Eksodosy 36:1 - DIEM PROTESTANTA1 I Betsalela sy i Ôhôliaba mbamin’ireo mpahay taozavatra hafa, izay nomen’ny TOMPO fahakingana sy faharanitan-tsaina ilaina hanatanterahana ny asa, dia hanamboatra ny zavatra rehetra hampiasaina amin’ny fanompoam-pivavahana ao amin’ny Toeramasina araka izay rehetra nodidian’ny TOMPO. Jereo ny tokoBaiboly Protestanta Malagasy 20111 Dia hiasa i Bezalila sy i Oholiaba ary ny olona manan-talenta rehetra, izay nomen’NY TOMPO talenta sy fahiratan-tsaina hahaizany manao ny asa rehetra ho amin’ny fanompoana ao amin’ny fitoerana masina, araka izay rehetra nandidian’NY TOMPO. Jereo ny tokoDikateny Iombonana Eto Madagasikara1 I Betsalela sy i Ôhôliaba mbamin’ireo mpahay taozavatra hafa, izay nomen’ny TOMPO fahakingana sy faharanitan-tsaina ilaina hanatanterahana ny asa, dia hanamboatra ny zavatra rehetra hampiasaina amin’ny fanompoam-pivavahana ao amin’ny Toeramasina araka izay rehetra nodidian’ny TOMPO. Jereo ny tokoBaiboly Katolika1 Koa i Beseleela sy i Oôliaba ary ny olo-mahay rehetra, izay nomen’i Iaveh fahaizana amam-pahakingana hahay manao ny taozavatra rehetra momba ny fanompoana eo amin’ny fitoerana masina no hamita azy araka izay rehetra nodidian’i Iaveh hanaovana azy. Jereo ny tokoBaiboly Protestanta Malagasy1 Dia hiasa Bezalila sy Oholiaba ary ny olona hendry rehetra, izay nomen’i Jehovah fahendrena sy fahiratan-tsaina, hahaizany hanao ny asa rehetra ho amin’ny fanompoana ao amin’ny fitoerana masina, araka izay rehetra nandidian’i Jehovah. Jereo ny tokoMalagasy Bible1 Dia hiasa Bezalila sy Oholiaba ary ny olona hendry rehetra, izay nomen'i Jehovah fahendrena sy fahiratan-tsaina, hahaizany hanao ny asa rehetra ho amin'ny fanompoana ao amin'ny fitoerana masina, araka izay rehetra nandidian'i Jehovah. Jereo ny tokoLa Bible en Malgache1 Dia hiasa i Bezalila sy i Oholiaba ary ny olona manan-talenta rehetra, izay nomen’NY TOMPO talenta sy fahiratan-tsaina hahaizany manao ny asa rehetra ho amin’ny fanompoana ao amin’ny fitoerana masina, araka izay rehetra nandidian’NY TOMPO. Jereo ny toko |
Indreo ny antoko-mpisorona sy levita, hanao ny fanompoana rehetra ao an-tempolin’Andriamanitra; mba hahavitana ny asa manontolo, dia miaraka aminao koa ireo olona feno risimpo sady kinga amin’ny taozavatra isan-karazany; ary ny lehibe mbamin’ny vahoaka rehetra dia hankatò ny baikonao an-tsakany sy an-davany.