Eksodosy 25:21 - DIEM PROTESTANTA21 Hapetraka eo ambony Vatamasina ny sarony rehefa tafiditra ao anatiny ao ny raki-tsoratry ny fanekempihavanana izay homeko anao. Jereo ny tokoBaiboly Protestanta Malagasy 201121 Dia apetraho eo ambonin’ny vata ny rakotra fanaovam-panavotana; ao anatin’ny vata no asio ny Vavolombelona izay homeko anao. Jereo ny tokoDikateny Iombonana Eto Madagasikara21 Hapetraka eo ambony Vatamasina ny sarony rehefa tafiditra ao anatiny ao ny raki-tsoratry ny fanekempihavanana izay homeko anao. Jereo ny tokoBaiboly Katolika21 Dia hapetrakao eo ambonin’ny fiara ny fanaovam-panavotana; ary hapetrakao ao anatin’ny fiara ny vavolombelona izay homeko anao. Jereo ny tokoBaiboly Protestanta Malagasy21 Ary apetraho eo ambonin’ny fiara ny rakotra fanaovam-panavotana; ary ao anatin’ny fiara no asio ny Vavolombelona izay homeko anao. Jereo ny tokoMalagasy Bible21 Ary apetraho eo ambonin'ny fiara ny rakotra fanaovam-panavotana; ary ao anatin'ny fiara no asio ny Vavolombelona izay homeko anao. Jereo ny toko |
Ka hoy ny TOMPO tamin’i Mosesy: «Ilazao i Aharôna rahalahinao mba tsy hiditra ao amin’ny Toeramasina Indrindra, ambadiky ny efitra lamba, afa-tsy amin’ny andro sahaza ihany; ary ilazao koa izy tsy hankeo anoloan’ilay Vatamasina izay misy rakotra volamena eo amboniny, sao ho faty izy satria hiseho anaty rahona eo ambonin’io rakotra volamena io Aho.»