Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Nomery 9:21 - DIEM PROTESTANTA

21 Indraindray kosa ny rahona dia tsy mijanona afa-tsy ny hariva ka hatramin’ny maraina ihany; koa rehefa miakatra izy ny maraina, dia miainga ny Israelita. Ary na indray andro sy indray alina aza no ijanonan’ny rahona, rehefa miakatra izy dia miainga ny Israelita.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

21 Indraindray dia nijanona hatramin’ny hariva ka hatramin’ny maraina ihany ny rahona, ary raha niakatra izany nony maraina dia niainga ny Zanak’Israely. Koa na andro na alina no niakaran’ny rahona dia niainga izy ireo.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

21 Indraindray kosa ny rahona dia tsy mijanona afa-tsy ny hariva ka hatramin’ny maraina ihany; koa rehefa miakatra izy ny maraina, dia miainga ny Israelita. Ary na indray andro sy indray alina aza no ijanonan’ny rahona, rehefa miakatra izy dia miainga ny Israelita.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

21 Raha nipetraka hatramin’ny hariva ka hatramin’ny maraina ny rahona, ary niakatra nony maraina, dia niainga izy ireo, na raha afaka indray andro sy indray alina, vao niakatra ny rahona, dia niainga izy ireo.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

21 Ary indraindray kosa dia nijanona hatramin’ny hariva ka hatramin’ny maraina ihany ny rahona, ary raha niakatra izy nony maraina, dia niainga ny Zanak’Isiraely; koa na andro na alina no niakaran’ny rahona, dia niainga izy.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

21 Ary indraindray kosa dia nijanona hatramin'ny hariva ka hatramin'ny maraina ihany ny rahona, ary raha niakatra izy nony maraina, dia niainga ny Zanak'Isiraely; koa na andro na alina no niakaran'ny rahona, dia niainga izy.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

21 Indraindray dia nijanona hatramin’ny hariva ka hatramin’ny maraina ihany ny rahona, ary raha niakatra izany nony maraina dia niainga ny Zanak’Israely. Koa na andro na alina no niakaran’ny rahona dia niainga izy ireo.

Jereo ny toko dika mitovy




Nomery 9:21
4 Rohy Ifampitohizana  

Andry rahona no nitarihanao azy raha antoandro, ary andry afo kosa nony alina, mba hanazava ny lalan-kalehany.


kanefa noho Ianao be famindrampo, dia tsy nafoinao tany an-taniefitra izy: Ny andry rahona, izay nitari-dalana azy raha antoandro, dia tsy niala teo akaikiny na ny andry afo nony alina mba hanazava ny lalan-kalehany,


Indraindray dia andro vitsivitsy ihany no nijanonan’ny rahona teo ambonin’ny Fonena-masina, koa baikon’ny TOMPO ihany no itobiany, ary baikon’ny TOMPO ihany no iaingany.


Eny, fa na mijanona maharitra roa andro na iray volana na ela noho izany eo ambonin’ny Fonena-masina aza ny rahona, dia mitoby hatrany ny Israelita fa tsy mandeha; rehefa miakatra ny rahona, vao izay izy no miainga.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra