Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Eksodosy 40:19 - DIEM PROTESTANTA

19 Avy eo dia novelarina teo ambonin’ny fonena-masina ny lay, ary napetraka teo ambonin’io lay io ny sarona fiarovana, araka izay efa nandidian’ny TOMPO an’i Mosesy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

19 Novelariny teo ambonin’ny tabernakely koa ny lay ary nataony teo amboniny ny rakotry ny tranolay, araka izay nandidian’NY TOMPO azy.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

19 Avy eo dia novelarina teo ambonin’ny fonena-masina ny lay, ary napetraka teo ambonin’io lay io ny sarona fiarovana, araka izay efa nandidian’ny TOMPO an’i Mosesy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

19 Novelariny ny lay teo ambonin’ny Fonenana, ary nataony teo ambony ny firakotry ny lay, araka ny nandidian’i Iaveh an’i Môizy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

19 Ary namelatra ny lay teo ambonin’ny tabernakely izy, ary ny firakotry ny lay nataony teo amboniny, dia araka izay efa nandidian’i Jehovah an’i Mosesy.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

19 Ary namelatra ny lay teo ambonin'ny tabernakely izy, ary ny firakotry ny lay nataony teo amboniny, dia araka izay efa nandidian'i Jehovah an'i Mosesy.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

19 Novelariny teo ambonin’ny tabernakely koa ny lay ary nataony teo amboniny ny rakotry ny tranolay, araka izay nandidian’NY TOMPO azy.

Jereo ny toko dika mitovy




Eksodosy 40:19
5 Rohy Ifampitohizana  

Nasain’i Mosesy natsangana ny fonena-masina, ka napetraka ny faladiany sy ny hazo fisaka ary ny barany mbamin’ny andry.


Nalain’i Mosesy ny vatofisaka misy ny didy folo ka napetrany tao amin’ny Vatamasina; dia natsofoka ny baon’ny Vatamasina sady narakotra azy ny sarony.


hitondra ny lamba mandrakotra ny Fonena-masina ny Tranolay fihaonana, ny rakotra lambam-baravarana fidirana eo amin’ny Tranolay fihaonana,


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra