Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Nomery 9:22 - DIEM PROTESTANTA

22 Eny, fa na mijanona maharitra roa andro na iray volana na ela noho izany eo ambonin’ny Fonena-masina aza ny rahona, dia mitoby hatrany ny Israelita fa tsy mandeha; rehefa miakatra ny rahona, vao izay izy no miainga.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

22 Na roa andro, na iray volana, na ela noho izany aza, no nijanonan’ny rahona teo ambonin’ny tabernakely, dia mbola nitoby ihany ny Zanak’Israely fa tsy niainga; raha vao niakatra kosa ny rahona dia niainga izy.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

22 Eny, fa na mijanona maharitra roa andro na iray volana na ela noho izany eo ambonin’ny Fonena-masina aza ny rahona, dia mitoby hatrany ny Israelita fa tsy mandeha; rehefa miakatra ny rahona, vao izay izy no miainga.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

22 Raha nipetraka teo ambonin’ny Fonenana andro maro, na volana iray na taona iray, ny rahona, dia naharitra nitoby teo ny zanak’i Israely, fa tsy niainga; fa nony vao niakatra izy dia niainga izy ireo.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

22 Ary na indroa andro, na iray volana, na ela aza, no nijanonan’ny rahona teo ambonin’ny tabernakely dia mbola nitoby ihany ny Zanak’Isiraely, fa tsy niainga; fa raha niakatra kosa ny rahona, dia niainga izy.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

22 Ary na indroa andro, na iray volana, na ela aza, no nijanonan'ny rahona teo ambonin'ny tabernakely dia mbola nitoby ihany ny Zanak'Isiraely, fa tsy niainga; fa raha niakatra kosa ny rahona, dia niainga izy.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

22 Na roa andro, na iray volana, na ela noho izany aza, no nijanonan’ny rahona teo ambonin’ny tabernakely, dia mbola nitoby ihany ny Zanak’Israely fa tsy niainga; raha vao niakatra kosa ny rahona dia niainga izy.

Jereo ny toko dika mitovy




Nomery 9:22
18 Rohy Ifampitohizana  

nentiny tamin’ny lala-mahitsy hahatongavana an-tanàna honenana.


Ampianaro aho hanao ny sitrakao, satria Andriamanitro Ianao. Enga anie ny Fanahinao tsara hitarika ahy amin’ny tany marina!


Hoy ny Tompo hoe: «Hampianariko ianao sady hotondroiko ny lalan-kalehanao, hotoroako hevitra sy harahiko maso:


banjino tsara ny màndany, ary diniho fatratra ny lapany; dia ho azonareo tantaraina amin’ny taranaka any aoriana


Ny torohevitrao no itarihanao ahy; avy eo aho dia horaisinao ho any amin’ny voninahitrao.


Nanao lalana tany an-dranomasina Ianao ary sakeli-dalana tany amin’ny rano lalina, nefa tsy nisy nahalala ny soritry ny dianao.


Notanterahin’ny Israelita ny asa rehetra araka izay efa nandidian’ny TOMPO an’i Mosesy.


Notanterahin’i Mosesy an-tsakany sy an-davany ny baiko rehetra nomen’ny TOMPO,


Notanterahin’ny Israelita avokoa izany, araka izay efa nandidian’ny TOMPO an’i Mosesy.


Dia notanterahin’i Mosesy sy i Aharôna mbamin’ny Fiangonan’ny Israelita rehetra tamin’ny Levita izany; dia araka izay efa nandidian’ny TOMPO an’i Mosesy ny amin’ny Levita no nataon’ny Israelita taminy.


Isaky ny miakatra miala amin’ny Tranolay ny rahona, dia miainga ny Israelita, ary eo amin’izay ijanonan’ny rahona no itobiany indray.


Indraindray kosa ny rahona dia tsy mijanona afa-tsy ny hariva ka hatramin’ny maraina ihany; koa rehefa miakatra izy ny maraina, dia miainga ny Israelita. Ary na indray andro sy indray alina aza no ijanonan’ny rahona, rehefa miakatra izy dia miainga ny Israelita.


Ary indray andro i Jesoa dia niara-nisakafo taminy ka nanafatrafatra azy hoe: –Aza miala eto Jerosalema, fa andraso ilay fanomezana nampanantenain’ny Ray, izay efa renareo tamiko.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra