6 Hapetraka eo anoloan’ny efitra lamba izay manafina ny Vatamasina misy ny raki-tsoratry ny fanekempihavanana io alitara io, dia eo anoloan’ny saron’ny Vatamasina izay hihaonako aminao.
6 Apetraho eo anoloan’ny efitra izay manakona ny vata misy ny Vavolombelona izy io, dia manandrify ny rakotra fanaovam-panavotana eo ambonin’ny Vavolombelona, izay hihaonako aminao.
6 Hapetraka eo anoloan’ny efitra lamba izay manafina ny Vatamasina misy ny raki-tsoratry ny fanekempihavanana io alitara io, dia eo anoloan’ny saron’ny Vatamasina izay hihaonako aminao.
6 Io ôtely io dia hapetrakao manatrika ny efitra lamba izay eo anoloan’ny fiaran’ny vavolombelona, manatrika ny fanaovam-panavotana izay eo ambonin’ny vavolombelona, dia eo amin’izay hihaonako aminao.
6 Ary apetraho eo anoloan’ny efitra izay manakona ny fiaran’ny Vavolombelona izy, dia manandrify ny rakotra fanaovam-panavotana eo ambonin’ny Vavolombelona, izay hihaonako aminao.
6 Ary apetraho eo anoloan'ny efitra izay manakona ny fiaran'ny Vavolombelona izy, dia manandrify ny rakotra fanaovam-panavotana eo ambonin'ny Vavolombelona, izay hihaonako aminao.
6 Apetraho eo anoloan’ny efitra izay manakona ny vata misy ny Vavolombelona izy io, dia manandrify ny rakotra fanaovam-panavotana eo ambonin’ny Vavolombelona, izay hihaonako aminao.
Ny zanakalahin’i Hamrama dia i Aharôna sy i Mosesy. I Aharôna mbamin’ny taranany no natokana hatrany mba hanao fanompoana ao amin’ny Toeramasina indrindra: ka himasoany lalandava ny handoro zava-manitra eo anatrehan’ny TOMPO sy ny hanao fanompoam-pivavahana ary ny hitsodrano amin’ny anaran’ny Tompo.
Dia nomen’i Davida an’i Salômôna zanany ny sarin’ny Toeramasina sy ny trano fanampiny –efitrano firaketana, efitrano ambony, efitrano anatiny –ary ny trano hisy ilay Vatamasina mirakitra ny fanekempihavanan’ny Tompo.
Hapetraka eo anoloan’ny Vatamasina misy ny raki-tsoratry ny fanekempihavanana ilay alitara volamena fandorana ditin-kazo manitra; ny efitra lamba dia hapetaka eo amin’ny fidirana mankao amin’ny fonena-masina.
Eo anatrehan’ny TOMPO eo i Aharôna no hanisy ditin-kazo manitra eo ambonin’ny vain’afo ka hosaronan’ny setrok’izany ilay rakotra volamena eo ambonin’ny Fanekempihavanana mba tsy hahafaty an’i Aharôna.
Nalain’i Elehazara mpisorona ny fitaovam-panembohana halimo izay an’ireo olona nodorana velona ireo, ka nofisahiny ho takelaka handrakofana ny alitara.
Ary indro ny efitra lamba tao amin’ny Toeramasina fa nitriatra nizara roa hatrany ambony ka hatrany ambany. Dia nihorohoro ny tany; nitresaka ny vatolampy;