Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




2Tantara 8:15 - DIEM PROTESTANTA

15 Ary tsy nialan’ireo ny didin’i Davida mpanjaka momba ny mpisorona sy ny levita na amin’inona na amin’inona, indrindra fa ny amin’ny fitahirizan-drakitra.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

15 Ary tsy nialan’ireo ny didin’ny mpanjaka tamin’ny mpisorona sy ny levita na amin’inona na amin’inona, indrindra fa ny amin’ny trano fitahirizana.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

15 Ary tsy nialan’ireo ny didin’i Davida mpanjaka momba ny mpisorona sy ny levita na amin’inona na amin’inona, indrindra fa ny amin’ny fitahirizan-drakitra.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

15 Tsy nihatahana ny didin’ny mpanjaka momba ny mpisorona sy ny Levita, na amin’ny zavatra inona na amin’ny zavatra inona, indrindra fa ny amin’ny momba ny rakitra.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

15 Ary tsy nialan’ireo ny didin’ny mpanjaka tamin’ny mpisorona sy ny Levita na amin’inona na amin’inona, indrindra fa ny amin’ny rakitra.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

15 Ary tsy nialan'ireo ny didin'ny mpanjaka tamin'ny mpisorona sy ny Levita na amin'inona na amin'inona, indrindra fa ny amin'ny rakitra.

Jereo ny toko dika mitovy




2Tantara 8:15
7 Rohy Ifampitohizana  

Rehefa vita ny asa rehetra nataon’i Salômôna ho an’ny tranon’ny TOMPO, dia nasainy nentina ny zavatra efa natokan’i Davida rainy ho an’Andriamanitra, dia ny volafotsy sy volamena ary ny kojakoja samihafa ka napetrany tao amin’ny efitrano fitahirizan-drakitry ny tranon’ny TOMPO.


Ny sasany kosa notendrena hiadidy ny tavoara, dia ireo tavoara masina rehetra, ary koa hiadidy ny koba lafarinina sy ny divay ary ny menaka mbamin’ny vovo-javamanitra sy ny zava-mamerovero hafa;


Ny fahefàn’Andriamanitra kosa dia niasa tamin’ny Jodeanina ka nampiray fo azy hankatò ny didin’ny mpanjaka sy ny manampahefana, araka ny tenin’ny TOMPO.


Araka ny fandaharan’i Davida rainy, dia notendren’i Salômôna ny antokon’ny mpisorona ho amin’ny fanompoany avy ary ny levita ho amin’ny raharahany, dia ny hidera ny Tompo sy hanampy ny mpisorona amin’ny fanompoam-pivavahana fanao isan’andro; notendreny koa ny mpiandry varavarana, araka ny antokony amin’ny isam-bavahady. Izany rahateo no nandidian’i Davida olon’Andriamanitra azy.


Toy izany no nahatontosana ny asa rehetra nokasain’i Salômôna, hatramin’ny andro nanorenana ny tranon’ny TOMPO ka ambaram-pahavitany; ka dia lavorary ny tranon’ny TOMPO.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra