Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Eksodosy 12:29 - DIEM PROTESTANTA

29 Nony tamin’ny misasakalina dia namono ny lahimatoa rehetra tao amin’ny tany Ejipta ny TOMPO, nanomboka amin’ny lahimatoan’ny Farao izay nipetraka eo amin’ny sezafiandrianany ka hatramin’ny lahimatoan’ny babo tao an-tranomaizina mbamin’ny voalohan-teraky ny biby fiompy rehetra.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

29 Nony misasakalina dia namono ny lahimatoa rehetra tany amin’ny tany Ejipta NY TOMPO, hatramin’ny lahimatoan’i Farao izay nipetraka teo ambonin’ny sezafiandrianany ka hatramin’ny lahimatoan’ny babo izay tao amin’ny tranomaizina, mbamin’izay voalohan-teraky ny biby fiompy rehetra.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

29 Nony tamin’ny misasakalina dia namono ny lahimatoa rehetra tao amin’ny tany Ejipta ny TOMPO, nanomboka amin’ny lahimatoan’ny Farao izay nipetraka eo amin’ny sezafiandrianany ka hatramin’ny lahimatoan’ny babo tao an-tranomaizina mbamin’ny voalohan-teraky ny biby fiompy rehetra.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

29 «Nony nisasaka ny alina dia novonoin’i Iaveh avokoa ny lahimatoa tany amin’ny tany Ejipta, hatramin’ny lahimatoan’i Faraôna mipetraka eo ambonin’ny seza fiandrianany, ka hatramin’ny lahimatoan’ny babo izay tao amin’ny tranomaizina, ary ny lahy voalohan-teraky ny biby rehetra.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

29 Ary nony namatonalina Jehovah namono ny lahimatoa rehetra tany amin’ny tany Egypta, hatramin’ny lahimatoan’i Farao izay nipetraka teo ambonin’ny seza fiandrianany ka hatramin’ny lahimatoan’ny babo izay tao amin’ny trano-maizina, mbamin’izay voalohan-teraky ny biby fiompy rehetra.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

29 Ary nony namatonalina Jehovah namono ny lahimatoa rehetra tany amin'ny tany Egypta, hatramin'ny lahimatoan'i Farao izay nipetraka teo ambonin'ny seza fiandrianany ka hatramin'ny lahimatoan'ny babo izay tao amin'ny trano-maizina, mbamin'izay voalohan-teraky ny biby fiompy rehetra.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

29 Nony misasakalina dia namono ny lahimatoa rehetra tany amin’ny tany Ejipta NY TOMPO, hatramin’ny lahimatoan’i Farao izay nipetraka teo ambonin’ny sezafiandrianany ka hatramin’ny lahimatoan’ny babo izay tao amin’ny tranomaizina, mbamin’izay voalohan-teraky ny biby fiompy rehetra.

Jereo ny toko dika mitovy




Eksodosy 12:29
27 Rohy Ifampitohizana  

Avy eo kosa dia hofaiziko ny firenena izay notompoiny, ka hiainga mitondra fananam-be avy any ireo taranakao.


Ao anatin’ny indray mipy maso monja amin’iny mamatonalina iny no mety hahafatesan’ny olona. Aringan’Andriamanitra ny mpanankarena dia manjavona tsy hita intsony; ary lasa tsy natosiny akory ny mahery.


Novonoin’Andriamanitra ho faty avokoa ny lahimatoa rehetra tamin’io tany io, dia ireo santatry ny hery tamin’ny ankohonana ejiptianina.


Namely ny lahimatoan’ny Ejiptianina Izy, hatramin’ny olombelona ka hatramin’ny biby.


Izy no namely ny lahimatoan’ny Ejiptianina –eny, maharitra mandrakizay ny fitiavany!


Namparin’Andriamanitra ny fahatezerany, ka tsy narovany tamin’ny fahafatesana ireo fa natolony velona ho azon’ny areti-mandringana;


novonoiny ho faty avokoa ny lahimatoa rehetra tany Ejipta, dia ireo santatry ny hery tamin’ny ankohonan’ny terak’i Hama.


Hoy ny TOMPO tamin’i Mosesy: –Mbola asiako loza iray farany ny Farao sy ny Ejiptianina. Aorian’izany vao halefany handeha ianareo; ary horoahiny tanteraka aza ianareo hiala eto.


«Hamakivaky ao amin’ny tany Ejipta Aho amin’io alina io, ka hamono ny lahimatoa rehetra ao aminy manomboka amin’ny olona ka hatramin’ny biby fiompy. Hotanterahiko ny didim-pitsarana hamelezana ny andriamanitry ny Ejiptianina rehetra. Izaho no TOMPO.


Avy eo dia lasa izy ireo ka nanatanteraka araka izay rehetra nandidian’ny TOMPO an’i Mosesy sy i Aharôna.


Niziriziry tsy nety nandefa anay ny Farao, ka naringan’ny TOMPO ny lahimatoa rehetra tany Ejipta, nanomboka tamin’ny voalohan-teraky ny olona ka hatramin’ny voalohan-teraky ny biby fiompy. Izany no anoloranay ho sorona amin’ny TOMPO ny lahy voalohan-teraka rehetra eo amin’ny biby; fa ny lahimatoa eo amin’ny zanakay kosa dia havotanay.»


Efa nandidy anao Aho mba handefa ny zanako hanao fanompoam-pivavahana amiko, nefa nolavinao; koa hovonoiko ho faty ny zanakao lahimatoa.»


Nony ampitso dia notanterahin’ny TOMPO izay efa nambarany, ka maty avokoa ny biby fiompin’ny Ejiptianina; fa ny an’ny Israelita kosa dia tsy nisy maty na iray aza.


Hangonina ho ao an-davaka toy ny gadra avokoa ireny, ka hohidiana an-tranomaizina; ary rehefa ela ny ela, dia hiseho fitsarana izy rehetra.


Indro ho menatra sy ho afa-baràka izay rehetra naneso anao. Hanjary tsinontsinona sy ho levona ny mpanohitra anao.


Vetivety dia hoafahana ny gadra mitanondrika ka tsy ho faty ho any am-pasana ary tsy ho ory hanina intsony.


dia nosintonin’ireo ny tady mahazaka ka nakariny avy tao an-davaka i Jeremià; ary nipetraka tao an-kianjan’ny trano fiambenana izy.


Dia nalain’ireo manamboninahitra efa-dahy ireo i Jeremià ka natsipiny tao amin’ny lavaka famorian-dranon’ny andriana Malkià; fa teo an-kianjan’ny trano fiambenana io lavaka io. Tady mahazaka no nandatsahany an’i Jeremià tao. Nefa tsy nisy rano tao fa fotaka ihany, koa nilentika tamin’ny fotaka i Jeremià.


Areti-mandringana no alefany mialoha Azy, ary tazomahery no mipoitra manaraka ny diany.


Dia hoy ny Tompo hoe: «Ny aminareo kosa, ry mponin’i Tsiôna, noho ianareo nanaovako fanekempihavanana izay nohamafisina tamin’ny ran-tsorona, no efa namoahako ny mpigadranao toy ny avy tao an-davaka tsisy rano.


satria Ahy ny voalohan-teraka rehetra. Tamin’ny andro namelezako ny voalohan-teraka rehetra tany Ejipta no nanokanako ny voalohan-teraka rehetra tamin’ny Israelita ho Ahy, na olona izay na biby fiompy: Ahy ireo. Izaho no TOMPO.


Mbola nandevina ny lahimatoany izay novonoin’ny TOMPO ho faty izy ireo: izany no nampiharan’ny TOMPO tamin’ny andriamaniny ny didy fanamelohana.


Eny, Ahy ny voalohan-teraka rehetra eo amin’ny Israelita, na olona izany na biby; tamin’ilay andro namelezako ny voalohan-teraka rehetra tany Ejipta no nanokanako ny lahimatoa israelita ho Ahy.


Finoana no nanorenan’i Mosesy ny fankalazana ny Paska sy nanomezany baiko hanentenana ra ny varavarana, fandrao mikasika ireo lahimatoa israelita ilay anjely mpandringana ka mamono azy.


ary koa ny Fiangonana ivorian’ireo zanaka malalan’Andriamanitra toa lahimatoany, dia ireo voasoratra anarana any an-danitra. Ny efa nohatoninareo dia Andriamanitra mpitsara ny olona rehetra ary koa ireo fanahin’ny olo-marina efa tonga lafatra.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra