Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Eksodosy 39:42 - DIEM PROTESTANTA

Notanterahin’ny Israelita ny asa rehetra araka izay efa nandidian’ny TOMPO an’i Mosesy.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Araka izay rehetra nandidian’NY TOMPO an’i Mosesy, dia toy izany no nanaovan’ny Zanak’Israely ny asa rehetra.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Notanterahin’ny Israelita ny asa rehetra araka izay efa nandidian’ny TOMPO an’i Mosesy.

Jereo ny toko

Baiboly Katolika

Vitan’ny zanak’i Israely izany asa rehetra izany, araka izay rehetra nandidian’i Iaveh an’i Môizy.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Araka izay rehetra efa nandidian’i Jehovah an’i Mosesy, dia toy izany no nanaovan’ny Zanak’Isiraely ny asa rehetra.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Araka izay rehetra efa nandidian'i Jehovah an'i Mosesy, dia toy izany no nanaovan'ny Zanak'Isiraely ny asa rehetra.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Araka izay rehetra nandidian’NY TOMPO an’i Mosesy, dia toy izany no nanaovan’ny Zanak’Israely ny asa rehetra.

Jereo ny toko



Eksodosy 39:42
15 Rohy Ifampitohizana  

Ary tamin’ny taona faha-11, fony volana Bola na volana faha-8, no nahavitan’izany an-tsakany sy an-davany tamin’ny fombany rehetra. Fito taona no nanaovan’i Salômôna azy.


Ary tsy nialan’ireo ny didin’i Davida mpanjaka momba ny mpisorona sy ny levita na amin’inona na amin’inona, indrindra fa ny amin’ny fitahirizan-drakitra.


Avy eo dia lasa izy ireo ka nanatanteraka araka izay rehetra nandidian’ny TOMPO an’i Mosesy sy i Aharôna.


Ary aoka ny mpahay taozavatra kinga rehetra ao aminareo hivory mba hanatanteraka izay rehetra nodidian’ny TOMPO:


Vita ny asa rehetra momba ny fonena-masina na Tranolay fihaonana. Araka izay rehetra nandidian’ny TOMPO an’i Mosesy no nanatanterahan’ny Israelita izany.


–ny lamba fandrakofana ny fanaka ao amin’ny Toeramasina ary ny fanamiana voatokana hiakanjoan’i Aharôna sy ny zanany lahy eo am-panaovana ny raharahany.


Koa rehefa hitan’i Mosesy fa vita araka izay nandidian’ny TOMPO avokoa ny zavatra rehetra, dia nitsodrano ny Israelita izy.


Dia nankany Farà aho ary nafeniko tany ilay fehikibo araka izay nandidian’ny TOMPO ahy.


Eny, fa na mijanona maharitra roa andro na iray volana na ela noho izany eo ambonin’ny Fonena-masina aza ny rahona, dia mitoby hatrany ny Israelita fa tsy mandeha; rehefa miakatra ny rahona, vao izay izy no miainga.


sady ampianaro hitandrina ny zavatra rehetra nandidiako anareo. Ary indro Aho miaraka aminareo isan’andro vaky mandra-pahatongan’ny fiafaran’izao tontolo izao.


Mikeleza aina mba ho olona voazaha toetra eo imason’Andriamanitra, ka ho mpiasa tsy mahazo henatra amin’ny asany, mamoaka tsara ny teny momba ny fampianarana marim-pototra.


Ny ady tsara no efa vitako, tratrako ny tanjon’ny fihazakazahana, voatanako ny finoana.