Eksodosy 39:43 - DIEM PROTESTANTA43 Koa rehefa hitan’i Mosesy fa vita araka izay nandidian’ny TOMPO avokoa ny zavatra rehetra, dia nitsodrano ny Israelita izy. Jereo ny tokoBaiboly Protestanta Malagasy 201143 Ary nijery ny asa rehetra i Mosesy ka indro, efa natao araka izay nandidian’NY TOMPO izany. Dia nitsodrano ny olona i Mosesy. Jereo ny tokoDikateny Iombonana Eto Madagasikara43 Koa rehefa hitan’i Mosesy fa vita araka izay nandidian’ny TOMPO avokoa ny zavatra rehetra, dia nitsodrano ny Israelita izy. Jereo ny tokoBaiboly Katolika43 Nodinihin’i Môizy ny zava-nataony rehetra, ka hitany fa tanterany tokoa, vitany araka ny nandidian’i Iaveh. Ka dia nitso-drano azy ireo i Môizy. Jereo ny tokoBaiboly Protestanta Malagasy43 Ary nizaha ny asa rehetra Mosesy, ka, indro, efa nataony araka izay nandidian’i Jehovah; dia nisaotra azy Mosesy. Jereo ny tokoMalagasy Bible43 Ary nizaha ny asa rehetra Mosesy, ka, indro, efa nataony araka izay nandidian'i Jehovah; dia nisaotra azy Mosesy. Jereo ny tokoLa Bible en Malgache43 Ary nijery ny asa rehetra i Mosesy ka indro, efa natao araka izay nandidian’NY TOMPO izany. Dia nitsodrano ny olona i Mosesy. Jereo ny toko |
Ary rehefa nitsodrano azy telo tonta i Josoa, dia nandefa azy hody any aminy sady nanafatra azy hoe: –Modia any aminareo miaraka amin’ny harena be, dia ny andiam-biby fiompy maro, ny volafotsy sy volamena, ny varahina sy ny vy, ary ny fitafiana miavosa; ka zarao amin’ireo mpiray foko aminareo ny zavatra nobaboina tamin’ny fahavalonareo. Dia lasa nody tany aminy avy izy telo tonta. Ny antsasapokon’i Manase dia nomen’i Mosesy zaratany tao Basàna, teny ampita atsinanan’i Jôrdàna; ny antsasany kosa nomen’i Josoa zaratany teny ampita andrefan’i Jôrdàna, niaraka tamin’ireo foko hafa.