Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Hosea 11:1 - DIEM PROTESTANTA

1 «Fony mbola tanora i Israely, dia notiaviko, hoy Izaho Tompo; ary zanako izy ka nantsoiko hiala tany Ejipta.»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

1 Fony mbola zaza Israely dia tiako izy ary nantsoiko hiala tany Ejipta ny zanako.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

1 «Fony mbola tanora i Israely, dia notiaviko, hoy Izaho Tompo; ary zanako izy ka nantsoiko hiala tany Ejipta.»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

1 Tia an’i Israely Aho fony mbola zaza izy; ka hatrany Ejipta nisy fiantsoana nataoko ny zanako.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

1 FONY mbola zaza Isiraely, dia tiako izy, Ary nantsoiko hiala tany Egypta ny zanako.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

1 Fony mbola zaza Isiraely, dia tiako izy, ary nantsoiko hiala tany Egypta ny zanako.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

1 Fony mbola zaza Israely dia tiako izy ary nantsoiko hiala tany Ejipta ny zanako.

Jereo ny toko dika mitovy




Hosea 11:1
18 Rohy Ifampitohizana  

Hira fiakarana. Mafy izay nampahoriana ahy hatry ny fony kely izay! –Aoka ny vahoaka Israely hilaza hoe:


«Efa hitanareo izay nanaovako ny Ejiptianina, efa hitanareo koa ny nitondrako anareo atỳ ho eto anilako toy ny itondran’ny voromahery ny zanany eo amin’ny elany.


Dia ambarao amin’ny Farao hoe: «Izao no lazain’ny TOMPO: Zanako lahimatoa ny vahoaka Israely.


Efa nandidy anao Aho mba handefa ny zanako hanao fanompoam-pivavahana amiko, nefa nolavinao; koa hovonoiko ho faty ny zanakao lahimatoa.»


Satria sarobidy eo imasoko ianao, manan-danja amiko sady tiako. Koa nanome olona ho solonao Aho sy firenena maro ho takalon’ny ainao.


Ilaozako ny tranoko ary afoiko ny fananako. Atolotro ho eo an-tanan’ny fahavalony ilay notiaviko tamin’ny foko tokoa.


«Ndeha ataovy antso avo ao Jerosalema fa izao no lazaiko: «Tsaroako ny toetranao fahiny, ry Israely. Endrey izany fifikiranao tamiko fony ianao mbola tanora! Endrey izany fitiavanao Ahy fony ianao mbola fofombadiko! Nanaraka Ahy hatrany an-taniefitra ianao, tany amin’ny faritany tsy nisy zava-maniry.


Nandritra izany fiainanao nanaram-po sy nakaloiloy izany dia tsy mba nahatsiaro akory ny fahazazànao ianao, fony ianao nitanjaka sy niboridana sady nihosina tamin’ny ranao.


Nandalo teo anilanao Aho ka nahita anao nihosina tao amin’ny ranao. Koa nilaza taminao Aho fa tsy maintsy velona ianao na dia mihosin-dra aza; eny, tsy maintsy velona ianao, hoy Aho taminao.


Toy izany no hanjo anareo, ry vahoakan’i Israely, noho ny haratsiana mihoa-pampana vitanareo. Vao maraina ny andro, dia ho faty ny mpanjakan’i Israely.»


Tany Mezôpôtamia ambony no nandosiran’i Jakôba; fa mba hahazoany vady, dia nanompo olona i Israely. Eny, lasa mpiandry ondry izy mba hahazoam-bady.


sady miteny hoe: «Efa nangoron-karena aho ka nahazo fananana be. Ary tsy misy hahitana heloka mandiso ahy amin’izay asa rehetra nisasarako.»


Fa Izaho no TOMPO Andriamanitrao, hatry ny fony ianao tany Ejipta; ary ianao dia tsy mahafantatra andriamani-kafa ankoatrako sy mpamonjy afa-tsy Izaho.


Hofaiziko izy noho ireo andro nandoroany vovo-javamanitra mifangaro ho an’ireo Bahala isan-karazany: niravaka peratra sy firavaka izy, ka nanaraka ireo lehilahy sakaizany; fa Izaho TOMPO kosa nohadinoiny, hoy ny teny hentitra ambarako.


Hoy ny TOMPO taminareo vahoakany: –Tiako ianareo. Nefa nanontanianareo Izy hoe: –Aiza àry ny porofon’ny fitiavanao? Dia novalian’ny TOMPO an-teny hentitra hoe: –Tsy mpirahalahy va i Hesao sy i Jakôba? Nefa i Jakôba no tiako,


Ary nitoetra tany i Jôsefa telo mianaka ambara-pahafatin’i Herôda; koa tanteraka ilay voalazan’ny Tompo tamin’ny alalan’ny mpaminany hoe: «Avy any Ejipta no niantsoako ny zanako!»


Eny, tia ireo fokon’i Israely ianao, ry Tompo! Ambany fifehezanao avokoa ny olona voatokana ho Anao; miankohoka eo an-tongotrao ireo ka samy mandray ny teninao.


Tsy hoe ianareo maro noho ny firenena hafa rehetra no nampiraiki-po ny TOMPO taminareo sy nifidianany anareo, satria vitsy noho ny firenena hafa rehetra aza ianareo.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra