Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Genesisy 47:11 - DIEM PROTESTANTA

11 Tao amin’ny faritra tsara indrindra tany Ejipta, tao amin’ny faritra manodidina an’i Ramsesa, no napetrak’i Jôsefa ny rainy sy ireo rahalahiny, araka ny baikon’ny Farao, ary nomeny zaratany.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

11 Dia namponenin’i Josefa ny rainy sy ny rahalahiny ka nomeny zaratany tao amin’ny tany Ejipta, dia tao amin’ny tany tsara indrindra, tao amin’ny tany Ramesesa, araka izay nandidian’i Farao azy.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

11 Tao amin’ny faritra tsara indrindra tany Ejipta, tao amin’ny faritra manodidina an’i Ramsesa, no napetrak’i Jôsefa ny rainy sy ireo rahalahiny, araka ny baikon’ny Farao, ary nomeny zaratany.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

11 Koa nampiorim-ponenana an-drainy sy ny rahalahiny i Josefa ka nanome azy zara tany, eo amin’ny tany Ejipta, dia ny tsara indrindra amin’ny tany, ao amin’ny faritanin’i Ramsesa, araka ny teny nomen’i Faraôna azy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

11 Dia namponenin’i Josefa ny rainy sy ny rahalahiny ka nomeny zara-tany tao amin’ny tany Egypta, dia tao amin’ny tany tsara indrindra, tao amin’ny tany Ramesesa, araka izay efa nandidian’i Farao.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

11 Dia namponenin'i Josefa ny rainy sy ny rahalahiny ka nomeny zara-tany tao amin'ny tany Egypta, dia tao amin'ny tany tsara indrindra, tao amin'ny tany Ramesesa, araka izay efa nandidian'i Farao.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

11 Dia namponenin’i Josefa ny rainy sy ny rahalahiny ka nomeny zaratany tao amin’ny tany Ejipta, dia tao amin’ny tany tsara indrindra, tao amin’ny tany Ramesesa, araka izay nandidian’i Farao azy.

Jereo ny toko dika mitovy




Genesisy 47:11
13 Rohy Ifampitohizana  

dia hovalianareo hoe: Olona mpiompy toy ireo razanay izahay mpanomponao, nanomboka hatramin’ny fahazazànay ka mandraka izao. Amin’izay dia hahazo mipetraka ao amin’ny faritr’i Gôsena ianareo, satria maharikoriko ny Ejiptianina ny mpiandry ondry rehetra.


Nipetraka tany Ejipta, tao amin’ny faritr’i Gôsena, ny Israelita. Nahazo zaratany tao izy, dia niteraka, ka nihamaro fatratra.


ary ny tany Ejipta manontolo dia eo anatrehanao; koa izay faritra tsara indrindra no amponeno azy. Mahazo mipetraka ao amin’ny faritr’i Gôsena izy; ary raha fantatrao fa misy olo-mahay amin’izy ireo, dia tendreo ho lehiben’ny fiandrasana ny andiam-biby fiompiko.


Dia nanendry lehiben’ny asa fanompoana ny Ejiptianina mba hampikoy ny Israelita amin’ny asa mafy. Koa nanangana ny tanàna Pitôma sy Rahamsesa ny Israelita mba ho fitahirizam-bokatra ho an’ny Farao.


Niala avy tao an-tanàna Rahamsesa ny Israelita ka nizotra ho any Sokôta; lehilahy mahery misy andiany eninjato eo ho eo no isany, afa-tsy ny zaza amam-behivavy sy ny antitra.


Kanefa hihantona hitambesatra eo amin’i Eliakima avokoa ny sampan’ny fianakavian-drainy na ny lehibe na ny kely, ka tahaka ny fanaka madinika isan-karazany, hatramin’ny lovia ka hatramin’ny siny, mihantona amina tsatòka anankiray.


Niala teo Ramsesa ny Israelita tamin’ny volana voalohany, andro faha-19. Ny ampitson’ny andro Paska voalohany no niaingan’ny Israelita amin-kalalahana teo imason’ny Ejiptianina rehetra.


Ny mpangalatra dia tsy tonga raha tsy hangalatra sy hamono ary handringana; Izaho kosa no tonga dia ny hahavelona aina ny ondry ary hahavelona aina azy tsy misy fetra.


Izaho no manome azy ny aina maharitra mandrakizay ka tsy ho very izy na oviana na oviana, ary tsy hisy haharombaka azy eo an-tanako.


Misy fonenana maro ao an-tranon’ny Raiko; raha tsy izany, dia ho nilaza taminareo ve Aho fa handeha hamboatra toerana ho anareo?


Dia novaliany hoe: –Raha misy olona tia Ahy, dia hitandrina ny teniko izy; ho tia azy ny Raiko, ary Izaho sy ny Raiko dia hankao aminy ka honina ao.


Araka ny nanomezanao Azy fahefana amin’ny olombelona rehetra, dia omeo voninahitra ny Zanakao mba hanomezany aina maharitra mandrakizay an’izay rehetra nomenao Azy.


Ray ô, tiako hiaraka amiko any amin’izay misy Ahy ireo nomenao Ahy mba hahita ny voninahitra nomenao Ahy noho Ianao efa tia Ahy talohan’ny nahariana izao tontolo izao.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra