Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -

Eksodosy 12:30 - DIEM PROTESTANTA

30 Tamin’io alina io dia nifoha ny Farao sy ny tandapany ary ny Ejiptianina rehetra fa nisy fidradradradrana mafy nanerana an’i Ejipta, satria ny trano rehetra dia nisy maty avokoa.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

30 Ary raha mbola alina dia nifoha i Farao sy ny mpanompony rehetra ary ny Ejiptiana rehetra, fa nisy fidradradradrana mafy tany Ejipta satria tsy nisy trano izay tsy nahafatesana.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

30 Tamin’io alina io dia nifoha ny Farao sy ny tandapany ary ny Ejiptianina rehetra fa nisy fidradradradrana mafy nanerana an’i Ejipta, satria ny trano rehetra dia nisy maty avokoa.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

30 Nifoha iny alina iny ihany i Faraôna sy ny mpanompony mbamin’ny Ejiptianina rehetra, ka fidradradradràna lozan-tany no re eran’i Ejipta, fa tsy nisy trano tsy nisy maty.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

30 Ary nifoha raha mbola alina Farao, dia izy sy ny mpanompony rehetra ary ny Egyptiana rehetra, fa nisy fidradradradrana mafy tany Egypta, satria tsy nisy trano izay tsy nahafatesana.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

La Bible en Malgache

30 Ary raha mbola alina dia nifoha i Farao sy ny mpanompony rehetra ary ny Ejiptiana rehetra, fa nisy fidradradradrana mafy tany Ejipta satria tsy nisy trano izay tsy nahafatesana.

Jereo ny toko dika mitovy

Eksodosy 12:30
9 Rohy Ifampitohizana  

Namparin’Andriamanitra ny fahatezerany, ka tsy narovany tamin’ny fahafatesana ireo fa natolony velona ho azon’ny areti-mandringana;

Namaly azy tamin’ny rabiraby kosa ny Farao hoe: –Aoka homba anareo anie ny TOMPO, raha izaho no handefa anareo sy ny fianakavianareo! Jereo fa mitady hanao ratsy ianareo.

Hanako eran’i Ejipta ny fidradradradrana lehibe izay tsy mbola nisy toa azy, sady tsy hisy ho toa azy intsony.

Izay manampin-tsofina amin’ny fitarainan’ny mahantra dia tsy hisy hihaino rehefa mba mitaraina koa.

Any amin’ny tanimboaloboka rehetra dia hisy tomanim-pisaonana, satria handalo ao aminareo Aho. Izaho TOMPO no miteny.»

Areti-mandringana no alefany mialoha Azy, ary tazomahery no mipoitra manaraka ny diany.

Nony mamatonalina, dia nisy niantso mafy hoe: «Intỳ tamy ny mpampakatra! Mandehana ianareo mitsena azy!»

satria fitsarana tsy misy indrafo no hataon’Andriamanitra amin’izay tsy namindra fo; ny famindrampo kosa afa-mirehareha tsy matahotra ny fitsarana.

ka izay tsy maty dia voan’ny kitso, ary niakatra ny lanitra ny kiakia-pahoriany.

Araho izahay:

dokam-barotra

dokam-barotra