Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Genesisy 47:1 - DIEM PROTESTANTA

1 Dia lasa i Jôsefa nampandre ny Farao hoe: –Ny raiko sy ny rahalahiko ary ireo ondry aman’osiny sy ny ombiny mbamin’izay rehetra ananany dia tonga avy any amin’ny tany Kanahàna, ka indreo ao amin’ny faritr’i Gôsena izy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

1 Dia nankao amin’i Farao i Josefa ka nilaza taminy hoe: Ny raiko sy ny rahalahiko miaraka amin’ny ondry aman’osiny ary ny ombiny mbamin’izay rehetra ananan’izy ireo dia tonga avy tany amin’ny tany Kanana; koa indreo, eo amin’ny tany Gosena izy.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

1 Dia lasa i Jôsefa nampandre ny Farao hoe: –Ny raiko sy ny rahalahiko ary ireo ondry aman’osiny sy ny ombiny mbamin’izay rehetra ananany dia tonga avy any amin’ny tany Kanahàna, ka indreo ao amin’ny faritr’i Gôsena izy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

1 Dia nankany amin’i Faraôna i Josefa hilaza izany vaovao izany, ka hoy izy: «Tonga avy any amin’ny tany Kanaana ny raiko sy ny rahalahiko mbamin’ny ondriny sy ny ombiny sy izay rehetra ananany; ka indreo izy ao amin’ny tany Gesena.»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

1 ARY Josefa nankao amin’i Farao ka nilaza taminy hoe: Ny raiko sy ny rahalahiko ary ny ondry aman-osiny sy ny ombiny mbamin’izay rehetra ananany dia efa tonga avy tany amin’ny tany Kanana; ka, indreo, ao amin’ny tany Gosena izy.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

1 Ary Josefa nankao amin'i Farao ka nilaza taminy hoe: Ny raiko sy ny rahalahiko ary ny ondry aman'osiny sy ny ombiny mbamin'izay rehetra ananany dia efa tonga avy tany amin'ny tany Kanana; ka, indreo, ao amin'ny tany Gosena izy.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

1 Dia nankao amin’i Farao i Josefa ka nilaza taminy hoe: Ny raiko sy ny rahalahiko miaraka amin’ny ondry aman’osiny ary ny ombiny mbamin’izay rehetra ananan’izy ireo dia tonga avy tany amin’ny tany Kanana; koa indreo, eo amin’ny tany Gosena izy.

Jereo ny toko dika mitovy




Genesisy 47:1
8 Rohy Ifampitohizana  

Hipetraka ao amin’ny faritr’i Gôsena ianao mbamin’ny zanakao sy ny zafikelinao ary koa ny ondry aman’osinao sy ny ombinao ary ny fanananao rehetra; dia ho etỳ akaikiko ianao amin’izay.


Ren’ny tao an-dapan’ny Farao fa hoe tonga ny rahalahin’i Jôsefa; ary nahafaly ny Farao sy ireo olona mpanotrona azy izany.


Nirahin’i Jakôba hialoha azy any amin’i Jôsefa i Joda mba hiangavy azy hankany Gôsena. Rehefa tonga tany Gôsena i Jakôba sy ny ankohonany,


Dia hoy i Jôsefa tamin’ny rahalahiny sy ny olon-kafa ankohonan-drainy: –Handeha hampandre ny Farao aho ka hilaza aminy fa ireo rahalahiko sy ny olon-kafa ankohonan-draiko izay tany amin’ny tany Kanahàna dia efa tonga eto amiko.


dia hovalianareo hoe: Olona mpiompy toy ireo razanay izahay mpanomponao, nanomboka hatramin’ny fahazazànay ka mandraka izao. Amin’izay dia hahazo mipetraka ao amin’ny faritr’i Gôsena ianareo, satria maharikoriko ny Ejiptianina ny mpiandry ondry rehetra.


Fa novalian’i Mosesy hoe: –Tsia, tsy afaka hanao izany izahay satria ny sorona haterinay amin’ny TOMPO Andriamanitray dia fady amin’ny Ejiptianina; koa raha mahita anay hanao sorona toy izany izy ireo, dia hitora-bato anay.


Ny faritany Gôsena izay nonenan’ny Israelita ihany no tsy nisy havandra.


Fa na i Jesoa nanadio ny olombelona ho afaka amin’ny fahotana, na ireo olombelona nodioviny, dia iray fiaviana avokoa. Noho izany, dia tsy menatra i Jesoa miantso azy ireo hoe zandriny,


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra