Fa ny alitara halimo izay namboarin’i Betsalela zanakalahin’i Orỳ sady zafikelin’i Hora kosa dia teo anoloan’ny Fonena-masin’ny Tompo tao Gibehôna. Teo no nahatongavan’i Salômôna sy ny Israelita tafangona mba hanontany ny TOMPO.
Eksodosy 31:2 - DIEM PROTESTANTA –Jereonao fa nofidiko i Betsalela, zanakalahin’i Orỳ sady zafikelin’i Hora, avy amin’ny fokon’i Joda, Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Indro, efa notononiko anarana i Bezalila, zanak’i Ory, zanak’i Hora, avy amin’ny fokon’i Joda; Dikateny Iombonana Eto Madagasikara –Jereonao fa nofidiko i Betsalela, zanakalahin’i Orỳ sady zafikelin’i Hora, avy amin’ny fokon’i Joda, Baiboly Katolika «Aoka ho fantatrao fa efa nantsoiko tamin’ny anarany i Beseleela, zanak’i Orì, zanak’i Hora, avy amin’ny fokon’i Jodà. Baiboly Protestanta Malagasy Indro, efa notononiko anarana Bezalila, zanak’i Ory, zanak’i Hora, avy amin’ny firenen’i Joda; Malagasy Bible Indro, efa notononiko anarana Bezalila, zanak'i Ory, zanak'i Hora, avy amin'ny firenen'i Joda; La Bible en Malgache Indro, efa notononiko anarana i Bezalila, zanak’i Ory, zanak’i Hora, avy amin’ny fokon’i Joda; |
Fa ny alitara halimo izay namboarin’i Betsalela zanakalahin’i Orỳ sady zafikelin’i Hora kosa dia teo anoloan’ny Fonena-masin’ny Tompo tao Gibehôna. Teo no nahatongavan’i Salômôna sy ny Israelita tafangona mba hanontany ny TOMPO.
Dia lasa i Josoa niady tamin’ny Hamalekita araka izay efa nandidian’i Mosesy azy; fa i Mosesy sy i Aharôna ary i Hora kosa dia niakatra teny an-tampon’ny havoana.
Hoy i Mosesy tamin’ny TOMPO: –Jereo ange, TOMPO ô! Ianao nandidy ahy mba hitarika ity vahoaka ity, nefa tsy nanondro izay tianao halefa hanampy ahy. Ianao ihany no nilaza fa fantatrao mihitsy aho ary nahazo fanambinana teo imasonao.
Dia hoy ny TOMPO tamin’i Mosesy: –Hotanterahiko na dia izay vao nolazainao teo aza. Nahazo fanambinana teo imasoko manko ianao sady efa fantatro mihitsy.
Hoy i Mosesy tamin’ny Israelita: –Jereonareo fa nofidin’ny TOMPO i Betsalela, zanakalahin’i Orỳ sady zafikelin’i Hora, avy amin’ny fokon’i Joda,
I Betsalela sy i Ôhôliaba mbamin’ireo mpahay taozavatra hafa, izay nomen’ny TOMPO fahakingana sy faharanitan-tsaina ilaina hanatanterahana ny asa, dia hanamboatra ny zavatra rehetra hampiasaina amin’ny fanompoam-pivavahana ao amin’ny Toeramasina araka izay rehetra nodidian’ny TOMPO.
Namboarin’i Betsalela tamin’ny hazo mimôzà ny Vatamasina; ka mirefy 125 santimetatra ny lavany, 75 santimetatra ny sakany ary 75 santimetatra ny haavony.
I Betsalela, zanakalahin’i Orỳ sady zafikelin’i Hora, avy amin’ny fokon’i Joda, no nanatanteraka izay rehetra nandidian’ny TOMPO an’i Mosesy.
I Ôhôliaba, zanakalahin’i Ahisamàka avy amin’ny fokon’i Dana, izay mpandidy vatosoa sy mpanao sary ary mpanao peta-kofehy amin’ny volon’ondry miloko volomparasy sy mena ary jaky sady mpanao peta-kofehy amin’ny kiran-drongony, no nanampy azy tamin’izany.
Fa izao kosa no navalin’i Jôhany: –Tsy misy olona afaka mandray na inona na inona, raha tsy nomen’Andriamanitra azy izany.