Zanaky ny vehivavy mpitondra tena anankiray amin’ny fokon’i Neftalì izy io, fa ny rainy no Tirianina, mpanefy varahina. Feno fahendrena amam-pahiratan-tsaina sy fahakingana izy, mba hanao ny asa isan-karazany rehetra momba ny varahina. Dia tonga tao amin’i Salômôna mpanjaka izy, ka nahavita ny asany rehetra.
Dia nataon’i Jôsoe izay nandidian’i Môizy azy, dia niady tamin’i Amaleka izy; fa i Môizy sy i Aarôna ary i Hora kosa niakatra tany an-tampon’ny havoana.
Ary hoy i Môizy tamin’ny zanak’i Israely: «Aoka ho fantatrareo fa i Beseleela, zanak’i Orì, zanak’i Hora, amin’ny fokon’i Jodà, no efa nofidin’i Iaveh.
Koa i Beseleela sy i Oôliaba ary ny olo-mahay rehetra, izay nomen’i Iaveh fahaizana amam-pahakingana hahay manao ny taozavatra rehetra momba ny fanompoana eo amin’ny fitoerana masina no hamita azy araka izay rehetra nodidian’i Iaveh hanaovana azy.