Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera

- dokam-barotra -




2Tantara 8:14 - DIEM PROTESTANTA

14 Araka ny fandaharan’i Davida rainy, dia notendren’i Salômôna ny antokon’ny mpisorona ho amin’ny fanompoany avy ary ny levita ho amin’ny raharahany, dia ny hidera ny Tompo sy hanampy ny mpisorona amin’ny fanompoam-pivavahana fanao isan’andro; notendreny koa ny mpiandry varavarana, araka ny antokony amin’ny isam-bavahady. Izany rahateo no nandidian’i Davida olon’Andriamanitra azy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

14 Notendreny koa ny antokon’ny mpisorona, araka ny nandaharan’i Davida rainy azy ho amin’ny fanompoany avy, ary ny levita koa ho amin’ny anjara raharahany, dia ny hidera sy hanao fanompoam-pivavahana eo anoloan’ny mpisorona araka ny raharaha fanao isanandro, ary ny mpiandry varavarana dia araka ny antokony amin’ny isam-bavahady; fa izany no didy nomen’i Davida, lehilahin’Andriamanitra, azy.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

14 Araka ny fandaharan’i Davida rainy, dia notendren’i Salômôna ny antokon’ny mpisorona ho amin’ny fanompoany avy ary ny levita ho amin’ny raharahany, dia ny hidera ny Tompo sy hanampy ny mpisorona amin’ny fanompoam-pivavahana fanao isan’andro; notendreny koa ny mpiandry varavarana, araka ny antokony amin’ny isam-bavahady. Izany rahateo no nandidian’i Davida olon’Andriamanitra azy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

14 Notendreny, araka ny nandaharan’i Davida rainy azy, ny antokon’ny mpisorona ho amin’ny fanompoany, sy ny Levita ho amin’ny anjara raharahany, hankalaza an’i Iaveh sy hanao fanompoana eo anoloan’ny mpisorona, araka ny fandaharana ny andro isany, ary ny mpiandry varavarana ho an’ny isam-baravarana araka ny antokony avy, fa toy izany no nandaharan’i Davida, olon’Andriamanitra, azy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

14 Ary notendreny koa ny antokon’ny mpisorona araka ny nandaharan’i Davida rainy azy ho amin’ny fanompoany avy ary ny Levita ho amin’ny anjara-raharahany koa, dia ny hidera sy hanao fanompoam-pivavahana eo anoloan’ny mpisorona araka ny raharaha fanao isan-andro, ary ny mpiandry varavarana araka ny antokony amin’ny isam-bavahady; fa izany no nandidian’i Davida lehilahin’Andriamanitra, azy.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

14 Ary notendreny koa ny antokon'ny mpisorona araka ny nandaharan'i Davida rainy azy ho amin'ny fanompoany avy ary ny Levita ho amin'ny anjara-raharahany koa, dia ny hidera sy hanao fanompoam-pivavahana eo anoloan'ny mpisorona araka ny raharaha fanao isan'andro, ary ny mpiandry varavarana araka ny antokony amin'ny isam-bavahady; fa izany no nandidian'i Davida lehilahin'Andriamanitra, azy.

Jereo ny toko dika mitovy




2Tantara 8:14
33 Rohy Ifampitohizana  

Ny Fanahin’ny TOMPO no mampiteny ahy sy mametraka ao am-bavako ny teniny.


Noho ny baikon’ny TOMPO, dia nisy olon’Andriamanitra avy any Joda tonga tany Betela raha mbola nandoro sorona hanetona teo amin’ny alitara i Jerôbohama.


Dia teo anoloan’ny Vatamasina mirakitra ny fanekempihavanan’ny TOMPO teo i Davida no nanankina adidy tamin-dry i Asafa sy ny namany mba hanao fanompoam-pivavahana tsy an-kiato eo, araka ny raharaha tokony hatao isan’andro;


Niaraka tamin’i Hemàna sy i Jedotòna, dia nisy trompetra sy kipantsona natao hampanenoina ary zava-maneno hafa natao hanarahana ny hira ho an’Andriamanitra; ary ny zanakalahin’i Jedotòna no mpiandry vavahady.


Nony efa tratrantitra sy voky andro i Davida, dia i Salômôna zanany lahy no nataony mpanjaka tamin’i Israely.


Ny amin’ireo taranak’i Aharôna dia nisy fitsinjarana azy ho antokony. Ny zanakalahin’i Aharôna dia i Nadaba sy i Abihò ary i Elehazara sy i Itamara.


Tatỳ aoriana, dia i Davida sy i Tsadôka taranak’i Elehazara mbamin’i Ahimelèka taranak’i Itamara, no nitsinjara ireo taranak’i Aharôna ho antokony araka ny tandrifin’ny fanompoany avy.


I Davida sy ny lehiben’ireo andiana levita voatokana ho an’ny fanompoam-pivavahana dia nanavaka ny taranak’i Asafa sy i Hemàna ary i Jedotòna, ho mpampita an-kira ny hafatr’Andriamanitra, ombàn’ny lokanga sy ny valiha ary ny kipantsona; ka izao no isan’ny lehilahy mpanao izany raharaha izany araka ny fanompoany avy:


Ny amin’ny mpiandry vavahady, dia izao no fitsinjarana azy ho antokony: Tamin’ny taranak’i Kôra dia i Meselemià zanakalahin’i Kôra sady zafin’i Abiasafa.


Dia hoy i Davida hoe: –Izany rehetra izany, anaka, dia ao anatina rakitsoratra avy tamin’ny TOMPO, rakitsoratra izay nampahafantatra ahy ny asa rehetra asehon’ny sary.


Ny mpiandry vavahady dia ry i Saloma sy i Hakoba ary i Talmôna sy i Ahimàna mbamin’ireo namany; ka i Saloma no filohany.


Izy efa-dahy filohan’ny mpiandry vavahady no nanankinana ny vavahady efatra, dia teo atsinanana sy andrefana ary teo avaratra sy atsimo;


Dia nametrahan’i Jôiadà mpiandry varavarana teo am-bavahadin’ny tranon’ny TOMPO mba tsy hisy zavatra na olona maloto ara-pivavahana ho tafiditra ao na inona na inona antony.


Koa izao no hataonareo: ianareo mpisorona sy levita izay milatsaka amin’ny andro sabata, dia aoka ny ampahatelonareo ho mpiandry ny varavaran’ny tempoly,


Ary napetraky ny mpanjaka tao an-tranon’ny TOMPO ireo levita ombàn’ny kipantsona sy valiha ary lokanga, araka ny didy nataon’i Davida mpanjaka ary koa nataon’i Gada mpahitany sy i Natàna mpaminany; izany no didy nampitain’ny TOMPO tamin’ny alalan’ireo mpaminaniny.


Najoron’i Hezekià indray ny antokon’ny mpisorona sy ny levita; ary ankoatra ny fitsinjarana azy araka ny antokony, dia teo koa ny fitsinjarana azy araka ny fanompoany avy. Tao anatin’ireo kianjan’ny tranon’ny TOMPO manko dia nisy mpisorona sy levita nisahana ny sorona dorana manontolo, nisy nisahana ny sorom-pihavanana, ary nisy nisahana ny fanompoam-pivavahana isaorana sy iderana ny Tompo.


Dia nizotra toy izao ny fanompoam-pivavahana. Samy teo amin’ny toerany avy ny mpisorona, ary samy teo amin’ny antokony avy ny levita, araka ny baikon’ny mpanjaka.


Ireo mpihira, taranak’i Asafa, dia teo amin’ny toerany araka ny fepetra nataon’i Davida ary koa nataon’i Asafa sy i Hemàna mbamin’i Jedotòna izay samy mpanoro hevitra ny mpanjaka; ary ny mpiandry varavarana dia teo amin’ny isam-bavahady. Noho ireo tsy afaka niala tamin’ny fanompoany, dia ny levita namany koa no nanamboatra ny sakafo Paska ho azy.


ary samia mitsinjara araka ny tarikareo sy ny antokonareo avy ianareo, fa izany no fepetra voasoratr’i Davida mpanjakan’i Israely ary koa i Salômôna zanakalahiny.


Dia nivoaka ny Toeramasina ny mpisorona (fa ny mpisorona rehetra teo moa dia samy efa nanokan-tena, satria tsy nisy fitandroana ny filaharan’ny antokony tamin’izay).


Ary tsy nialan’ireo ny didin’i Davida mpanjaka momba ny mpisorona sy ny levita na amin’inona na amin’inona, indrindra fa ny amin’ny fitahirizan-drakitra.


Dia nisy fanendrena ny mpisorona sy ny levita ho amin’ny antokony avy sy araka ny andraikiny avy, mba hanao ny fanompoana an’Ilay Andriamanitra Izay ao Jerosalema, araka ny voasoratra ao anatin’ny bokin’i Mosesy.


Ny lohandohan’ny levita, izany hoe i Hasabià sy i Serebià ary i Jesoa mbamin’ny Binoy sy i Kadmiela, dia nifanatrika tamin’ireo levita namany mba hidera sy hisaotra an’Andriamanitra, rehefa tonga ny anjara fanompoany. Ny fandaharana nataon’i Davida olon’Andriamanitra no narahiny tamin’izany.


Ny mpiandry varavarana kosa dia ry i Matanià sy i Bakbokià, i Hôbadià sy i Mesolama, ary i Talmôna sy i Hakoba; andraikiny koa ny fiambenana ireo trano fitobian’entana teo akaikin’ny vavahadin’ny tempoly.


mbamin’ireo naman’i Zakarià, dia i Semahià sy i Hazarela, i Milalay sy i Gilalay; i Mahay sy i Netaneela, ary i Joda sy i Hananỳ, izay samy nitondra ny zava-maneno namboarin’i Davida olon’Andriamanitra. I Hezrà mpahay lalàna no nialoha ireo mpiray dia ireo.


Tamin’ny andron’i Herôda mpanjakan’i Jodea, dia nisy mpisorona natao hoe Zakarià, isan’ny antoko-mpisoron’i Abià. Taranak’i Aharôna mpisorombe ny vadiny ary i Elizabeta no anarany.


Indray andro dia nanao fisoronana teo anatrehan’Andriamanitra tao an-tempoly i Zakarià, satria tonga ny anjaran’ny antokony.


Nesorin’Andriamanitra i Saoly, fa notendreny ho mpanjakan’izy ireo kosa i Davida, ilay nijoroany ho vavolombelona ka nilazany hoe: «Efa hitako i Davida, zanak’i Jisay; lehilahy araka izay niriko i Davida ka hanatontosa ny sitrapoko rehetra.»


Eny, i Davida, rehefa nanatanteraka ny fikasan’Andriamanitra hahasoa ny mpiara-belona taminy, dia nodimandry ka nalevina mifanila amin’ireo razany ary tratry ny fahalòvana.


Rehefa nadiva ho faty i Mosesy, lehilahin’Andriamanitra, dia izao no tsodrano nataony tamin’ny Israelita:


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra