Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Eksodosy 39:32 - DIEM PROTESTANTA

32 Vita ny asa rehetra momba ny fonena-masina na Tranolay fihaonana. Araka izay rehetra nandidian’ny TOMPO an’i Mosesy no nanatanterahan’ny Israelita izany.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

32 Dia vita ny asa rehetra tamin’ny tabernakely, dia ny tranolay fihaonana, satria efa nanatanteraka izay rehetra nandidian’NY TOMPO an’i Mosesy ny Zanak’Israely.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

32 Vita ny asa rehetra momba ny fonena-masina na Tranolay fihaonana. Araka izay rehetra nandidian’ny TOMPO an’i Mosesy no nanatanterahan’ny Israelita izany.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

32 Dia vita ny zavatra rehetra momba ny Fonenana, ny trano lay fihaonana; sady tanteraky ny zanak’i Israely araka ny nandidian’i Iaveh an’i Môizy avokoa. Izany no nataony.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

32 Ary vita ny asa rehetra tamin’ny tabernakelin’ny trano-lay fihaonana; fa ny Zanak’Isiraely efa nanao araka izay rehetra nandidian’i Jehovah an’i Mosesy.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

32 Ary vita ny asa rehetra tamin'ny tabernakelin'ny trano-lay fihaonana; fa ny Zanak'Isiraely efa nanao araka izay rehetra nandidian'i Jehovah an'i Mosesy.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

32 Dia vita ny asa rehetra tamin’ny tabernakely*, dia ny tranolay fihaonana*, satria efa nanatanteraka izay rehetra nandidian’NY TOMPO an’i Mosesy ny Zanak’Israely.

Jereo ny toko dika mitovy




Eksodosy 39:32
24 Rohy Ifampitohizana  

Ary tamin’ny taona faha-11, fony volana Bola na volana faha-8, no nahavitan’izany an-tsakany sy an-davany tamin’ny fombany rehetra. Fito taona no nanaovan’i Salômôna azy.


Rehefa vitan’i Hirama ny kovetabe sy ny lapelina ary ny tsatokaty famafazana, dia efany avokoa izay tokony ho nataony ho an’i Salômôna mpanjaka tao amin’ny tranon’ny TOMPO, dia ireto avy:


Dia hoy i Davida hoe: –Izany rehetra izany, anaka, dia ao anatina rakitsoratra avy tamin’ny TOMPO, rakitsoratra izay nampahafantatra ahy ny asa rehetra asehon’ny sary.


Avy eo dia lasa izy ireo ka nanatanteraka araka izay rehetra nandidian’ny TOMPO an’i Mosesy sy i Aharôna.


Imasoy, ry Mosesy, ny hanatanterahana ny asa araka ny môdely izay nasehoko anao teto an-tendrombohitra.


dia ny Tranolay fihaonana, ny Vatamasina misy ny raki-tsoratry ny fanekempihavanana, ny saron’ny Vatamasina, ny fitaovana rehetra momba ny tranolay masina,


Dia nafatotra tamin’ny tady volon’ondry miloko volomparasy teo ambonin’ny satroka fehiloha izany, araka izay efa nandidian’ny TOMPO an’i Mosesy.


Nentin’ny Israelita tany amin’i Mosesy avokoa ny zavatra momba ny fonena-masina, dia: –ny tranolay sy ny fitaovana rehetra miaraka aminy toy ny farango, ny hazo fisaka, ny barany, ny andry ary ny faladiany;


Niteny tamin’i Mosesy ny TOMPO hoe:


Ao no hametrahana ny Vatamasina misy ny raki-tsoratry ny fanekempihavanana ka ho takona ao am-badiky ny efitra lamba.


Nisasa toy izany ireo isaky ny hiditra ao amin’ny Tranolay fihaonana sy hanatona ny alitara, araka izay efa nandidian’ny TOMPO an’i Mosesy.


Ny Kehatita no miandraikitra ny Vatamasina, ny latabatra masina, ny fitoeran-jiro sy ny alitara roa ary ny fanaky ny Toeramasina izay fanaovana fanompoam-pivavahana, ary ny varavarana lamba. Nisahana ny fikarakarana rehetra momba ireny ny Kehatita.


sady ampianaro hitandrina ny zavatra rehetra nandidiako anareo. Ary indro Aho miaraka aminareo isan’andro vaky mandra-pahatongan’ny fiafaran’izao tontolo izao.


Fa i Jesoa dia nahatoky an’Andriamanitra teo amin’ny andraikitra nanendreny Azy, nahatoky tahaka an’i Mosesy izay voalazan’ny Soratra Masina hoe: «Nahatoky tao amin’ny tranon’Andriamanitra manontolo izy.»


Ny fanompoam-pivavahana ataon’ireo mpisorona ireo dia sarintsary sy tandindon’ny ao an-danitra fotsiny; tahaka ny natoron’Andriamanitra tamin’i Mosesy ihany izany, fa nony efa hanao ny tranolay izy dia nilazan’Andriamanitra hoe: «Tandremo mba ho araka ny ohatra nasehoko anao tany an-tendrombohitra no hanaovanao ny zavatra rehetra.»


Dia hoy indray i Samoela hoe: –Moa sitraky ny TOMPO mihoatra noho ny fankatoavana AZY ve ny sorona dorana manontolo sy sorona hafa? Tsia! Fa tsara noho ny sorona rehetra ny fankatoavana AZY ary tsara noho ny jaboran’ondrilahy ny fanekena Azy.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra