Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Eksodosy 37:1 - DIEM PROTESTANTA

1 Namboarin’i Betsalela tamin’ny hazo mimôzà ny Vatamasina; ka mirefy 125 santimetatra ny lavany, 75 santimetatra ny sakany ary 75 santimetatra ny haavony.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

1 Ary nanao ny vata tamin’ny hazo akasia i Bezalila; roa hakiho sy sasany ny lavany, iray hakiho sy sasany ny sakany ary iray hakiho sy sasany ny haavony;

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

1 Namboarin’i Betsalela tamin’ny hazo mimôzà ny Vatamasina; ka mirefy 125 santimetatra ny lavany, 75 santimetatra ny sakany ary 75 santimetatra ny haavony.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

1 Hazo akasià no nanaovan’i Beseleela ny fiara: roa hakiho sy sasany ny halavany, iray hakiho sy sasany ny sakany, ary iray hakiho sy sasany ny haavony.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

1 Ary Bezalila nanao ny fiara tamin’ny hazo akasia: roa hakiho sy sasany ny lavany, ary iray hakiho sy sasany ny sakany, ary iray hakiho sy sasany ny hahavony;

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

1 Ary Bezalila nanao ny fiara tamin'ny hazo akasia: roa hakiho sy sasany ny lavany, ary iray hakiho sy sasany ny sakany, ary iray hakiho sy sasany ny hahavony;

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

1 Ary nanao ny vata tamin’ny hazo akasia i Bezalila; roa hakiho* sy sasany ny lavany, iray hakiho sy sasany ny sakany ary iray hakiho sy sasany ny haavony;

Jereo ny toko dika mitovy




Eksodosy 37:1
10 Rohy Ifampitohizana  

I Hora no ray niteraka an’i Orỳ; ary i Orỳ no ray niteraka an’i Betsalela.


Eo ambanin’ny farango no hanantonana ny efitra lamba. Any aorian’ny efitra lamba no hametrahana ny Vatamasina mirakitra ny raki-tsoratry ny fanekempihavanana. Ny efitra lamba amin’izay no hampisaraka ny Toeramasina sy ny Toeramasina indrindra.


dia ny Tranolay fihaonana, ny Vatamasina misy ny raki-tsoratry ny fanekempihavanana, ny saron’ny Vatamasina, ny fitaovana rehetra momba ny tranolay masina,


Norakofan’i Betsalela takela-bolamena madio ny atiny sy ny ivelany, ary nasiany sisiny volamena manodidina.


Ao no hametrahana ny Vatamasina misy ny raki-tsoratry ny fanekempihavanana ka ho takona ao am-badiky ny efitra lamba.


Dia nanao vata tamin’ny hazo akasia aho sy nanamboatra takela-bato anankiroa tahaka ny teo, ary niakatra tao an-tendrombohitra ka nitondra ny takela-bato anankiroa teny an-tanako.


tao no nisy ny alitara volamena fandoroana ditin-kazo manitra ary ny vata mirakitra ny Fanekempihavanana, vata voapetaka takela-bolamena manontolo; ary tanatin’io vata io dia nisy ny siny volamena nitahirizana ny mana, ny tehin’i Aharôna izay nitsiry, ary ny vatofisaka nanoratana ny Fanekempihavanana.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra