Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Eksodosy 40:20 - DIEM PROTESTANTA

20 Nalain’i Mosesy ny vatofisaka misy ny didy folo ka napetrany tao amin’ny Vatamasina; dia natsofoka ny baon’ny Vatamasina sady narakotra azy ny sarony.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

20 Dia nalainy ny Vavolombelona ka napetrany tao anatin’ny vata, ary ny bao dia nataony teo amin’ny vata, ny rakotra fanaovam-panavotana indray dia napetrany teo ambonin’ny vata.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

20 Nalain’i Mosesy ny vatofisaka misy ny didy folo ka napetrany tao amin’ny Vatamasina; dia natsofoka ny baon’ny Vatamasina sady narakotra azy ny sarony.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

20 Nalainy ny Vavolombelona, dia napetrany tao anaty fiara; nataony tamin’ny fiara ny bao, ary napetrany teo ambonin’ny fiara ny fanaovam-panavotana.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

20 Dia nalainy ny Vavolombelona ka napetrany tao anatin’ny fiara, ary ny bao dia nataony teo amin’ny fiara, ary ny rakotra fanaovam-panavotana dia napetrany teo ambonin’ny fiara.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

20 Dia nalainy ny Vavolombelona ka napetrany tao anatin'ny fiara, ary ny bao dia nataony teo amin'ny fiara, ary ny rakotra fanaovam-panavotana dia napetrany teo ambonin'ny fiara.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

20 Dia nalainy ny Vavolombelona ka napetrany tao anatin’ny vata, ary ny bao dia nataony teo amin’ny vata, ny rakotra fanaovam-panavotana indray dia napetrany teo ambonin’ny vata.

Jereo ny toko dika mitovy




Eksodosy 40:20
19 Rohy Ifampitohizana  

Tsy nisy na inona na inona tao anatin’ilay Vatamasina afa-tsy ny vatofisaka roa izay napetrak’i Mosesy tao fony tany Hôreba, rehefa nanaovan’ny TOMPO fanekempihavanana ny Israelita taorian’ny nialany tany Ejipta.


Dia novorin’i Davida tao Jerosalema i Israely lafy valo mba hampakatra ny Vatamasin’ny TOMPO ho eo amin’ny toerana izay efa namboarina ho azy.


Tsy nisy na inona na inona tao anatin’ilay Vatamasina afa-tsy ny vatofisaka roa izay napetrak’i Mosesy tao fony tany Hôreba, rehefa nanaovan’ny TOMPO fanekempihavanana ny Israelita taorian’ny nialany tany Ejipta.


Ka hoy aho hoe: «Inty aho tamy! Ao amin’ny bokin’ny Lalàna no ahitako fa voasoratra izay tokony hataoko.»


Araka izay nandidian’ny TOMPO an’i Mosesy dia teo anoloan’ny Raki-tsoratry ny fanekempihavanana no napetrak’i Aharôna ilay siny tany misy mana mba hotahirizina.


Avy eo, dia hapetraka eo ambonin’ny Vatamasina ilay sarony, ao amin’ny Toeramasina indrindra.


Rehefa vitan’Andriamanitra ny resaka nataony tamin’i Mosesy tao an-tendrombohitra Sinay, dia nomeny an’i Mosesy ny vatofisaka misy ny lalàna izay nosoratan’ny rantsan-tanan’Andriamanitra.


Avy eo dia novelarina teo ambonin’ny fonena-masina ny lay, ary napetraka teo ambonin’io lay io ny sarona fiarovana, araka izay efa nandidian’ny TOMPO an’i Mosesy.


Ao no hametrahana ny Vatamasina misy ny raki-tsoratry ny fanekempihavanana ka ho takona ao am-badiky ny efitra lamba.


Fa novalian’i Jesoa hoe: –Ekeo ihany aloha, fa izany no tsy maintsy anatontosantsika ny zavatra rehetra voasoritr’Andriamanitra. Izay vao nanaiky i Jôhany.


Eny, lany andro ny lalàna nony tamy i Kristy hahatonga ny mpino rehetra ho olo-marina eo anatrehan’Andriamanitra.


Fa notendren’Andriamanitra ho sorom-panonerana ho an’ireo manam-pinoana i Kristy Jesoa Izay nahafoy ny rany: izany no maneho ny fomba aneken’Andriamanitra ny olombelona ho marina! Ireo heloka vitan’ny olombelona fahiny dia noleferin’Andriamanitra


Nihodina aho ka nidina niala teo amin’ny tendrombohitra; ary napetraka tao anatin’ilay vata efa nataoko ireo takela-bato ireo, ka dia mbola ao ihany araka izay nandidian’ny TOMPO ahy.


Koa aoka isika hatoky hanatona ny sezafiandrianan’Andriamanitra, izay toeram-pahasoavana; eo no hahazoantsika famindrampo ary koa hahitantsika fahasoavana, ka hanampian’Andriamanitra antsika amin’ny fotoana ilantsika izany.


tao no nisy ny alitara volamena fandoroana ditin-kazo manitra ary ny vata mirakitra ny Fanekempihavanana, vata voapetaka takela-bolamena manontolo; ary tanatin’io vata io dia nisy ny siny volamena nitahirizana ny mana, ny tehin’i Aharôna izay nitsiry, ary ny vatofisaka nanoratana ny Fanekempihavanana.


Izy no sorom-panonerana amelana ny fahotantsika; ary tsy ny antsika ihany, fa ny an’izao tontolo izao koa.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra