Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Eksodosy 39:41 - DIEM PROTESTANTA

41 –ny lamba fandrakofana ny fanaka ao amin’ny Toeramasina ary ny fanamiana voatokana hiakanjoan’i Aharôna sy ny zanany lahy eo am-panaovana ny raharahany.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

41 ny fitafiana fitondra amin’ny fanompoana, izay hoenti-manao fanompoam-pivavahana ao amin’ny fitoerana masina ho an’i Arona mpisorona ary ny fitafian’ireo zanany izay hoenti-manao fisoronana.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

41 –ny lamba fandrakofana ny fanaka ao amin’ny Toeramasina ary ny fanamiana voatokana hiakanjoan’i Aharôna sy ny zanany lahy eo am-panaovana ny raharahany.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

41 ny fanamiana hoenti-manao ny fanompoana ao amin’ny fitoerana masina, ny fanamiana masina ho an’i Aarôna mpisorona, sy ny fanamian’ireo zanany, fitondrany amin’ny raharaham-pisoronana.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

41 ary ny fitafiana makarakara ho enti-manao fanompoam-pivavahana ao amin’ny fitoerana masina ho an’i Arona mpisorona sy ny fitafian’ny zanany ho entiny manao fisoronana.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

41 ary ny fitafiana makarakara ho enti-manao fanompoam-pivavahana ao amin'ny fitoerana masina ho an'i Arona mpisorona sy ny fitafian'ny zanany ho entiny manao fisoronana.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

41 ny fitafiana fitondra amin’ny fanompoana, izay hoenti-manao fanompoam-pivavahana ao amin’ny fitoerana masina ho an’i Arona mpisorona ary ny fitafian’ireo zanany izay hoenti-manao fisoronana.

Jereo ny toko dika mitovy




Eksodosy 39:41
7 Rohy Ifampitohizana  

Hanaovana fanamiana voatokana i Aharôna ho mariky ny voninahitra amam-piandrianany.


Hatohy tady volomparasy ny haban’ny saron-tratra sy ny haban’ny efôda mba ho eo ambonin’ny beritelon’ny efôda ilay saron-tratra ka tsy hifindrafindra eo amin’ny efôda.


«Ary ireo zanakalahin’i Aharôna koa dia hanaovana fanamiana mihaja sy be voninahitra, dia akanjo lava sy fehikibo ary satroka boribory.


ny lamba fandrakofana ny fanaka, ny fanamiana voatokana hiakanjoan’i Aharôna sy ny zanany lahy eo am-panaovana ny raharahany,


Volon’ondry miloko volomparasy sy mena ary jaky no nanaovana ny lamba fandrakofana ny fanaka fampiasa tao amin’ny Toeramasina sy ny fanamiana voatokana ho an’i Aharôna, araka izay efa nandidian’ny TOMPO an’i Mosesy.


–ny temitry ny kianja miaraka amin’ny andriny sy ny faladiany, ny varavarana lamba eo amin’ny vavahadin’ny kianja, miaraka amin’ny tadiny sy ny tsîmatra; –ny fitaovana rehetra fampiasa amin’ny raharaha ao amin’ny fonena-masina na hoe Tranolay fihaonana;


Notanterahin’ny Israelita ny asa rehetra araka izay efa nandidian’ny TOMPO an’i Mosesy.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra