Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Eksodosy 16:33 - DIEM PROTESTANTA

33 Dia hoy i Mosesy tamin’i Aharôna: –Makà siny tany ka asio mana inefatry ny zingan-drano, dia apetraho eo anatrehan’ny TOMPO mba hotahirizina ho an’ny taranakareo.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

33 Hoy koa i Mosesy tamin’i Arona: Makà siny iray ka asio mana eran’ny vata omera ao anatiny dia apetraho eo anatrehan’NY TOMPO izany mba hotahirizina hatramin’ny taranakareo fara aman-dimby.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

33 Dia hoy i Mosesy tamin’i Aharôna: –Makà siny tany ka asio mana inefatry ny zingan-drano, dia apetraho eo anatrehan’ny TOMPO mba hotahirizina ho an’ny taranakareo.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

33 Ary hoy i Môizy tamin’i Aarôna: «Makà kapoaka iray, asio mana iray gômôra, ka apetraho eo anatrehan’i Iaveh hotehirizina ho an’ny taranakareo.»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

33 Ary hoy Mosesy tamin’i Arona: Makà vilany, ka asio mana eran’ny vata omera ao anatiny, dia apetraho eo anatrehan’i Jehovah mba hotehirizina hatramin’ny taranakareo fara mandimby.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

33 Ary hoy Mosesy tamin'i Arona: Makà vilany, ka asio mana eran'ny vata omera eo anatiny, dia apetraho eo anatrehan'i Jehovah mba hotehirizina hatramin'ny taranakareo fara mandimby.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

33 Hoy koa i Mosesy tamin’i Arona: Makà siny iray ka asio mana eran’ny vata omera ao anatiny dia apetraho eo anatrehan’NY TOMPO izany mba hotahirizina hatramin’ny taranakareo fara aman-dimby.

Jereo ny toko dika mitovy




Eksodosy 16:33
3 Rohy Ifampitohizana  

Hoy i Mosesy tamin’ny Israelita: –Izao no zavatra nandidian’ny TOMPO: «Fenoy mana ny vata hômera iray mba hotehirizina ho an’ny taranakareo. Amin’izay dia mba ho hitany ny mofo izay nomeko hohaninareo tany an-taniefitra fony Aho namoaka anareo hiala tany Ejipta.»


tao no nisy ny alitara volamena fandoroana ditin-kazo manitra ary ny vata mirakitra ny Fanekempihavanana, vata voapetaka takela-bolamena manontolo; ary tanatin’io vata io dia nisy ny siny volamena nitahirizana ny mana, ny tehin’i Aharôna izay nitsiry, ary ny vatofisaka nanoratana ny Fanekempihavanana.


«Izay manan-tsofina, aoka hihaino izay lazain’ny Fanahy Masina amin’ireo Fiangonana. «Izay maharesy dia homeko mana miafina sady homeko vato fotsy; ary eo amin’io vato io dia misy anaram-baovao voasoratra, izay tsy fantatr’olona afa-tsy izay mandray azy ihany.»


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra