankehitriny sy ny ho avy koa.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

8 Fa mahasoa kely ihany ny fampiasana ny tena; fa ny toe-panahy araka an'Andriamanitra no mahasoa amin'ny zavatra rehetra ka manana ny teny fikasana ny amin'ny fiainana ankehitriny sy ny ho avy koa.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

8 Eny, mahasoa kely ihany ny fampiasana ny tena; fa ny toe-panahy araka an’Andriamanitra no mahasoa indrindra amin’ny zavatra rehetra ka manana ny teny fikasana ny amin’ny fiainana ankehitriny sy ny ho avy koa.

Jereo ny toko dika mitovy




1Timoty 4:8
52 Rohy Ifampitohizana  

Mba mahasoa an’Andriamanitra ve ny olona? Tsia, fa mahasoa ny tenany izy raha hendry.


Raha mety mihaino an’Andriamanitra izy, dia amin’ny fahasambarana sy ny hamamiana no handaniany ny androny sy ny taonany.


Manao izay irîn’ny manaja Azy ny Tompo, ary mihaino ny tarainany ka mamonjy azy.


Ny malemy fanahy no handova ny tany ka ho finaritra hombam-piadanam-be.


Ny olo-marina no handova ny tany, ka honina mandrakizay ao aminy.


Satria hofongorana ireo mpanao ratsy, fa izay matoky ny TOMPO no handova ny tany.


Ny indray andro eo an-kianjan’ny tempolinao dia tsara kokoa noho ny arivo any an-toeran-kafa; koa eo am-baravaran’ny tranonao no aleoko ipetrahana, Andriamanitro ô, toy izay hitoetra ao amin’ny fonenan’ny olon-dratsy.


Ny fanajana ny TOMPO mitondra ho amin’ny fiainana, fa izany no hananam-piadanana sy tsy hahitan-doza.


Ny vokatry ny fanetren-tena sy ny fanajana ny TOMPO dia harena sy voninahitra ary fiainana.


Mety ho mpanao ratsy an-jatony ny mpanota iray, kanefa dia ela velona ihany. Fantatro kosa ny hoe: «Izay manaja an’Andriamanitra ihany no ho sambatra, dia ireo manaja Azy tokoa.


Sambatra ny olo-marina fa hahita soa izy, ka ny vokatry ny asany no hohaniny.


Izany olona izany no honina eny amin’ny toerana avo tsy hay anihina; ny harambato mafy no ho fialofany, homena hanina sahaza azy izy ary hiantohana rano hosotroiny.


Nahoana moa Aho no anafarana vovo-javamanitra avy any Sebà sy veromanitra avy any an-tany lavitra? Tsy sitrako ny sorona dorany manontolo ary tsy teliko ny sorona hafa ataony ho Ahy.


Na iza na iza manao teny manohitra ny Zanak’olona dia hahazo famelan-keloka; fa na iza na iza miteny manohitra ny Fanahy Masina dia tsy hahazo famelan-keloka na amin’izao fiainana izao na amin’ny fiainan-ko avy.


Ary izay rehetra mahafoy trano na mpiray tampo na ray aman-dreny na zanaka na tany noho ny fitiavana Ahy dia hahazo injato henin’izany ary hanana anjara amin’ny fiaina-maharitra mandrakizay.


Nefa katsaho aloha ny Fanjakàn’Andriamanitra sy ny hanao ny marina nosoritany, dia homeny anareo ho fanampiny ireny rehetra ireny.


ka tsy hahazo injato henin’izany ankehitriny amin’izao etỳ izao, dia trano sy mpiray tampo sy reny sy zanaka sy tany, ombam-panenjehana ihany koa, ary hahazo ny fiaina-maharitra mandrakizay amin’ny andro ho avy.


Fa siny hoditra vaovao no tsy maintsy itahirizana ny divay vaovao.


Fantatsika fa Andriamanitra dia miasa hahatonga ny zavatra rehetra hahasoa ny olona tia Azy, dia ny olona nantsoiny araka ny fikasany rahateo.


na i Paoly, na i Apôlao, na i Petera, na izao tontolo izao, na fiainana, na fahafatesana, na zavatra ankehitriny, na zavatra ho avy: anareo avokoa izany rehetra izany;


Tsy izay hanina akory no hahasoa na haharatsy antsika eo anatrehan’Andriamanitra: raha tsy homana isika, tsy maty antoka; ary raha homana isika, tsy mahazo tombony.


Aoka ianao tsy hiraharaha izay angano manazimba fivavahana sady tsy misy fotony. Manazara tena amin’ny toe-panahy araka an’Andriamanitra.


Raha misy manao fampianarana hafa, ka tsy manaiky ny teny tsy misy tomika nambaran’i Jesoa Kristy Tompontsika sy ny fampianarana mifanaraka amin’ny fivavahantsika,


ary fifanoherana tsy misy farany eo amin’ny olona efa ratsy saina sady efa tsy mahalala ny hafatra marim-pototra intsony. Heveriny fa ny fivavahana dia atao ho filàn-karena.


Eny, harem-be tokoa ny fivavahana ho an’ny olona mahay mianina amin’izay ananany;


hitana ny endrika ivelany isehoan’ny fivavahana nefa mandà ny heriny. Halaviro ireny olona ireny!


Teny azo antoka izany! Tiako hoantitranterinao ireo zavatra ireo mba himasoan’ny mpino an’Andriamanitra hiezaka manao asa tsara; izany no tsara sady mahasoa ny olona.


Aza mety havilivilin’ny fampianarana samihafa tsy araka an’i Kristy ianareo; tsara manko raha ampaherezina amin’ny fahasoavan’Andriamanitra ny fonareo, fa tsy amina fitsipika momba ny hanina izay tsy mahasoa ireo mahavatra azy.


Ary ny zavatra nampanantenain’i Kristy antsika dia ny fiaina-maharitra mandrakizay.


«Izay maharesy dia hataoko andry ao amin’ny tempolin’Andriamanitra, sady tsy hiala ao intsony; hosoratako eo aminy ny anaran’Andriamanitro sy ny anaran’ilay tanànan’Andriamanitro, dia i Jerosalema vaovao, izay midina avy any an-danitra avy amin’Andriamanitra; ary hosoratako eo aminy koa ilay anarako vaovao.


«Izay maharesy dia havelako hiara-mipetraka amiko eo ambony sezafiandrianako; dia tahaka ny nandreseko ihany koa sy niarahako nipetraka amin’ny Raiko eo ambony sezafiandrianany.


Dia hoy indray i Samoela hoe: –Moa sitraky ny TOMPO mihoatra noho ny fankatoavana AZY ve ny sorona dorana manontolo sy sorona hafa? Tsia! Fa tsara noho ny sorona rehetra ny fankatoavana AZY ary tsara noho ny jaboran’ondrilahy ny fanekena Azy.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra