Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera

- dokam-barotra -




Eksodosy 33:17 - DIEM PROTESTANTA

17 Dia hoy ny TOMPO tamin’i Mosesy: –Hotanterahiko na dia izay vao nolazainao teo aza. Nahazo fanambinana teo imasoko manko ianao sady efa fantatro mihitsy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

17 Ary hoy NY TOMPO tamin’i Mosesy: Hataoko koa izao zavatra nolazainao izao; fa mahita fitia eo imasoko ianao, ary mahalala anao amin’ny anaranao Aho.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

17 Dia hoy ny TOMPO tamin’i Mosesy: –Hotanterahiko na dia izay vao nolazainao teo aza. Nahazo fanambinana teo imasoko manko ianao sady efa fantatro mihitsy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

17 Dia hoy i Iaveh tamin’i Môizy: «Hataoko indray koa izao zavatra angatahinao izao, satria efa nahita fitia teo imasoko ianao, sady fantatro amin’ny anaranao ianao.»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

17 Ary hoy Jehovah tamin’i Mosesy: Izao zavatra nolazainao izao dia hataoko koa; fa nahita fitia eo imasoko hianao, ary mahalala anao tokoa Aho.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

17 Ary hoy Jehovah tamin'i Mosesy: Izao zavatra nolazainao izao dia hataoko koa; fa nahita fitia eo imasoko ianao, ary mahalala anao tokoa Aho.

Jereo ny toko dika mitovy




Eksodosy 33:17
11 Rohy Ifampitohizana  

Ka hoy indray i Abrahama: –Miangavy re, Tompo ô, aoka tsy ho tezitra Ianao fa hiteny farany aho. Angamba tsy hahitana afa-tsy folo ao. Ary novalian’ny Tompo hoe: –Tsy handrava ny tanàna Aho noho ny amin’ireo folo.


Marina fa nahita fitia teo imasonao aho ary lehibe ny famindramponao tamiko tamin’ny namonjenao ny aiko. Kanefa tsy ho afaka mandositra hatrany an-tendrombohitra akory aho, dia ho tratry ny loza ka ho faty.


Ka hoy ilay anjely anankiray hoe: –Eny àry, fa efa nekeko koa ny fangatahanao ka tsy hokasihiko ny tanàna izay voalazanao.


Fa i Noà kosa nahita famindrampo teo imason’ny TOMPO.


Hoy i Mosesy tamin’ny TOMPO: –Jereo ange, TOMPO ô! Ianao nandidy ahy mba hitarika ity vahoaka ity, nefa tsy nanondro izay tianao halefa hanampy ahy. Ianao ihany no nilaza fa fantatrao mihitsy aho ary nahazo fanambinana teo imasonao.


Homeko anao ny raki-tsoany napetrany tao amin’ny toerana maizina sy ny harena nafeniny ao amin’ny mangingina, mba hahafantaranao fa Izaho no TOMPO Izay miantso anao amin’ny anaranao; Izaho no Andriamanitr’i Israely.


Mbola tsy miantso akory izy, dia efa hamaly azy Aho; ary mbola tsy tapi-miteny izy, dia efa azoko ny tiany holazaina.


Amin’izany andro izany, dia tsy hanontany Ahy na inona na inona intsony ianareo. Lazaiko marina dia marina aminareo fa na inona na inona hangatahinareo amin’ny Ray dia homeny anareo noho ny anarako izany.


Fa natahotra aho nahita ny fahatezerana sy fahavinirana nirehetan’ny TOMPO taminareo ka saika handringanany anareo; saingy mbola nihaino ahy indray IZY tamin’izany andro izany.


Koa mieke heloka ianareo samy ianareo, ary mifampivavaha mba hahasitrana anareo; fa mahery fiasa tokoa ny fivavaky ny olo-marina.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra