Novonoin’Andriamanitra ho faty avokoa ny lahimatoa rehetra tamin’io tany io, dia ireo santatry ny hery tamin’ny ankohonana ejiptianina.
Eksodosy 4:23 - DIEM PROTESTANTA Efa nandidy anao Aho mba handefa ny zanako hanao fanompoam-pivavahana amiko, nefa nolavinao; koa hovonoiko ho faty ny zanakao lahimatoa.» Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Koa efa nolazaiko taminao hoe: Avelao ny zanako handeha mba hanompo Ahy; kanjo nandà tsy namela azy handeha ianao; koa indro Aho hamono ny zanakao lahy, ny lahimatoanao. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Efa nandidy anao Aho mba handefa ny zanako hanao fanompoam-pivavahana amiko, nefa nolavinao; koa hovonoiko ho faty ny zanakao lahimatoa.» Baiboly Katolika Ka izao no lazaiko aminao: Avelao handeha ny zanako, hanompo Ahy; fa raha mandà ianao ka tsy mamela azy handeha, hovonoiko ny zanakao, dia ny zanakao lahy matoa.» Baiboly Protestanta Malagasy koa efa nolazaiko taminao hoe: Alefaso ny zanako mba hanompo Ahy; fa efa nandà tsy handefa azy hianao, koa, indro, Izaho hamono ny zanakao lahimatoa. Malagasy Bible koa efa nolazaiko taminao hoe: Alefaso ny zanako mba hanompo Ahy; fa efa nandà tsy handefa azy ianao, koa, indro, Izaho hamono ny zanakao lahimatoa. La Bible en Malgache Koa efa nolazaiko taminao hoe: Avelao ny zanako handeha mba hanompo Ahy; kanjo nandà tsy namela azy handeha ianao; koa indro Aho hamono ny zanakao lahy, ny lahimatoanao. |
Novonoin’Andriamanitra ho faty avokoa ny lahimatoa rehetra tamin’io tany io, dia ireo santatry ny hery tamin’ny ankohonana ejiptianina.
novonoiny ho faty avokoa ny lahimatoa rehetra tany Ejipta, dia ireo santatry ny hery tamin’ny ankohonan’ny terak’i Hama.
Dia nankany amin’ny Farao i Mosesy sy i Aharôna ka nanao taminy hoe: –Ny TOMPO Andriamanitry ny Hebreo dia manontany anao hoe: «Mandrapahoviana no handavanao tsy hanetry tena eo anatrehako? Alefaso handeha ny vahoakako mba hanao fanompoam-pivavahana amiko!
Koa ho faty avokoa ny lahimatoa rehetra ao amin’ny tany Ejipta, manomboka amin’ny lahimatoanao Farao izay mipetraka eo amin’ny sezafiandrianany ka hatramin’ny lahimatoan’ny mpanompovavy mpanodina ny fikosoham-bary ary ny lahimatoan’ny biby fiompy rehetra.
Nony tamin’ny misasakalina dia namono ny lahimatoa rehetra tao amin’ny tany Ejipta ny TOMPO, nanomboka amin’ny lahimatoan’ny Farao izay nipetraka eo amin’ny sezafiandrianany ka hatramin’ny lahimatoan’ny babo tao an-tranomaizina mbamin’ny voalohan-teraky ny biby fiompy rehetra.
Niziriziry tsy nety nandefa anay ny Farao, ka naringan’ny TOMPO ny lahimatoa rehetra tany Ejipta, nanomboka tamin’ny voalohan-teraky ny olona ka hatramin’ny voalohan-teraky ny biby fiompy. Izany no anoloranay ho sorona amin’ny TOMPO ny lahy voalohan-teraka rehetra eo amin’ny biby; fa ny lahimatoa eo amin’ny zanakay kosa dia havotanay.»
Notantarain’i Mosesy tamin’ny rafozany avokoa izay rehetra nataon’ny TOMPO tamin’ny Farao sy ny Ejiptianina noho ny amin’i Israely; notantarainy koa ny zava-tsarotra rehetra niseho teny an-dalana sy ny nanafahan’ny TOMPO ilay vahoakany.
Hihaino anao ireo Israelita; koa mandehàna ianao sy ny loholon’i Israely mankany amin’ny mpanjakan’i Ejipta, ka lazaonareo aminy hoe: «Niseho taminay ny TOMPO Andriamanitry ny Hebreo, ilay Andriamanitray, koa mba avelao izahay handeha lalana telo andro ho any an-taniefitra hanolotra sorona ho AZY.»
Taorian’izany dia nankany amin’ny Farao i Mosesy sy i Aharôna ka niteny taminy hoe: –Izao no nambaran’ny TOMPO, Andriamanitr’i Israely: «Alefaso ny vahoakako mba hanao fety any an-taniefitra ho fanajana Ahy.»
–Mandehana miteny amin’ny Farao, mpanjakan’i Ejipta, mba halefany hiala amin’ny taniny ireo Israelita.
Ka izao no ambarao aminy: «Ny TOMPO, Andriamanitry ny Hebreo, no naniraka ahy hilaza aminao hoe: ‹Alefaso ny vahoakako mba hanao fanompoam-pivavahana amiko any an-taniefitra.› Nefa tsy nihaino ianao mandraka ankehitriny.
Hoy koa ny TOMPO tamin’i Mosesy: –Asaovy ahinjitr’i Aharôna ny tanany mitana ny tehinao ho eny ambonin’ny renirano sy ny lakan-drano ary ny farihy mba hiakaran’ny sahona ho eny amin’ny tany Ejipta.
Hoy ny TOMPO tamin’i Mosesy: –Mifohaza maraina ianao rahampitso, mandehana hiseho eo anatrehan’ny Farao amin’iny izy midina ho eo amoron-drano iny, ka lazao azy hoe: «Izao no andidian’ny TOMPO anao: Alefaso ny vahoakako hanao fanompoam-pivavahana amiko;
fa raha tsy avelanao handeha izy, dia handefasako fihitra betsaka eny aminao sy ny mpanomponao sy ny vahoakanao ary any an-dapanao. Ho feno fihitra ny tranon’ny Ejiptianina sy ny tany izay itoerany koa.
Dia nanao araka izay efa nolazainy tokoa ny Tompo, ka nisy fihitra nivangongo niditra tao an-dapan’ny Farao sy tao an-tranon’ireo tandapany ary manerana an’i Ejipta manontolo. Koa simba ny tany noho ny nataon’ny fihitra.
Hoy ny TOMPO tamin’i Mosesy. –Mankanesa any amin’ny Farao ka lazao aminy hoe: «Ny TOMPO Andriamanitry ny Hebreo dia mandidy anao mba handefa ny vahoakany hanao fanompoam-pivavahana aminy.
Hoy ny TOMPO tamin’i Mosesy: –Mifohaza maraina ianao rahampitso, mandehàna miseho eo anatrehan’ny Farao ka lazao aminy hoe: «Izao no lazain’ny TOMPO, Andriamanitry ny Hebreo, aminao: ‹Alefaso handeha ny vahoakako mba hanao fanompoam-pivavahana amiko.
«Fony mbola tanora i Israely, dia notiaviko, hoy Izaho Tompo; ary zanako izy ka nantsoiko hiala tany Ejipta.»