Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Genesisy 47:13 - DIEM PROTESTANTA

13 Ary mafy tokoa ny mosary ka tsy nisy hanina intsony teo amin’ny faritany manontolo. Na tany Ejipta na tany Kanahàna dia efa very hevitra ny olona niatrika ny mosary.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

13 Tamin’izany fotoana izany dia tsy nisy sakafo teo amin’ny tany rehetra; mafy indrindra ny mosary ka reraka ny tany Ejipta sy ny tany Kanana.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

13 Ary mafy tokoa ny mosary ka tsy nisy hanina intsony teo amin’ny faritany manontolo. Na tany Ejipta na tany Kanahàna dia efa very hevitra ny olona niatrika ny mosary.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

13 Dia tsy nisy hanina intsony tamin’ny tany rehetra, fa mafy dia mafy ny mosary, ka najifa ny tany Ejipta sy ny tany Kanaana, azon’ny mosary.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

13 Ary tsy nisy hanina teo amin’ny tany rehetra; fa mafy indrindra ny mosary, ka efa reraka ny tany Egypta sy ny tany Kanana noho ny mosary.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

13 Ary tsy nisy hanina teo amin'ny tany rehetra; fa mafy indrindra ny mosary, ka efa reraka ny tany Egypta sy ny tany Kanana noho ny mosary.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

13 Tamin’izany fotoana izany dia tsy nisy sakafo teo amin’ny tany rehetra; mafy indrindra ny mosary ka reraka ny tany Ejipta sy ny tany Kanana.

Jereo ny toko dika mitovy




Genesisy 47:13
9 Rohy Ifampitohizana  

Amin’izay dia hanana tahirin-tsakafo ho amin’ny fito taona mosarena i Ejipta, ka tsy ho fongan’ny mosary ny tany.


Ka hoy i Ahàba tamin’i Hôbadià: –Andeha hotetezintsika ny tany hijerena ny loharano sy riaka rehetra, sao hahita ahitra ihany isika hamelomana ny soavaly sy ny boriky mba tsy hamonoana ny biby fiompintsika.


Ary hoy indray ny TOMPO hoe: «Nandao ny fampianarana nomeko azy izy ary tsy nihaino na nanaraka izay nolazaiko taminy;


Aleo lavitra aza matin-tsabatra toy izay matin’ny mosary sy mitofezaky ny harerahana satria tsy misy vokatry ny saha.


Tamin’izay dia nisy mosary nanerana an’i Ejipta sy i Kanahàna manontolo ka mafy ny fahoriana; ary tsy nahita hanin-kohanina ny razantsika.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra