Tsy nisy na inona na inona tao anatin’ilay Vatamasina afa-tsy ny vatofisaka roa izay napetrak’i Mosesy tao fony tany Hôreba, rehefa nanaovan’ny TOMPO fanekempihavanana ny Israelita taorian’ny nialany tany Ejipta.
Eksodosy 16:34 - DIEM PROTESTANTA Araka izay nandidian’ny TOMPO an’i Mosesy dia teo anoloan’ny Raki-tsoratry ny fanekempihavanana no napetrak’i Aharôna ilay siny tany misy mana mba hotahirizina. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Araka izay nandidian’NY TOMPO an’i Mosesy no nametrahan’i Arona izany teo anatrehan’ny Vavolombelona mba hotahirizina. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Araka izay nandidian’ny TOMPO an’i Mosesy dia teo anoloan’ny Raki-tsoratry ny fanekempihavanana no napetrak’i Aharôna ilay siny tany misy mana mba hotahirizina. Baiboly Katolika Dia napetrak’i Aarôna teo anatrehan’ny Vavolombelona izany, mba hotahirizina, araka ny nandidian’i Iaveh an’i Môizy. Baiboly Protestanta Malagasy Ary araka izay nandidian’i Jehovah an’i Mosesy no nametrahan’i Arona izany teo anatrehan’ny Vavolombelona mba hotehirizina. Malagasy Bible Ary araka izay nandidian'i Jehovah an'i Mosesy no nametrahan'i Arona izany teo anatrehan'ny Vavolombelona mba hotehirizina. La Bible en Malgache Araka izay nandidian’NY TOMPO an’i Mosesy no nametrahan’i Arona izany teo anatrehan’ny Vavolombelona mba hotahirizina. |
Tsy nisy na inona na inona tao anatin’ilay Vatamasina afa-tsy ny vatofisaka roa izay napetrak’i Mosesy tao fony tany Hôreba, rehefa nanaovan’ny TOMPO fanekempihavanana ny Israelita taorian’ny nialany tany Ejipta.
Ao anatin’io Vatamasina io no hametrahanao ny raki-tsoratry ny fanekempihavanana izay homeko anao.
Hapetraka eo ambony Vatamasina ny sarony rehefa tafiditra ao anatiny ao ny raki-tsoratry ny fanekempihavanana izay homeko anao.
I Aharôna sy ny taranany no hametraka ny fitoeran-jiro ao amin’ny Tranolay fihaonana, eo anoloan’ny efitra lamba izay manafina ny Vatamasina; ny jiro dia hirehitra manomboka ny hariva ka hatramin’ny maraina eo anatrehako Izaho TOMPO. Fepetra raikitra hotanterahin’ny Israelita isaky ny taranaka mifandimby izany.
Hotorotoroina ho vovoka madinika izany ka hampiasaina ao amin’ny Tranolay fihaonana, manoloana ny Vatamasina izay toerana hihaonako aminao. Hanan-kasina miavaka aminareo izany.
Hapetraka eo anoloan’ny efitra lamba izay manafina ny Vatamasina misy ny raki-tsoratry ny fanekempihavanana io alitara io, dia eo anoloan’ny saron’ny Vatamasina izay hihaonako aminao.
Rehefa vitan’Andriamanitra ny resaka nataony tamin’i Mosesy tao an-tendrombohitra Sinay, dia nomeny an’i Mosesy ny vatofisaka misy ny lalàna izay nosoratan’ny rantsan-tanan’Andriamanitra.
Ireto no isan’ny fitaovana nampiasaina tamin’ny fonena-masina misy ny raki-tsoratry ny fanekempihavanana. Araka ny baikon’i Mosesy, ny fanisana dia nataon’ny Levita notarihan’i Itamara, zanakalahin’i Aharôna mpisorona.
Nalain’i Mosesy ny vatofisaka misy ny didy folo ka napetrany tao amin’ny Vatamasina; dia natsofoka ny baon’ny Vatamasina sady narakotra azy ny sarony.
Fa ampiandraiketo azy kosa ny fitandremana ny Fonena-masina izay nametrahana ny raki-tsoratry ny fanekempihavanana ary koa ny fanaka sy ny kojakoja rehetra momba azy. Ireo no hitondra ny Fonena-masina mbamin’ny fanaka rehetra momba azy sy hanao fanompoam-pivavahana ao aminy ary hitoby manodidina azy.
Fa ny Levita kosa dia hitoby manodidina ny Fonena-masina mba tsy hirehitra amin’ny fiangonan’ny Israelita ny fahatezerako.»
–Mialà ianareo amin’io fiangonana io fa handringana azy indray mipi-maso Aho. Dia niankohoka tamin’ny tany izy roa lahy,
Nihodina aho ka nidina niala teo amin’ny tendrombohitra; ary napetraka tao anatin’ilay vata efa nataoko ireo takela-bato ireo, ka dia mbola ao ihany araka izay nandidian’ny TOMPO ahy.